Hanaraka anao aho, na aiza na aiza halehanao

Alahady 30 jona 2013
Alahady Faha – 13 tsotra Mandavan-taona

Mitohy hatrany ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely mitantara ny fanantanterahan’i Jesoa ny iraka nanirahan’ny Ray azy. Raha ny Evanjely izay aroso antsika androany no jerena dia hita fa misy fizarany roa miavaka tsara. Ny fizarana voalohany dia mitantara fa tapa-kevitra hiakatra any Jerosalema i Jesoa ka nandefa iraka hialoha lalana azy. « Ary nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana azy, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema izy, ka nandefa iraka nialoha azy » (Lk. 9: 51 – 52). Teny andalana ho any Jerosalema anefa dia tsy nisy nandray i Jesoa sy ny mpianatra satria noheverin’ny olona fa mpandalo fotsiny ihany izy ireo ka tsy nisy niraharaha. « Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritana, mba hanomana ny fandraisana azy; fa tsy nisy nandray azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny azy » (Lk. 9: 52 – 53). Nony nahita izany ny mpianatra dia tezitra mafy ary niangavy an’i Jesoa mihintsy mba handatsaka afo avy any an-danitra handevona izany tanana izany. « Nony nahita izany Jakoba sy Joany mpianany dia nanao hoe: Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy? » (Lk. 9: 54). Tsy nanaiky izany anefa i Jesoa fa nananatra mafy azy ireo ary niteny hoe : « Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy. Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo. » (Lk. 9: 56).

Tena mifanohitra amin’ny fihevitr’olombelona tokoa ny fihevitr’Andriamanitra, ary ity nataon’i Jesoa ity dia mampiseho miharihary fa tonga hamonjy ny olona rehetra tokoa izy, eny fa na ireo izay heverina fa ho fahavalo aza. Tena fampianarana lehibe ho antsika ity nataon’i Jesoa ity satria raha ny toetra maha olombelona dia hamaly faty no tonga ao an-tsaina voalohany indrindra. Izay toetra maha olombelona izay no tao amin’ny mpianatra ka ny fampiasan-kery handringanana ity tanana ity no tonga tao an-tsain’izy ireo. Zavatra fahita matetika eny anivon’ny fiarahamonina misy antsika eny ny tahaka ity niseho tamin’i Jesoa sy ny mpianatra ity. Matetika dia maro no alaim-panahy hampiasa hery amin’ny hafa rehefa tsy mahazo fahafaham-po amin’izay zavatra irina sy tadiavina. Mananatra antsika i Jesoa eto mba hahay handefitra sy tsy hamaly faty fa ho tia ny fahavalo. Tsy mora ny miaina izany nefa tena azo atao tokoa ary azo andramana tsara. Koa raha sendra misy zavatra irinao na tadiavinao amin’ny hafa nefa tsy nahazo valiny mahafa-po, na mety nahazo teny maharary mihitsy aza izanao ; dia andramo ny misaotra azy sy manao soa azy na miala amim-pitiavana fa tsy migidragidra na manangana ady aminy, tahaka ny nataon’i Jesoa tsy nanisy ratsy ireto olona tsy nety nandray azy ireto fa niala moramora avy hatrany ary nankany amin’ny vohitra hafa.

Ny fizarana faharoa amin’ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana amintsika androany ity dia mitantara indrindra ny tokony hatao amin’ny famaliana ny antson’Andriamanitra izay miatefa amin’ny tsirairay. Misy karazan’olona telo samihafa ambaran’ity Evanjely ity. Ny voalohany dia ilay olona nanantona an’i Jesoa ary niangavy taminy mba horaisina ho anisan’ny mpianatra ary nanome toky sy nilokaloka fa hanaraka azy na aiza na aiza halehany. « Raha mbola teny an-dàlana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: Hanaraka anao aho, na aiza na aiza halehanao » (Lk. 9: 57). Faniriana ihany anefa ny an’ity olona iray ity satria mazava ny valin-teny nomen’i Jesoa azy araka ny ambaran’ity Evanjely ity manao hoe : « fa hoy Jeso taminy: Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany » (Lk. 9: 58). Araka ity valin-teny nomen’i Jesoa ity dia tsapa avy hatrany fa tsy isika no manam-paniriana hanara-dia an’i Jesoa fa izy no miantso sy maniraka. Midika izany fa miakina be dia be amin’ny fahasoavana avy amin’i Jesoa ny famaliana ny antsony ka tsy misy afaka mihevi-tena hoe manolo-tena aminy fa izy no manome izay toro-lalana hizorantsika amin’izay famaliana ny antsony izay.

