Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena

Alahady 28 desambra 2014

Fetin’ny Fianakaviana Masina (Taona B)

« Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra » (Lk. 2: 40)

Tahaka ny isan-taona dia mankalaza ny fetin’ny Fianakaviana Masina isika androany. Io fety io moa dia ny Alahady manaraka ny Noely no ankalazana azy, izay entina hilazana amintsika fa mbola ao anatin’ny fankalazana tanteraka ny Noely isika ary ny fetin’ny Fianakaviana Masina dia tafiditra tsara ao anatin’ny Mistery lehibe nahatongavan’i Jesoa Zanak’Andrimanaitra ho nofo mba hanavotra antsika olombelona. Izao fankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina izao indrindra no anamafisana fa tena niaina tao anatin’ny fianakaviana tahaka ny olona rehetra i Jesoa fa tsy nitoetra irery. Izany no porofo fa na Andrimanitra tena Andriamanitra aza Izy dia niaina feno ny maha olombelona azy ka nanome lanja ny hasin’ny fianakaviana. Noho io fiainany teo anivon’ny fianakaviana io dia nanatanteraka ireo fomba amam-panao rehetra tao amin’ny fiarahamonina nisy azy i Jesoa. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely androany izay manambara amintsika fa « rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy, dia nentin’ny Ray aman-dReniny i Jesoa ho any Jerosalema, mba hatolotra ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe : “Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo”, ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromahailala roa, araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo » (Lk. 2: 22 – 24).

Ambaran’ity Evanjely androany ity fa nanatanteraka ny adidiny araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna ireo Ray aman-dRenin’i Jesoa ka nitondra azy mba hatolotra ny Tompo. Fomban’ny Jody tokoa ny mitondra ny lahy voalohan-teraka rehetra ao an-Tempoly ka manolotra azy an’Andriamanitra, miaraka amin’ny fanatitra izay efa voafaritra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo. Tamin’izany fotoana izany indrindra no « nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema ; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany, ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely ary tao aminy ny Fanahy Masina, sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo. Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly, ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy, dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe : “Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao”. Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy » (Lk. 2: 25 – 33).

Vakiteny I : Jen. 15, 1 – 6. 21, 1 – 3

Tononkira : Sal. 105, 1b – 2. 3 – 4. 5 – 6. 8 – 9

Vakiteny II : Heb. 11, 8. 11 – 12. 17 – 19

Evanjely : Lk. 2, 22 – 40

Tsy izany ihany fa « nitsodrano azy ireo i Simeôna ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe : “Indro, ity Zaza ity, no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina — ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra — mba hiseho ny hevitry ny fo maro. Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray, dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera ; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy, ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadiankanina sy fivavahana. Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema » (Lk. 2: 34 – 38). Io fahatongavan’i Simeôna sy Ana io no mampiseho amintsika fa tena i Jesoa tokoa no ilay Mesia voalazan’ny Mpaminany nandritra ny taona maro nifandimby ary nandrasan’ny vahoaka Israely rehetra araka ny voalazan’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Ny fanolorana an’i Jesoa tao an-Tempoly, no mampiseho Azy ho ilay Voalohan-Teraka ho an’ny Tompo. Niaraka tamin’i Simeôna sy i Ana, ny fiandrasana rehetra tao amin’i Israely no tonga nihaona tamin’ny Mpamonjy azy (izany no iantsoan’ny lovam-pampianarana bizantinina an’ity zavaniseho ity). I Jesoa dia fantatra ho ilay Mesia nandrasana fatratra, “ fahazavan’ny firenena” sy “voninahitr’i Israely”, ary koa “famantarana hotoherina”. Ny sabatry ny fahoriana nolazaina mialoha tamin’i Maria dia manambara an’ilay fanoloran-tena hafa, lavorary sy tokana, eo amin’ny Hazofijaliana, izay hanome ny famonjena nomanin’Andriamanitra teo imason’ny firenena rehetra » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha –529).

Farany moa dia ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa « nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy. Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra » (Lk. 2: 39 – 40). Mazava ho azy fa teo anivon’ny Fianakaviana Masina i Jesoa no nitombo sy nihanatanjaka ary feno fahendrena. Izany hoe, nikarakara azy tanteraka i Josefa sy Maria ka nanome izay rehetra nilainy ho an’ny fitomboany ara-batana. Tahaka izany, nanabe an’i Jesoa izy ireo ka nahatonga azy ho feno fahendrena. Izany fahendrena nanan’i Jesoa izany dia tsy afa-nisaraka tamin’ny fanabeazana ara-tsaina noraisiny teo anivon’ny Fianakaviana Masina. Noho izany indrindra dia hamafisin’ny Fiangonana amin’izao fankalazana ny Fetin’ny Fianakaviana Masina izao fa tahaka an’i Josefa sy Maria izay nikolokolo tanteraka an’i Jesoa, dia manana adidy lehibe amin’ny fiahiana ny zanany ihany koa ny ray aman-dreny rehetra ka tsy tokony hanao ambanin-javatra izany adidy izany manolona ny zanany. Araka izany dia tsy azo lavina fa eo anivon’ny fianakaviana no tsy maintsy mitombo, mihamatanjaka, feno fahendrena ary mivelatra amin’ny lafiny rehetra ny zaza ateraka, tahaka an’i Jesoa teo anivon’ny Fianakaviana Masina tao Nazareta.

Ohatra velona ho an’ny fianakaviana rehetra ny fiainan’ny Fianakaviana Masina ka anamafisana fa ny fianakavina dia toy ny fiangonana kely ahafahan’ny zaza mitombo sy mihamatanjaka ary feno fahendrena. Izany indrindra no mahatonga ny Fiangonana hanamafy fa ny fianakaviana dia ny fiombonana misy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Io fampianarana io moa dia niverimberina ary nohamafisina hatrany nandritra ny Sinaoda manokana ho an’ny fianakaviana izay natao tamin’ity taona ity ny tapany voalohany ary mbola misy tapany faharoa izay handinihana lalina ny ezaka tsy mantsy ataon’ny Kristianina rehetra amin’ny fanomezana lanja ny hasin’ny fianakaviana. Amin’izao Alahady ankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina izao ary dia miara-mivavaka isika ho an’ny fianakaviana rehetra mba samy handrotsahan’Izy Tompo ny tsodranony mitafotafo hankahery azy ireo hifankatia marina tokoa tahaka ny Fianakaviana Masin’i Jesoa, Maria ary Josefa. Enga anie izao fankalazana ataontsika izao hanampy ny fianakaviana rehetra mba hihavao hatrany manoloana ireo olana isan-karazany izay tsy maintsy atrehina amin’izao vanin’andro ankehitriny izao. Hiditra taona vaovao ihany koa isika amin’ity herinandro ity, koa amin’ny fo feno fitiavana sy fifaliana sahady no ifanolorantsika mianakavy ny firarian-tsoa sy fiarahabana. Enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra hirotsaka amintsika tsirairay avy amin’izao taona vaovao 2015 izao hahafahantsika miaina ao anatin’ny hafaliana sy fitiavana mandrakariva.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097