Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?

Alahady 25 aogositra 2013

Alahady Faha – 21 tsotra Mandavan-taona

 

Mitohy hatrany ny teny fampieritreretana omen’i Jesoa amin’ny alalan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika isan’Alahady. Tamin’ny Alahady heriny dia niarahantsika nandinika ny tenin’i Jesoa manao hoe: « Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany aho, ka akory ity faniriako mba hirehetan’izany sahady!  » (Lk. 12: 49). Amin’izao Alahady Faha – 21 tsotra Mandavan-taona izao kosa dia atolotry ny Fiangonana antsika ny fampianarana nomen’i Jesoa mahakasika ny famonjena. Ambaran’ity Evanjely aroso antsika androany ity tokoa fa nitety ny tanàna sy ny vohitra Jesoa ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema. Tamin’izay indrindra no voalaza fa : « nisy olona anankiray nanontany azy hoe: Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy? » (Lk. 13: 23). Fanontaniana manitikitika ny maro io fanontaniana io na dia voalazan’ny Evanjely aza fa olona iray no nametraka izany fanontaniana izany tamin’i Jesoa. Mazava ho azy fa samy niandry izay havalin’i Jesoa ny rehetra ary samy nanongilan-tsofina ny amin’izay holazainy na ho eny na ho tsia no hambarany.

Tsy nanome izay valin-teny nandrasana taminy izay anefa i Jesoa, izany hoe, tsy niteny izy hoe ho maro na ho vitsy no ho voavonjy fa ny nambarany dia ny hoe : « Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka » (Lk. 13: 24). Tokony hampandinika antsika io valin-teny nambaran’i Jesoa io satria araka ny voalazany dia tsy misy afaka hilaza mialoha fa ho voavonjy na tsia. Tsy anjarantsika noho izany, ny mamaritra mialoha na mibaiko an’i Jesoa amin’izay tokony hataony antsika rehefa ho tonga ny andro fitsarana. Ny ambarany sy averimberiny amintsika dia ny tokony hiomanantsika amin’izany, ka raha tiantsika ny ho voavonjy dia tsimaintsy manaraka ny fampianarana omeny isika. Ny hany nambarany mazava tsara amin’ity Evanjely aroso antsika androny ity dia ny hoe: « hisy olona avy any atsinanana sy andrefana, ary avy any avaratra sy atsimo, hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra » (Lk. 13: 29).

Hitantsika amin’izao fa tsy manavakavaka Andriamanitra fa mandray ny olona rehetra na avy any atsinanana sy andrefana, na avy any avaratra sy atsimo saingy tsy ny olona rehetra fotsiny amin’izao fa izay rehetra manaraka ny teniny ka manantanteraka ny fampianarany manao hoe : « Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety. » Araka izany dia mila ezaka avy amintsika ihany koa ny fahazoana ny famonjena fa tsy ampy ny mino fotsiny ihany sy miandry izay fandaharan’Andriamanitra ho antsika. Marina fa be fitiavana sy be famindram-po Andriamanitra saingy hoy ny ohabolan-dRazantsika manano hoe : « Zanahary tsy mitahy mandry », ka izany indrindra no anasan’i Jesoa antsika hikely aina hiditra amin’ny varavarana ety, izany hoe, tsy hipetra-potsiny fa hiasa sy hiezaka araka izay azontsika atao mba hahazoana ny famonjena satria ny finoana dia tsimaintsy arahina asa mandrankariva.

Maro ny fomba azontsika atao mba hanatanterahana io fampianaran’i Jesoa io. Ny voalohany amin’izany dia ny fahazotoantsika mivavaka sy mandray sakramenta. Mila fandavan-tena tokoa izany ary azo lazaina fa tena varavarana ety tokoa ny famolahan-tena hamonjy fiangonana sy hivavaka Alahady indrindra amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Maro ireo fankam-panahy mety mitarika antsika tsy hanatona an’Andriamanitra ka azo lazaina fa tena amin’ny fotoana maha mety azy mihitsy ny nanoloran’ny Fiangonana ho antsika ity Evanjely androany ity. Varavarana ety anasan’i Jesoa antsika ihany koa ny fifankatiavana sy ny fahaizana mifamela heloka. Sarotra ny mitia marina tokoa ary sarotra tahaka izany ihany koa ny mamela ny hadisoan’ny namana saingy raha tiantsika ny hiditra amin’ny varavarana ety mitondra any amin’ny famonjena araka ny nambaran’i Jesoa dia tsimaintsy miezaka amin’izany isika. Matetika anefa dia fijaliana sy fahoriana no tsapa rehefa miezaka ny hiditra amin’izay varavarana ety araka ny nosoritan’i Jesoa izay isika. Indraindray aza dia mahakivy mihitsy satria arakaraka ny fiezahana ataontsika no vao maika ahatsapantsika izay fahoiriana sy fijaliana izay. Misy fotoana aza dia alaim-panahy mihitsy isika hanome tsiny an’Andriamanitra ka hihevitra azy ho manasazy antsika. Ny tokony ho tsapantsika anefa dia tsy mivadika Andriamanitra ary tsy manary fa tia antsika mandrankariva.

Na eo aza ny fahoriana sy ny fijaliana izay mety mianjady amintsika dia ny hahavonjy antsika no tanjon’Andriamanitra fa tsy sanatria hahatonga antsika ho very tsy akory. Izany no mahatonga ny Taratasy ho an’ny Hebrio izay vakiana amintsika androany hilaza mazava tsara fa: « Anaka, aza mba ketraka amin’ny fananarany anao; fa izay tian’ny Tompo no faiziny, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny. Fampianarana ho anareo ny fikapohany; fa toy ny zanaka no itondran’Andriamanitra anareo, ka iza no zanaka tsy faizin’ny rainy? Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. » (Heb. 12: 6 – 7, 11). Tia antsika zanany tokoa Andriamanitra ary tiany ho voavonjy isika fa tsy tiany ho very sanatria, koa miara-mivavaka isika androany mba tena ho vonona tokoa hanaraka ny fampianaran’i Jesoa hiditra amin’ny varavarana ety mba hahazo izany famonjena izany. Mety ho sarotra ho antsika ny fanantanterahana izany ka angatahanantsika ny Fanahy Masina Mpankahery hitari-dalana antsika amin’izany satria izy no hanoro antsika ny lala-marina mitondra any amin’ny famonjena sy ny fiadanana ka hahatonga antsika ho anisan’ireo olona avy any atsinanana sy andrefana, ary avy any avaratra sy atsimo, hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Vakiteny I : Iz. 66:18-21,
Tononkira : Sal. 117:1,2,
Vakiteny II : Heb. 12:5-7,11-13,
Evanjely : Lk. 13:22-30,

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011