Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao

Alakamisy 15 aogositra 2013
Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny Nampiakarina any an-danitra

Anio 15 Aogositra no fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny Nampiakarina any an-danitra. Fety mampiavaka antsika Katolika izy ity satria anajana manokana an’i Masina Maria Virijiny izay velona mandrakizay satria nampiakarin’i Jesoa vatana sy fanahy any an-danitra. Tsara ampahatsiahivina antsika fa ny nampiakarana an’i Masina Maria « vatana sy fanahy » any an-danitra dia foto-pinoana Katolika (Dogme) izay nanambaran’ny Papa Pio XII tamin’ny 1 novambra 1950. Io ilay foto-pinoana manamafy fa notorotoronina tsy azon-keloka i Masina Maria ka sitrak’i Jesoa handresy miaraka aminy, ka tsy foiny ho tra-pahalovana ao am-pasana fa nasandrany ho be voninahitra miaraka aminy any an-danitra.

Raha ny Baiboly aloha no vakiana dia mazava fa tsy voalaza ao mihitsy io fampiakarana an’i Masina Maria any an-danitra io saingy ny fampianaran’ny Fiangonana no milaza mazava tsara fa tena nampiankarina vatana sy fanahy any an-danitra tokoa i Masina Maria. Izany no ampianarin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika amintsika izay manazava amintsika fa: « ilay Virjiny madio tsy voakasi-pahotana, narovan’Andriamanitra mialoha tsy ho voan’ny fahotana tamin’ny fototra mihitsy, nony tapitra ny fiainany teto an- tany, dia nakarina vatana sy fanahy any amin’ny voninahitry ny lanitra, ary nasandratry ny Tompo ho Mpanjakavavin’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, mba hitovy tanteraka araka izany amin’ny Zanany, Tompon’ny tompo, mpandresy ny fahotana sy ny fahafatesana”. Ny Fampiakarana any an-danitra ny Virjiny Masina dia fandraisana anjara miavaka amin’ny Fitsanganan’ny Zanany ho velona sy fananganan-ko velona mialoha an’ireo kristianina hafa : Tao amin’ny fiterahanao dia voatahirinao ny maha-virjiny, tao amin’ny torimasom-pahafatesanao, tsy nandao an’izao tontolo izao ianao, ry Renin’Andriamanitra : nikambana tamin’ilay loharanon’Aina ianao, ianao izay niteraka an’ilay Andriamanitra velona ary, tamin’ny vavaka nataonao, no hanafahanao ny fanahinay amin’ny fahafatesana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 966).

Io fampianarana aroson’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io dia midika fa tena zava-nisy marina toka fa tsy zavatra noforonina akory ny nampiankarana vatana sy fanahy an’i Masina Maria any an-danitra. Ka na tsy voalaza ao amin’ny Baiboly aza izany dia maro ireo Tenin’Andrimanitra no manambara amintsika fa voantokan’Andriamanitra hatrany am-boalohany i Masina Maria mba ho reninin’i Jesoa Zananany, feno fahasoavana izy ary miavaka amin’ny vehivavy rehetra ka izany no tsy isalasalan’ny Fiangonana manambara mazava fa tena nampiakarina vatana sy fanahy any an-danitra tokoa i Masina Maria. Ny Evanjely izay aroso antsika androany dia manambara indrindra izay maha voantokana an’i Masina Maria izay ka nilazan’i Elizabeta rahavaviny fa tena nosoavina noho ny vehivavy rehetra tokoa izy. « Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? ». (Lk. 1: 41 – 43).

Io maha feno fahasoavana an’i Masina Maria io ary no anajantsika azy. Eto dia mazava ny fampianaran’ny Fiangoanana fa manaja an’i Masina Maria isika fa tsy mivavaka aminy, izany hoe, fanajana fa tsy fitsaohana akory no ataontsika azy araka ny voalaza ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika. « “Antsoin’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho” (Lk 1,48) : “Ny fitiavan-kanaja am-bavaka ataon’ny Fiangonana amin’ny Virjiny Masina, dia tafiditra ao anatin’ny fanompoam-pivavahana kristianina”. Ny Virjiny Masina dia “omen’ny Fiangonana voninahitra ara-drariny amin’ny alalan’ny fanajana am-bavaka manokana. Izany tokoa, fa efa hatramin’ny fahagolan-tany, ny Virjiny sambatra no nomem-boninahitra tamin’ny anarana hoe : “Renin’Andriamanitra” ; ny mpino dia mialoka eo ambany fiarovany, amin’ny fitalahoam-bonjy aminy amin’ny loza rehetra manjo azy ireo sy ny zavatra rehetra ilain’izy ireo (…). Io fanajana am-bavaka io (…) na dia mampiseho endrika tsy manam-paharoa tanteraka aza, (…) dia tsy misy itoviana mihitsy na kely aza amin’ny fivavahana fitsaohana atao amin’ny Teny tonga nofo ary koa amin’ny Ray sy amin’ny Fanahy Masina ; afaka manampy amin’ny fomba ambony dia ambony ny fitsaohana an’Andriamanitra ny fanajana am-bavaka an’i Maria” ; hita ny fampisehoana an’io fanajana io, ao amin’ireo fety litorzika natokana ho an’ny Renin’Andriamanitra sy ao amin’ny vavaka momba an’i Masina Maria toy ny Raozery Masina, izay “famintinana ny Evanjely manontolo” » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 971).

Mazava izany fa tsy mivavaka amin’i Masina Maria isika, araka ny fanenjehana ataon’ireo izay tsy mahalala akory ny fotom-pinoantsika. Tsy mivavaka sy mitsaoka azy tokoa isika fa miara-mivavaka aminy ary mangataka azy mba hitondra ny vavaka ataontsika any amin’i Jesoa Zanany satria ho antsika dia fakan-tahaka i Masina Maria satria izy no voalazan’ny fampianaran’ny Fiangonana fa ilay Mpivavaka lavorary. « I Maria no Mpivavaka lavorary, endriky ny Fiangonana. Rahefa mangataka aminy isika, dia mifikitra mafy miaraka aminy amin’ny fandaharan’ny Ray, izay naniraka ny Zanany mba hamonjy ny olombelona rehetra. Toy ilay mpianatra malala no andraisantsika ao amintsika ny Renin’i Jesoa, izay nanjary renin’ny velona rehetra. Afaka mivavaka miaraka aminy sy mangataka aminy isika. Ny vavak’i Maria izany no toy ny mitondra ny vavaky ny Fiangonana. Miray amin’i Maria ao amin’ny fanantenana, izany vavaky ny Fiangonana izany » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2679). Koa amin’izao fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny Nampiakarina any an-danitra izao ary dia miara-mivavaka aminy isika mba hanomezan’i Jesoa Zanany antsika ny fahasoavana rehetra ilaintsika isan’andro. Mino isika fa mipetraka eo akaikin’i Jesoa any an-danitra i Masina Maria ka afaka mitondra ny vavaka ataontsika ka italahoantsika manao hoe : « Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny ary amin’ny andro hahafatesanay. Amen »

Vakiteny I : Apok. 11:19,12:1-6,10,
Tononkira : Sal. 45:10,11,12,16,
Vakiteny II : 1. Kor 15:20-26,
Evanjely : Lk. 1:39-56,

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104