Iza moa ireo miakanjo fotsy ireo, ary avy aiza no nihaviany?

Zoma 01 novambra 2013
Fankalazana ny Olomasina rehetra

Isaky ny voalohan’ny volana Novambra dia mahazatra antsika isa-taona ny Fankalazana ny Olomasina rehetra. Raha jerentsika tsara ireo tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana dia hita fa tsy miova isa-taona fa mitovy hatrany. Midika izany fa avy amin’ireo Tenin’Andriamanitra ireo no ipoiran’ny Fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny Olomasina izay ankalazaina sy hajaintsika amin’izao Zoma 01 Novambra izao. Iarahantsika mahalala fa ny fetin’ny Olomasina rehetra no ankalazaina androany, izany hoe ireo olomasina mpiaro antsika tsirairay avy. Raha ny taona Litorjika no jerena dia samy manana ny datin’andro ankalazana ny fetiny ny Olomasina tsirairay, fa ity androany ity kosa dia ireo Olomasina rehetra efa sambatra any an-danitra no ankalazaintsika. Misy amin’izy ireo no voatondro ao amin’ny fandaharana Litorjika ary hitantsika amin’ny « calendrier », misy ireo voarakitra amin’ny boky samihafa mitantara ny Olomasina ary misy ireo izay tsy voasoratra na tsy fantatra tsotra izao saingy sambatra any an-danitra miara-monina amin’ny Olomasina rehetra ka izany no ankalazantsika azy ireo androany.

Maro no mety hanontany hoe : Iza marina moa ny Olomasina ? Ho antsika Katolika dia mety tsy dia mipetraka loatra izany fanontaniana izany saingy azo lazaina fa misy ireo izay tsy mitovy finoana amintsika no manontany antsika ny atao hoe Olomasina, indrindra ny antony ankalazana izao fety androany izao. Maro ny famaritana mety efa hitantsika, ary mety samy hanana ny filazany ihany koa ny tsirairay ny amin’ny fahazoany ny atao hoe Olomasina fa ny tena famaritana mazava dia ny hita ao amin’ny vakiteny voalohany izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany, izany hoe ny voalaza ao amin’ny Apokalipsa, na Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany. Ambaran’ity Tenin’Andriamanitra ity tokoa fa ny Olomasina dia ireo vahoaka be tsy azon’olona isaina, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry.

Raha vakiana manontolo ny famaritana hita amin’ity Tenin’Andriamanitra ity dia izao no voalazan’ny Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany : « Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia. Niantso tamin’ny feo mahery izy ireo nanao hoe: An’Andriamanitra izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, sy ny Zanak’ondry ny famonjena! Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana, nitsaoka an’Andriamanitra, nanao hoe: Amena! An’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery! Tamin’izay, ny iray tamin’ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no nihaviany? Dia hoy ny navaliko azy: Hianao no mahalala, Tompoko. Ary hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry » (Apok. 7: 9 – 14). Araka ity voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ity ary dia azo ambara tsy misy fisalasalana fa tena misy tokoa ny Olomasina, tsy anjely na zava-boary hafa anefa izy ireo fa tena olombelona niaina teto an-tany tahaka antsika izao. Olona avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra. Olombelona mpanota tahaka antsika rehetra ihany izy ireo saingy niezaka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry tamin’ny alalan’ny fanarahana didin’Andriamanitra ka tonga Olomasina.

Ny Olomasina rehetra izay ankalazaintsika androany izany dia tsy Andriamanitra, noho izany dia tsy mivavaka amin’izy ireo isika, fa mivavaka miaraka amin’izy ireo satria noho izy ireo voalazan’ny Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany fa mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, dia azo antoka fa mihaino ny vavaka ataon’izy ireo Andriamanitra ka izay no iarahantsika mivavaka amin’izy ireo mba horaisin’Andriamanitra ihany koa ny vavaka ataonatsika. Izany indrindra no fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny olomasina araka ny voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Ireo vavolombelona izay nialoha antsika any amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra, indrindra ireo izay ankatoavin’ny Fiangonana ho “olomasina”, dia mandray anjara amin’ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana, amin’ny alalan’ny oha-piainan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fampitana ny asa soratr’izy ireo ary amin’ny alalan’ny fivavahan’izy ireo ankehitriny. Mibanjina an’Andriamanitra izy ireo, midera Azy ary tsy mitsahatra mitahy an’ireo izay nilaozan’izy ireo tety an-tany. Tamin’ny nidirany tao anatin’ny hafalian’ ny Tompon’izy ireo, dia “natsangana ho mpanapaka ny be” izy ireo. Ny fanelanelanan’izy ireo no fanompoana ambony indrindra ataon’izy ireo amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Azontsika atao ary tokony hataontsika ny mangataka amin’izy ireo hivavaka ho antsika sy ho an’izao tontolo izao » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2683).

Fankalazana ny Olomasina rehetra
Vakiteny I : Apok. 7:2-4,9-14,
Vakiteny II : 1. Jo 3:1-3,
Evanjely : Mt. 5:1-12a,

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny finoantsika ny fahatsapana fa mivavaka ho antsika ny Olomasina rehetra, indrindra ireo nofidiantsika hiaro sy hivavaka ho antsika manonkana. Sady mpanelanelana ny vavaka ataontsika amin’Andriamanitra izy ireo no môdely ho antsika ihany koa tamin’ny oha-piainana izay nasehon’izy ireo teto an-tany. Izany no antony amporisihan’ny Fiangonana antsika hifidy anaran’Olomasina Mpiaro rehefa atao Batemy. Tsara ho marihina fa tsy voatery hifidy anaran’Olomasina isika rehefa atao Batemy ary tsy manery antsika amin’izany ihany koa ny Fiangonana saingy mila mitandrina ihany mba tsy hanome fanampin’anarana hafahafa ny maha-kristianina, araka ny voalazan’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika. « Omena “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28, 19) ny sakramentan’ny Batemy. Amin’ny Batemy, ny Anaran’ny Tompo no manamasina ny olona ary ao amin’ny Fiangonana no mandray ny anarany ny kristianina. Izany dia mety ho anaran’olomasina, izany hoe mpianatra iray izay niaina ny fiainana tsy mivadika nalaina tahaka tamin’ny Tompony. Ny fitondrany ny anaran’ny olomasina no manome môdelim- pitiavana sy miantoka amin’ny fanelanelanany. Ny “anarana amin’ny Batemy” dia mety maneho koa ny mistery kristianina na ny hatsaram- panahy kristianina. “Ny ray aman-dreny niteraka, ny mpiantoka ary ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy dia hitandrina mba tsy hanome fanampin’anarana hafahafa ny maha-kristianina » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2156).

Miaraka amin’ny Olomasina rehetra ary isika no mitodika sy mivavaka amin’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy masina amin’izao fankalazana ny Fetin’ny Olomasina rehetra izao. Enga anie izao fankalazana ataontsika androany izao hanampy antsika rehetra hahatsiaro fa tsy irery isika amin’ny vavaka ataontsika fa eo ireo Olomasina zokintsika izay mivavaka miaraka amintsika sy mivavaka ho antsika ihany koa, ka hanomezan’Andriamanitra izay fahasoavana ilaintsika sy angatahintsika mba hahatonga antsika ho tahaka ireo Olomasina ireo ihany koa indray andro any, ho mendrinka ny hitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry ary hitsaoka sy hidera ary hankalaza an’Andriamanitra, manao hoe: « Amena! An’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery » (Apok. 7: 12).

P. Louis Martin
Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841