Hianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

Alahady 15 desambra 2013
Alahady Fahatelo amin’ny Fiaviana (Taona A)

Ao anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny ny Noely isika izao, na any am-piangonana, na eny amin’ny toerana samy hafa eny dia saika ahitana taratra daholo izay fiomanana amin’ny Noely izay. Indraindray anefa toa ny fiomanana ivelany ihany no mahavariana ny ankamaroan’ny olona, koa tsy sasatra ny Fiangonana mampahatsiaro antsika fa ny fotoanan’ny Fiaviana dia natao indrindra hibebahana sy hanamafisana hatrany ny finoana an’Ilay Zanak’Andriamanitra nietry tena ho tonga anofo ka niara-nonina tamintsika olombelona mpanota. Ny maha zava-dehibe io fibebahana io tokoa no fampianarana niverimberina tamin’ireo Tenin’Andriamanitra izay naroso antsika nandritra izay Alahady roa voalohany amin’ny Fiaviana izay. Raha ny Tenin’Andriamanitra naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny no iverenana manonkana dia mazava ny toriteny nataon’i Joany Batista izay manasa ny olona rehetra hibebaka. Volazan’io Evanjely henontsika tamin’ny heriny io fa « tamin’izany andro izany dia niseho Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Izy no ilay voalazan’Izaia mpaminany hoe : Re ny feon’izay miantso any an’efitra hoe : Amboary ny làlan’ny Tompo, ahitsio ny alehany. » (Mt. 3: 1 – 3). Azo lazaina ary fa tena azontsika tsara tokoa izao fa, ny hanampy antsika hibebaka mba ho afaka handray an’i Jesoa tonga nofo amin’ny fo madio, no antony ankalazana isan-taona ny Fiaviana.

Efa fantan-tsika saingy hamafisina hatrany fa ny hanomana ny fahatongavan’ny Mpamonjy no nanirahan’Andriamaintra an’i Joany Batista. Izy no ilay Mpialoha lalana manomana ny olona rehetra ho vonona handray ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo. Maro tamin’ireo nihaino azy anefa no nihevitra fa izy mihitsy no Mpamonjy ka nambarany mazava tsara fa « tsy Kristy aho, fa nirahina hialoha azy. Izay manana ny ampakarina no mpampakatra ; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra ; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena » (Jo 3, 28 – 30). Noho izany rehefa avy nanasa antsika handini-tena sy hibebaka ny Fiangonana tao anatin’izay Alahady roa voalohany fankalazana ny Fiaviana izay dia mampahafantatra antsika kosa amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Fiaviana izao ny mombamomba an’i Joany Batista izay ambaran’i Jesoa amin’ny Evanjely androany fa mpaminany izay ambony noho ny mpaminany aza.

Raha ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany no dinihina lalina dia mampametra-panontaniana ihany ny antony nampisalasala an’i Joany Batista ka nahatonga azy haniraka roa lahy amin’ny mpianany hanontany raha i Jesoa tokoa no irak’Andriamanitra ho avy hamonjy izao tontolo izao. « Ary nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’ny Kristy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy hanao aminy hoe : Hianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika ? » (Mt. 11: 2 – 3). Raha ny marina dia tsy tonkony nametraka io fanontaniana io mihitsy i Joany Batista satria mbola tao ankibon’i Elisabeta reniny izy dia efa nahalala sahady fa tonga namangy azy ny Mpamonjy izay mbola notorontoronina tao ankibon’i Masina Maria. Tsy tezitra tamin’izany fanontaniana izany anefa i Jesoa ary tsy nanome tsiny an’i Joany Batista ihany koa satria araka ny voalaza amin’ity Evanjely ity dia tamim-pahatsorana tanteraka no namaliany ireto iraka ireto manao hoe : « Mandehana ka lazao amin’i Joany izao zavatra renareo sy hitanareo izao : mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely, ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko » (Mt. 11: 4 – 5).

Hitantsika araka io valin-teny nome’i Jesoa io fa tsy namaly mivantana izy hoe « Izaho no Ilay ho avy, ary tsy misy hafa andrasana intsony » fa ny asa anirahana ny Mpamonjy izay nataony no nentiny nanambara fa Izy tokoa no ilay Mpamonjy nampanantenan’Andriamanitra Ray ary nandrasana nandritra ny taona maro. Fantatr’i Jesoa tsara ny maha mpaminany an’i Joany Batista, izany hoe sady mahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra netin’ny mpaminany izy no mpitory ihany koa izany Tenin’Andriamanitra izany ka izay no nanomezan’i Jesoa io valin-teny io, izay tsy hafa ny efa voalazan’ Izaia mpaminany ary aroson’ny Fiangonana ho antsika ihany koa adroany manao hoe : « Hatanjaho ny tànana osa, herezo ny lohalika mangozohozo ! Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe : Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo ; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no ho avy, dia hamonjy anareo. Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina. Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an’efitra ; ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo » (Iz. 35: 3 – 6). Azo ambara ary fa tanteraka amin’ny asa nataon’i Jesoa tokoa io faminaniana avy amin’Izaia io ka izany no tsy nampisalasala azy ny hampitondra io hafatra io ho valin-teny homena an’i Joany Batista.

Amin’ny maha mpaminany an’i Joany Batista ary dia azo antoka fa afa-po izy ary nahalala tsara fa tena efa tonga tokoa i Kristy ka tsy misy hafa andrasana intsony. Araka ny voalaza amin’ity Evanjely androany ity moa dia i Jesoa mihitsy no nanambara io maha mpaminany an’i Joany Batista io satria « nony lasa ireo, dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka Jesoa, nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra ? Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va ? Sa hizaha inona no nalehanareo tany ? Lehilahy tsara fitafiana va ? Indro any amin’ny tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana. Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany ? Moa mpaminany va ? Eny ! hoy izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza, fa izy no ilay voasoratra hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko hialoha anao sy hamboatra ny làlanao. Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho Joany Batista ; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy » (Mt. 11: 7 – 11).

Mazava io fampianaran’i Jesoa io ka tsy misy isalasalana fa tena irak’Andriamanitra tokoa i Joany Batista hanomana ny fon’ny olona handray ny fahatongavan’ny Mpamonjy. Ambaran’i Jesoa fa « amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho Joany Batista ; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy ». Isika mpanara-dia an’i Jesoa no tiany hambara eto ka mitodika any aminy ary isika amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Fiaviana izao mba ho vonona lalandava handray azy. Efa tonga izy ary efa nampahafantarin’i Joany Batista antsika ka tsy misy hafa andrasana intsony. Miara-monina amintsika isan’andro i Jesoa indrindra rehefa mandray ny Vatany Masina ao amin’ny Eokaristia isika fa izao fiomanana amin’ny Noely izao dia fomba iray ampahatsiarovana antsika ny Mistery lehibe nanavontana antsika tamin’ny nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo ka niara-nonina tamintsika. Miara-mivavaka ary isika mba hihamafy hatrany ny finoantsika azy ka mba ho ny fiomanam-panahy no hataontsika loha-laharana amin’izao andro vitsivitsy mialoha ny Noely izao fa tsy ho variana loatra amin’ny fihetsiketsehana ety ivelany fotsiny ihany.

Vakiteny I : Iz. 35:1-6,10,

Tononkira : Sal. 146:7-10,
Vakiteny II : Jak. 5:7-10,
Evanjely : Mt. 11:2-11,

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01