Ary nahita aho ka milaza marina fa izy no Zanak’Andriamanitra

 

Alahady 19 janoary 2014

Alahady Faharoa tsotra Mandavantaona (Taona A)

 

 

Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa ny nanaovana batemy an’i Jesoa no namaranana ny fankalazana ny Noely. Nambarantsika ihany koa fa tahaka ny teteza-mita mampiditra antsika amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra mandavantaona izy io satria sady fankalazana ny Batemin’ny Tompo izay namaranana ny Noely, no Alahady tsotra voalohany mandavantaona. Mazava araka izany fa ny Alahady faharoa tsotra mandavantaona no ankalazaintsika androany ka anomezan’ny Fiangonana antsika ireo Tenin’Andriamanitra izay manamafy fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa saingy nietry tena ka tonga olombelona ary nanaiky ny batemy nataon’i Joany mba hitarika antsika rehetra ho afaka amin’ny fahotana. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely androany, izay manome antsika ny fijoroan’i Joany ho vavolombelona fa i Jesoa tokoa no ilay manala ny fahotan’ny olona. « Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy Joany ka hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ; indro ilay manala ny fahotan’ny olona » (Jo. 1: 29).

Raha dinihina lalina dia hita avy hatrany fa mifampitohy tanteraka amin’ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo ny ambaran’ ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity. Midika izany fa ny nanaovana batemy an’i Jesoa no manambara ny fanoloran-tena nataony sy nisehoany miharihary fa tena Andriamanitra tokoa Izy saingy nanaiky ho tonga olombelona ka niara-nonina tamintsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny fatoran’ny fahotana. Efa voalazantsika tamin’ny Alahady heriny, tamin’ny alalan’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika fa ny Batemin’i Jesoa no fanekena sy fisantarana ny iraka nanirahan’i Ray Azy. Noho izany, mialoha ny handinihantsika izay asam-pamonjena nataon’i Jesoa izay dia tian’ny Fiangonana ho hamafisina io maha irak’Andriamanitra Azy io ka anomezana antsika amin’izao Alahady faharoa tsotra mandavantaona izao ny Evanjely manambara indrindra ny fijorona ho vavolombelona nataon’i Joany Batista.

Araka ny voalaza amin’ity Evanjely androany ity ary dia nambaran’i Joany Batista miharihary fa io Jesoa io tokoa no ilay Zanak’Andriamanitra izay efa nisy talohan’ny taona rehetra ka hoy indrindra izy hoe : « Izy no ilay nantsoiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako izy. Ary izaho tsy nahalala azy ; fa mba hampisehoana azy amin’Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano. Ary nilaza marina Joany nanao hoe : Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho tsy nahalala azy, fa izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano no nilaza tamiko hoe : Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny no ilay manao batemy amin’ny Fanahy Masina. Ary nahita aho ka milaza marina fa izy no Zanak’Andriamanitra » (Jo. 1: 30 – 34).

Mazava dia mazava io fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joany Batista io ary izay hitany tokoa no nambarany ka tsy nisalasala izy nilaza hoe: « ary nahita aho ka milaza marina fa izy no Zanak’Andriamanitra ». Fampianarana lehibe ho antsika io fanambarana nataon’i Joany Batista io ka tsy tokony hisalasala ihany koa isika hanambara amin-kasahiana fa io Jesoa io tokoa no tena Zanak’Andriamanitra marina izay tonga hamonjy sy hanavotra antsika ho afaka amin’ny gejan’ny fahotana. Marina fa efa mino isika ary tena mazoto mivavaka tokoa saingy mbola maro ireo tsy mahalala fa efa tonga tokoa ny Mpamonjy ka anjarantsika izay mahalala no mijoro ho vavolombelon’ny finoana eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy tahaka ny nataon’i Joany Batista. Ny batemy noraisintsika no porofo manambara fa mino sy mandray an’i Jesoa ho Mpamonjy isika. Io batemy noraisintsika io no mahatonga antsika ihany koa ho zanak’Andriamanitra ka izany no tsimiantsy ijoroantsika ho vavolombelon’ny finoana eo anivon’ny fiarahamonina sy amin’ny sehatra misy antsika tsirairay avy.

Azo lazaina ary fa tena manana adidy lehibe isika vita batemy rehetra mba ho vavolombelon’ny finoana marina tokoa ka ho hita taratra amin’ny fiainantsika andavan’andro ny maha Kristianina antsika. Amin’ny alalan’ny fahaizantsika mifankatia sy manana fitondran-tena tsara eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy no ahafahantsika mampiseho izany. Hita tokoa mantsy fa mbola maro amintsika Kristianina no tsy mahay mihavana sy mifanavankavaka ary mifanaratsy mihitsy aza indraindray ka izany indrindra no mahatonga ny Fiangonana Kristianina manontolo hanasa ny vita batemy rehetra hiara-mivavaka sy handinin-tena marina tokoa manoloana ny fizarazarana sy ny fisaraham-bazana eo amin’ny samy mpino an’i Jesoa Kristy. Noho io fizarazarana misy amin’ny samy Kristianina io ary no mahatonga ny Fiangonana hiantso antsika rehetra mba hanamafy hatrany ny ezaka sy ny vavaka ho an’ny firaisam-pinoana.

Tsara ihany tokoa ny mampahatsiahy fa ao anatin’ny herinandro iaraha-mivavaka ho an’ny firaisan’ny mpino isika mandritra ity herinandro ity. Izany moa dia nanomboka omaly Asabotsy 18 janoary ary tsy hifarana raha tsy amin’ny Asabotsy 25 janoary ho avy izao, koa manainga antsika rehetra hiombom-bavaka amin’ny Kristianina rehetra maneran-tany mba hisy tokoa ny fiombonana eo amin’ny samy zanak’Andriamanitra vita batemy izay misara-bazana noho ny hevitra tsy mitovy amin’ny maha olom-belona. Fanirian’Izy Tompo ny haha iray antsika rehetra ka izany no anasana antsika hanao ezaka isan-taona mba hifanantona sy hiara-mivavaka ka hizotra tsikelikely amin’izay firaisan’ny mpino izay na dia mbola lavitra aza ny lalana haleha ary mbola maro ihany koa ny ezaka tsimaintsy hatao hahatongavana amin’ny fiombonana tanteraka. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady faharoa tsotra mandavantaona izao mba hisy vokany tokoa ny ezaka sy ny vavaka atao ho an’ny firaisam-pinoana ka tena ho iray marina tokoa ny vita batemy rehetra ary ho vavolombelon’i Jesoa ilay zanak’Andriamanitra tonga hanavotra antsika rehetra ho afaka amin’ny fahotana araka ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joany Batista izay ambaran’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana hodinihitsika androany.

 

Vakiteny I : Iz. 49: 3, 5 – 6

Tononkira : Sal. 40: 2, 4, 7 - 8, 9, 10

Vakiteny II : 1 Kor. 1: 1 – 3
Evanjely : Jo. 1: 29 – 34

 

P. Louis Martin 

 

 

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107