Tompoko, tsarovy aho rahefa mby any amin’ny fanjakanao hianao

Alahady 24 novambra 2013
Fankalazana an’i Kristy Mpanjaka

 

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny nitantanany antsika, ka ahatratrarantsika izao Fankalazana an’i Kristy Mpanjaka izao. Ity Alahady ity tokoa no natokan’ny Fiangonana hamaranana ny taona litorjika ka rariny isika raha « misaotra ny Ray, izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olo-masina any amin’ny mazava, tamin’izay nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, dia izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika » (Kol. 1: 12 – 14). Araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’io taratasy nosoratany ho an’ny Kolosiana io, izay aroson’ny Fiangonana ho antsika ihany koa amin’ izao Fankalazana an’i Kristy Mpanjaka izao, dia tena velom-pisaorana an’Andriamanitra Ray tokoa isika noho ireo fahasoavana nomeny ny Fiangonana sy nomeny antsika tsirairay avy nandritra ity taona litorjika mifarana ity.

Ho an’ny Fiangonana manonkana dia isaorantsika Andriamaintra tamin’ny nanomezany antsika an’i Papa Benoît XVI, izay nahavita ny adidy niantsoana azy amin’ny maha Mpiandry Ondry azy ka nitsahatra an-tsitra-po tsy ho Papa intsony tamin’ny 11 Febroary 2013. Izany no nataony dia noho ny fahatsampany fa efa osa izy ka tsy afaka hanohy intsony izay adidy mavesatra nankinina taminy izay. Noho izany indrindra dia tsy navelan’Izy Tompo ho kamboty ny Fiangonana fa nomeny Mpiandry Ondry vaovao ka isaorantsika Izy tamin’ny nanomezany an’i Papa François izay voafidy hisahana izany andraikitra lehibe izany tamin’ny Alarobia 13 Mars 2013. Akoatr’io fiovana lehibe niainan’ny Fiangonana io moa dia ity taona ity ihany koa no taona natonkana ho « Taona’ny Finoana ». Raha tsiahivina dia nosokafan’i Papa Benoît XVI tamin’ny 11 Oktobra 2012 izany taonan’ny Finoana izany ka ity anio Alahady Fankalazana an’i Kristy Mpanjaka ity no amaranana izany eo ambany fitarihan’i Papa François. Ho an’ny tsirairay ihany koa dia mety maro ireo fahazoavana noraisina nandritra ity taona ity ka samy midera sy misaotra an’Andriamanitra isika araka izay fanomezam-pahasoavana noraisin’ny tsirairay izay.

Fankalazana an’i Kristy Mpanjaka moa androany ka mahakasika izay maha Mpanjaka an’i Jesoa izay indrindra no voalazan’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika. Tsara ho marihina fa ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka no aroso antsika, noho izany dia ireo teny fandatsana sy fanesoana natao an’i Jesoa nandrindra ny fampijaliana azy no ambaran’ity Evanjely anio ity fa tsy misy ny filazan’i Jesoa mivantana ny maha Mpanjaka ny tenany. « Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa azy nanao hoe: Namonjy ny sasany izy ka aoka hamonjy ny tenany, raha izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy. Ny miaramila koa naneso azy ka nanatona nanolotra vinaingitra azy, ary nanao hoe: Raha hianao no mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny tenanao. Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny greka sy latina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY » (Lk. 23: 35 – 38).

Araka ny voalaza amin’ity Evanjely ity ary dia tsy Mpanjaka manam-pahefana sy mandidy tahaka ny mpanjaka araka ny fihevitr’olombelona i Jesoa, fa Mpanjaka manetry tena ary nanaiky hampijaliana sy ho faty teo amin’ny Hazofijaliana mba ho fanavotana ny olona rehetra. Izany rahateo no fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika, izay manazava amintsika ny maha-mpanjaka an’i Kristy. « Mampiasa ny fiandrianana maha-mpanjaka Azy i Kristy amin’ny fanintonana ny olona rehetra ho ao Aminy amin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona. I Kristy, Mpanjaka sy Tompon’ izao tontolon’ny zava-drehetra izao, dia nanolo-tena ho mpanompon’ny rehetra, “tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt 20, 28). » Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 786). Mazava amin’io fampianarana omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io fa tsy tahaka ny Mpanjaka rehetra Jesoa. Hoan’ny olona mantsy ny atao hoe Mpanjaka dia natao ho tompoina sy tsy refesi-mandidy. Ny an’i Jesoa kosa dia ny mifanohitra amin’izany satria nanolo-tena ho mpanompon’ny rehetra izy ka tamin’ny alalan’ny fijaliana sy fahafatesana teo amin’ny Hazofijaliana no nisehoan’ny voninahitra maha Mpanjaka azy saingy maro no naneso azy rehefa nahita izany.

Manaraka izany, araka ny voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany, dia anisan’ny nanevateva an’i Jesoa tahaka ireo loholona sy miaramila ihany koa ilay mangalatra izay nihantona tamin’ny hazofijaliana teo anilany saingy ny naman’io mpangalatra io anankiray izay niara-nihantona teo no nahasahy niteny fa tsy rariny ary tsy mendrika an’i Jesoa izao nanaovana Azy izao ka izany no nitalahoany taminy mba hahatsiaro azy rahefa mby any amin’ny fanjakany Izy. « Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva azy nanao hoe: Raha hianao no Kristy, vonjeo ny tenanao sy izahay. Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe: Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika ; fa ny azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona izy. Dia hoy izy tamin’i Jesoa : Tompoko, tsarovy aho rahefa mby any amin’ny fanjakanao hianao. Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy : Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao » (Lk. 23: 39 – 43).

Azo lazaina fa ity Jiolahy nivalo ity izany no nahalala sahady fa tsy eto amin’izao tontolo izao ny fanjakan’i Jesoa ka nahatonga azy nitalaho manao hoe : « Tompoko, tsarovy aho rahefa mby any amin’ny fanjakanao hianao » (Lk. 23: 42). Efa nambaran’i Jesoa rahateo fa « tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisa’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako » (Jo. 18: 36). Amin’izao Fankalazana an’i Kristy Mpanjaka izao ary dia mampahatsiaro antsika ny Fiangonana fa tena Mpanjaka tokoa i Jesoa saingy tsy eto amin’izao tontolo izao ny fanjakany, koa miara-mivavaka isika androany mba samy ho vonona hihaona amin’Ilay Mpanjaka mandrankizay indray androa any. Tahaka ilay jiolahy nivalo ary dia hitalaho aminy ihany koa isika manao hoe : « Tompoko, tsarovy aho rahefa mby any amin’ny fanjakanao hianao ». Mitaky finoana sy ezaka lehibe avy amintsika tsirairay avy anefa izany koa aoka ary isika hanamafy sy hamelom-belona hatrany ny finoana izay noraisintsika tamin’ny Batemy, amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka sy mandray Sakramenta. Ny taonan’ny finoana no mifarana androany araka ny nandaminan’ny Fiangonana azy fa ny fiainana izany finoana izany dia mitohy hatrany ary tsy mifarana raha tsy efa tonga any amin’ny fanjakan’i Kristy Mpanjaka izay ankalazaina androany isika.

 

Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka
Vakiteny I : 2 Sam. 5:1-3,
Tononkira : Sal. 122:1-2,4-5,
Vakiteny II : Kol. 1:12-20,
Evanjely : Lk. 23:35-43,


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1002