Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako indrindra

 

 

Mankalaza ny nanaovana batemy an’i Jesoa isika androany. Ity no Alahady amaranana ny fankalazana ny Noely izay nibanjinantsika ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andrimanaitra ho nofo. Mifarana eto izany ny firesahana amin’ny fomba miavaka mahakasika ny fahazazan’i Jesoa ka anaingan’ny Fiangonana antsika handinika indray ny asa nanirahan’i Ray azy, dia ny famonjena antsika olombelona. Raha mijery ny Tety Andro momban’ny Litorjia tokoa isika dia mahita fa ny Alahady fankalazana ny Batemin’ny Tompo ihany no Alahady tsotra voalohany mandavantaona. Izao fankalazana ny Batemin’ny Tompo izao ary no iantsoan’ny Fiangonana antsika hahatsapa ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra Ray izay nandefa ny Zanany hamonjy antsika. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely androany ka ilazana amintsika fa taorian’ny batemin’i Jesoa dia nisy feo avy any andranitra nanao hoe: « Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako indrindra » (Lk. 3: 22).
Vakiteny I : Iz. 40:1-5,9-11,
Vakiteny II : Tit. 2:11-14,3:4-7,
Evanjely : Lk. 3:15-16,21-22,
Ity Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana amintsika androany ity ary no porofo manambara mazava fa tena Zanak’Andrimanitra tokoa i Jesoa ary nietry tena ka tonga olombelona tahaka antsika. Tsy tantara noforonina izany fa ireo nanatri-maso io batemin’i Jesoa io no vavolom-belona manambara izany ka anamafisana amintsika fa tsy minomino foana isika manara-dia an’i Kristy fa tena mino ary mandray Azy ho tena Andriamanitra sy tena olombelona araka ny Fiekempinoana ampianarin’ny Fiangonana antsika. Zava-dehibe ny nanaovana batemy an’i Jesoa satria io no marika fa nandray ny fahefana avy amin’ny Ray izy ary vonona ny hanatanteraka ny asa nanirahana azy. Raha amin’ny maha Andrimanitra azy dia tsy nilain’i Jesoa ny nataon’i Joany batemy ary izay aza no antony nandavan’i Joany hanao batemy azy araka ny voalaza ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio. « Ary tamin’izany dia tonga avy tany Galilea Jesoa ka nanatona an’i Joany teo amoron’i Jordany mba hataony batemy; fa nandà Joany nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batemy, ka hianao indray va no mankaty amiko? Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra. Dia nanaiky izy » (Mt. 3 : 13 – 15).
Ny antony nanaovana batemy an’i Jesoa izany dia mba hahafahany manatanteraka ny fahamarinana rehetra ka hahafantaran’ny olona miharihary fa izy no Kristy. Maro tokoa ireo olona nisalasala ny amin’i Joany ary nihevitra fa izy angaha no Kristy ka ity fotoana nanaovana bastemy an’i Jesoa ity no nisehoan’ny marina sy nanambarany mazava fa tsy izy no Kristy. « Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa Joany angaha no Kristy, dia niteny Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe: Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho: izy no hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo » (Lk. 3: 15 – 16). Azo ambara ary fa io nanaovan’i Joany batemy an’i Jesoa io no nampisava ny fisalasalana rehetra ka manomboka eto dia mifarana ny asa naniraha an’i Joany Mpialoha lalana ary manomboka kosa ny asa nanirahana an’i Jesoa dia ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany no nahatonga an’i Joany Batista hiteny hoe : « Ary hianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe: Tsy Kristy aho, fa nirahina hialoha azy. Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena. » (Jn. 3 : 28 – 30)
Fotoan-dehibe ho antsika tokoa ity Alahady ankalazana ny Batemin’ny Tompo ity satria mampahatsiaro ihany koa ny lanjan’ny Sakramentan’ny Batemy izay raisintsika. Io Sakramenta io tokoa no toy ny vavahady misokatra ho an’ny Sakramenta hafa rehetra ka araha tsy vita batemy ny olona iray dia tsy afaka hatsoina hoe Kristianina ary tsy afaka handray ny Sakramenta enina hafa. Zava-dehibe ny firosoana amin’io Sakramenta io satria tamin’ny nanaovana batemy Azy no nanambaran’Andriamanitra fa Zanany i Jesoa, isika koa dia tonga zanak’Andrimanitra ary mpiara-mandova amin’i Jesoa rehefa atao Batemy. Izany indrindra no nambaran’i Md Paoly ho an’i Tito amin’ny Vakiteny faharoa androany. « Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; izy no namonjy antsika tamin’ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika; mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay » (Tt. 3 : 4 – 7). Miara-mivavaka ary isika mba tena hivelona tokoa izay Sakramentan’ny Batemy noraisintsika izay ka ho vonona mandrakariva hanohy ny asa natombok’i Jesoa teto an-tany dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny seha-piainana misy antsika tsirairay avy.
 
 
 
P. Louis Martin
Assomptionniste
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1499