Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy

Alahady 27 Jolay 2014
Alahady Faha – 17 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy » (Rom. 8: 28)

 

Mitohy hatrany ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay mitantara ireo fanoharana nataon’i Jesoa mahakasika ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izao Alahady Faha–17 tsotra Mandavan-taona izao dia ambaran’i Jesoa fa « ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha ; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io » (Mt. 13: 44). Fa mbola nanao fanoharana hafa mitovy amin’izany ihany koa izy nanao hoe : « Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy » (Mt. 13: 45 – 46). Ireto fanoharana roa nataon’i Jesoa ireto dia samy milaza amintsika ny maha saro-bidy ny fanjakan’ny lanitra ka mahatonga ireo izay mitady azy hahafoy ny zavatra rehetra. Eto dia tena mazava tokoa ny fampianaran’i Jesoa fa io fanjakan’ny lanitra io dia tahaka ny rakitra saro-bidy sy voahangy tsara sady be vidy ka izay mahita azy dia hahazo hafaliana sy hasambarana tsy mety ritra.

Io fanjakan’ny lanitra izay oharin’i Jesoa amin’ny rakitra nafenina tany an-tsaha sy voahangy tsara sy be vidy io ihany koa no tadiavintsika amin’ny maha Kristianina antsika. Mila fandavan-tena sy fahafoizana izay rehetra ananantsika anefa ny fahazoana izany. Mazava ho azy fa raha tiantsika ny hahazo ny fanjakan’ny lanitra dia tsy maintsy miezaka isika hifikitra amin’Andriamanitra izay nifidy antsika ho zanany tamin’ny Batemy. Izany no mahatonga an’i Md Paoly hilaza hoe : « Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany. Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa ; izay nantsoiny no nohamarininy koa ; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa » (Rom. 8: 28 – 30). Ity Tenin’Andriamanitra izay nalaina tamin’ny taratasy nosoratan’i Md Paoly ho an’ny Romana ity moa no Vakiteny faharoa aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ary ilazana amintsika fa efa notendren’Andriamanitra sy nantsoiny isika hitovy endrika amin’ny Zanany. Noho izany, tamin’ny Batemy noraisintsika dia mpiara-mandrova ny fanjakan’ny lanitra miaraka amin’i Jesoa Zanany isika.

Raha tena tiantsika tokoa ary ny handova ny fanjakan’ny lanitra miaraka amin’i Jesoa, izay Lahimatoa amin’ny rahalahy maro, araka ny voalazan’i Md Paoly, dia tsy maintsy miezaka isika hanatanteraka ny hafatra napetrany amintsika dia ny hitandremantsika ny didin’Andriamanitra. Ho an’ny Jesoa dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no didy lehibe indrindra ka amin’ny alalan’ny fanatanterahantsika izany no hahafahantsika tena miray lova aminy any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ny fahozotoana mivavaka, indrindra ny fivavahana Alahady sy ny fanaovana asa fitiava-namana no fomba mivantana anatanterahantsika io didy napetrak’i Kristy io. Mila fahafoizan-tena izany satria ny fivavahana Alahady dia mila fahafoizana fotoana tokoa mba tsy hanaovana ny asa mahazatra an-davan’andro fa iderana an’Andriamanitra. Tahaka izany ny asa fitiava-namana dia mila ny fahafoizana izay ananantsika mba hanasoavana ny hafa. Ireny no fomba mivantana ahafahantsika manatanteraka ny fanoharana nataon’i Jesoa izay voalazan’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Tahaka ilay nahita ny rakitra nafenina tany an-tsaha sy ny voahangy tsara anankiray sady be vidy, ka lasa nivarotra ny fananany rehetra, no ataontsika rehefa mazoto mivavaka Alahady sy manao asa fitiava-namana isika.

Ny fahazotoana mivavaka Alahady sy ny fandraisana ireo Sakramenta samihafa omen’ny Fiangonana ary ny fanaovana asa soa, araka izany, no lalana mitondra antsika ho any amin’ny ny fanjakan’ny lanitra ka hahatonga antsika tsy ho anisan’ireo hatsipy any amin’ny memy mirehitra izay misy ny fitomaniana sy fikitroha-nify araka ny voalazan’ny fanoharana fahatelo omen’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity mano hoe : « Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao ; rahefa feno izy dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao : hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra : any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify » (Mt. 13: 47 – 50).

Tsy hoe hampihorohoro na hampatahotra antsika no nanaovan’i Jesoa io fanoharana io fa hanampy antsika kosa hiomana dieny izao hanao ny tsara mba ho afaka hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra satria ny ratsy fanahy dia hisaraka amin’ny marina ka hatsipy any amin’ny memy mirehitra : any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify, araka ny voalazany amin’ity Evanjely ity. Miara-mangataka ny fahasoavany ary isika amin’izao Alahady Faha–17 tsotra Mandavan-taona izao, mba tena hanao ny marina tokoa ka hiavaka amin’ny ratsy fanahy amin’ny fahazotoantsika mivavaka sy mano asa fitiava-namana. Tahaka an’i Salomona, araka ny voalazan’ny Vakiteny voalohany, dia ny fahamarinana sy ny fahendrena ary ny saina mahiratra, hahafahantsika manavaka ny soa sy ny ratsy, no hangatahintsika amin’Andriamanitra fa tsy ny vola aman-karena na ny rendrarendra isan-karazany. Matetika tokoa mantsy ny tsy fahaizana mandanjalanja manoloana ny vola aman-karena sy ny rendrarendra ary ny fiahiana be loatra izao fiainana izao dia mitarika amin’ny tsy fahamarinana sy haratsiam-panahy ka izany no andraisantsika an’i Salomona Mpanjaka ho ohatra fakan-tahaka.

Raha fintinina tsotsotra dia izao no voalazan’io Vakiteny voalohany androany mitantara ny fahendren’i Salomona Mpanjaka io : « Ary ny Tompo niseho tamin’i Salomona tamin’ny nofy, nony alina, tany Gabaona, ka hoy Andriamanitra taminy : Angataho izay tianao homeko anao » (1 Mpan. 3 : 5). Araka ny voalazan’io Tenin’Andriamanitra io dia namaly i Salomona nanao hoe : « saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoakanao maro be izao! (1 Mpan. 3 : 9). Ho setrin’izany dia « nankasitrahan’ny Tompo ny nangatahan’i Salomona izany zavatra izany taminy. Ka hoy Andriamanitra taminy : Noho hianao nangataka izany zavatra izany, ka tsy nangataka andro maro ho anao, sy tsy nangataka harena ho anao, ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao ; fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny ; dia indro, tanterahiko ny teninao, fa omeko saina hendry sy mahiratra hianao, ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao, ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao » (1 Mpan. 3 : 10 – 12). Ohatra tsara alain-tahaka ity nataon’i Salomona ity koa miara-mivavaka isika mba homen’Andriamanitra saina hendry sy mahiratra hahafahantsika hiavaka amin’ny ratsy fanahy ary hanao ny marina mandrankariva mba hahatonga antsika handova ny fanjakan’ny lanitra miaraka amin’i Jesoa Zokintsika, izay « Lahimatoa amin’ny rahalahy maro », araka ny voalazan’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa androany.

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098