Araka izany, ny famaliana ny antson’i Jesoa dia tsy misy fepetra na ady varotra fa rehefa miantso izy dia miantso ary tsy misy andraso andraso. Izany indrindra no ambaran’ny fiantsoany ilay olona iray izay niala tsiny ka niangavy taminy fa mbola handeha handevina ny rainy aloha. « Ary hoy izy tamin’ny anankiray hafa: Manaraha ahy. Dia izao no navalin’io: Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho. Fa hoy Jeso taminy : Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa hianao kosa mandehana mitory ny fanjakan’Andriamanitra » (Lk. 9: 59 - 60). Tahaka antsika Malagasy dia anisan’ny tena manome lanja ny fanajana ny maty ny vahoaka Jody. Tena zava-dehibe eo anivon’ny fiarahamonina ny fandevenana ny havana maty, indrindra ny Ray aman-dReny niteraka. Saingy ambaran’i Jesoa eto fa mbola saro-bidy lavitra noho ny fanajana ny fomban-drazana ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra.

Raha jerena amin’ny maha olombelona dia tena mafy tokoa izany tsy afaka mandevina Ray aman-dReny izany nefa manoloana ny famaliana ny antson’i Jesoa dia zava-poana izany. Eto ary no anasan’i Jesoa antsika mba tena hanana fahavononana tanteraka amin’ny famaliana ny antsony na dia ao anatin’ny fotoana sarotra indrindra aza. Mbola mitovy amin’izany ihany koa ny voalaza amin’ity Evanjely ity mahakasika ny antso fahatelo dia ny amin’ilay nilaza fa hanara-dia an’i Jesoa saingy mbola handeha hanao veloma ny any an-trano aloha. « Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: Hanaraka anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho. Fa hoy Jeso taminy: Rahefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan’Andriamanitra » (Lk. 9: 61 – 62).

Mila fahavononana tanteraka ny fanarahan-dia an’i Jesoa ka na amin’ny mora na amin’ny sarotra dia tokony hotsaroantsika mandrakariva fa tsy misy afaka mangataka andro amin’ny famaliana izany antso izany. Mety mieritreritra indray isika eto fa natao ho an’ireo izay mamaly ny antso amin’ny lalana maha Pretra na Relijiozy izany. Aoka ho tsaroantsika mandrakariva anefa fa natao ho an’ny vita Batemy rehetra ny famaliana ny antson’i Jesoa. Araka izany dia isika vita Batemy rehetra mihitsy no antsoin’i Jesoa ho vonona mandrankariva amin’ny famaliana ny antsony. Mety amin’ny fomba maro samy hafa tsy ampoizintsika izany satria tsy ny maha Pretra na ny maha Relijiozy ihany no lalana amaliana ny antson’i Jesoa fa ny seham-piainana misy antsika rehetra eo anivon’ny Fiangonana. Tsara hamafisina ary fa tsy isika no mifidy izay lalana tiantsika hizorana fa i Jesoa mihitsy no miantso antsika. Indraindray isika alaim-panahy hanao izay metimety amintsika nefa tsy mifanaraka amin’ny hevitr’i Jesoa izany. Koa miara-mivavaka isika androany mba tena hanolo-tena tanteraka amin’i Jesoa tokoa amin’ny seham-piainana misy antsika tsirairay avy ka na eo aza ny zava-tsarotra mety sedraintsika amin’ny famaliana izay antso izay dia tokony hatoky mandrakariva azy isika satria tsy isika no nifidy ho mpianany fa izy no niantso antsika sy maniraka antsika fa ny anjarantsika dia ny manantanteraka izany amim-pitiavana sy amim-pahavononana tanteraka.

 

Vakiteny I : 1 Mpan. 19:16-21,
Vakiteny II : Ga. 5:1,13-18,
Evanjely : Lk. 9:51-62,


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138