Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra

Alahady 19 oktobra 2014

Alahady Faha – 29 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra » (Mt. 22, 21)

Rehefa tsy nanan-kalahatra manoloana ny fampianarana nataon’i Jesoa ny Farisiana dia nitady izay fomba hamandrihana azy amin’ny teniny mba hahafahan’izy ireo manameloka azy. Rehefa avy nihaino ireo fanoharana samihafa nataon’i Jesoa mahakasika ny fanjakan’ny lanitra ary isika tao anatin’izay Alahady maromaro nifanesy izay dia io fitadiavan’i Farisiana hevitra hamandrihana an’i Jesoa io no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 29 tsotra Mandavan-taona izao. « Ary tamin’izay dia lasa ny Farisiana niray tetika hamandrika azy amin’ny teniny. Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herodiana ho any aminy izy ireo nanao hoe : Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina hianao, ary mampianatra ny lalàn’Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona anao ny olona ; satria tsy mizaha tavan’olona hianao. Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin’ity : mety va ny mandoa hetra ho an’i Sezara sa tsia? » (Mt. 22, 15 – 17). Hita miharihary eto fa tsy nahasahy niatrika mivantana an’i Jesoa ny Farisiana fa ny mpianatr’izy ireo no nirahina niaraka tamin’ny Herodiana hanao velam-pandrika mba hahitana porofo hanamelohana azy.

Fantatr’i Jesoa mazava tsara fa famandrihana azy io fanontaniana mahakasika ny fandoavana hetra amin’i Sezara io ka nahatonga azy tsy namaly mivantana tamin’izy ireo raha mety na tsia ny fanaovana izany. « Fa Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe : Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana hianareo no maka fanahy ahy ? Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin’ny hetra : dia nanasehoany denie iray izy. Ary hoy Jesoa taminy : Sarin’iza, sy anaran’iza ity ? An’i Sezara, hoy ireo. Raha izany àry, hoy izy, dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra » (Mt. 22, 18 – 21). Azo heverina fa diso fanantenana ihany ireto olona nirahin’ny Farisiana ireto satria ny hamalian’i Jesoa mivantana io fanontaniana io no noheverin’izy ireo. Raha namaly moa i Jesoa hoe mety ny mando hetra ho an’i Sezara dia ny vahoaka no ho avy hanohitra azy satria ny fanekena handoa hetra amin’i Sezara dia midika ihany koa ho fanekena ny fanjakana Romana hifehy ny vahoaka Jody. Raha namaly indray izy fa hoe tsy mety ny mandoa hetra amin’i Sezara dia ireo Herodiana niaraka tamin’ny mpianatry ny Farisiana no hisambotra azy voalohany satria ny tsy fandoavana hetra dia midika ho fanoherena ny fahefam-panjakana.

Vakiteny I : Iz. 45, 1. 4 – 6

Tononkira : Sal. 96, 1. 3. 4 – 5. 7 – 8. 9 – 10a. 10c

Vakiteny II : 1 Tes. 1, 1 – 5b

Evanjely : Mt. 22, 15 – 21

Manoloana izany rehetra izany dia mazava ny valin-teny nomen’i Jesoa azy ireo : « aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra » (Mt. 22, 21). Izany hoe, tokony havahana mazava tsara ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny raharaham-pitondrana firenena. Amin’izao vanin’andro iainantsika izao dia mazava ny tian’i Jesoa hambara amin’ity fampianarana ity fa tsy tokony hafangaro ny raharaham-pivavahana sy ny fahefam-panjakana. Marina fa tsy azo sarahina ny maha Kristianina sy ny maha olom-pirenena satria tsy hafa fa isika vita Batemy rehetra dia manana zò feno amin’ny maha olom-pirenena antsika. Midika izany fa maro amin’ny mpitondra fanjakana ihany koa no vita Batemy ka tena manana adidy ny rehetra handray andraikitra feno manoloana ny raharaham-pirenena amin’ny alalan’ny  fampivorana ny olom-pirenena rehetra ao anatin’ny toe-tsaina mandala ny marina, ny rariny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana araka ny voalazan’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « ny adidin’ny olom-pirenena dia ny mandray anjara miaraka amin’ny mpitondra fanjakana, amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona, amin’ny toe-tsaina mandala ny marina, ny rariny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana. Ny fitiavana sy ny fanompoana ny tanindrazana dia avy amin’ny adidim-pankasitrahana sy ny didim-pitiava-namana. Ny fankatoavana ny manam-pahefana ara-dalàna sy ny asa ho an’ny soa iombonana dia mitaky amin’ny olom-pirenena ny tokony hanatanterahan’izy ireo ny anjara asany eo amin’ vondrona mpitondra fanjakana. (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2239).

Araka izany dia manana adidy ny vita Batemy rehetra hikatsaka mandrakariva ny firaisan-kina sy ny fihavanana amin’ny maha olom-pirenena azy. Izany hoe, manana adidy ny Kristianina rehetra hijoro ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao eo anivon’ny fiarahamonina misy azy ka tsy hanaiky izay mety ho tsindry hazo lena na tsy fanjana ny zò fototra maha-olona mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Evanjely. « Ny olom-pirenena dia voadidin’ny kônsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa izany didy izany mifanohitra amin’izay takìn’ny lalàm-pitondran-tena, amin’ny zo fototra maha-olona na amin’ny fampianaran’ny Evanjely. Ny fandavam-panekena ny mpitondra firenena, raha mifanohitra amin’ny an’ny kônsiansy mahitsy ny fitakian’izy ireo, dia mahita ny fanamarinany amin’ny fanavahana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fanompoana ny vondrona mpitondra fanjakana. “Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’Andriamanitra” (Mt 22, 21). “Aleo manaiky an’ Andriamanitra toy izay ny olombelona” (Asa 5, 29) : Raha toa ny Fanjakana manao tsindry hazo lena ireo olom-pirenena amin’ny fihoaran’ny zon’ny fahefany manapaka, dia aoka ireo olom- pirenena tsy handà izay takìn’ny soa iombonana amin’ny fomba tsy mitanila. Kanefa azon’izy ireo atao ny miaro ny zony sy ny an’ireo mpiray tanindrazana aminy amin’ny fanoherana ny fanararaotam-pahefana, ao anatin’ny fanajana ny fetra voafaritry ny lalàna voa-Janahary sy ny Lalànan’ny Evanjely » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2242).

Io fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io dia mifanaraka tsara amin’ny fampianaran’i Jesoa androany mba hahay hanavaka tsara izay an’i Sezara sy izay an’Andriamanitra. Koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady Faha – 29 tsotra Mandavan-taona izao ho an’ireo mpitondra firenena rehetra mba hahay hitsinjo mandrakariva ny soa iombonana izy ireo ka hanaja hatrany ny fetra voafaritry ny lalàna voa-Janahary sy ny Lalànan’ny Evanjely. Manaraka izany dia mivavaka ihany koa isika ho an’ny mpitondra Fiangonana isan’ambaratongany mba tena hitarika ny olona hanompo an’Andriamanitra marina tokoa izy ireo. Amin’izay dia hanjaka eo anivon’ny firenena rehetra ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Tompo, araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa androany, amin’ny fanombohan’ny taratasy nosoratany ho an’ny Eglizy tany Tesalonìka.




 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0581