Fiadanana no avelako aminareo, fiadanako no omeko anareo

 

Alahady 05 mey 2013
Alahady Fahaenina amin’ny Paka

 

Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny fankalazana ny Paka isika. Ireto vakiteny aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ireto, indrindra ny Evanjely no ahitantsika taratra fa manomana ny fon’ny mpianatra i Jesoa mialoha ny handehanany any amin’ny Ray. Midika izany fa miomana tsikelikely amin’ny fankalazana ny Pantekôty isika. Amin’izao Alahady Fahaenina amin’ny Paka izao ary dia manasa antsika ny Fiangonana handinika ny resaka nifanaovan’i Jesoa sy ny mpianatra mialohan’ny nijaliany. Nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianatra mazava tsara ary fa tsy hiara-monina amin’izy ireo intsony Izy rehefa afaka fotoana fohy satria fantany tsara ny hanjo azy. Izany indrindra no no nahatonga azy hiteny tamin’ny mpiantra manao hoe : « Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha aho, nefa mbola hiverina ho atý aminareo. Raha tia ahy hianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho izaho ny Ray » (Jo. 14 : 28).

 

Vakiteny I : Asa. 15:1-2,22-29,
Tononkira : Sal. 67:2-3,5,6,8,
Vakiteny II : Apok. 21:10-14,22-23,
Evanjely : Jo. 14:23-29,

 Raha amin’ny maha olombelona dia sarotra ary mampalahelo tokoa ny fisarahana, indindra ny fisarahana vokatry ny fahafatesana. Amin’i Jesoa anefa dia voalazany eto fa tokony ho faly ny mpianatra amin’izao fandehanany izao. Marina izany satria na eo aza izay fisarahana izay dia tsy hamela ireo mpianatra ireo ho irery i Jesoa fa nampanantena azy ireo fa mbola hiverina. « Handeha aho, nefa mbola hiverina ho atý aminareo » hoy izy. Sarotra tamin’ny mpianatra anefa ny nahazo ny tena tian’i Jesoa hambara ka nahatonga azy hilaza, mialohan’ny nanambarany io fandehanany io, fa handefa ny Fanahy Masina mba hanazava ny sain’izy ireo. « Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo » (Jo. 14 : 25 - 26). Io fandefasan’i Jesoa ny Fanahy Masina amin’ny mpianatra io ary no iomanantsika dieny izao satria rehefa nidina tamin’ny Mpianatra tokoa ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Pantekôty dia nazava tokoa ny sain’izy ireo ary nitory tsy amin-tahotra sy an-kasahiana fa i Jesoa tokoa no Zanak’Andriamanitra tonga tety an-tany hamonjy ny olombelona rehetra.

Voalazan’i Jesoa eto fa io Fanahy Masina io no mpanafaka alahelo ka izay no tokony hifalian’ny mpianatra amin’ny fandehanany hiverina any amin’i Ray izay naniraka azy. Tsy vitan’ny nampanantena ny Fanahy Mpanafaka alahelo fotsiny anefa i Jesoa fa nilaza tamin’ny mpianatra ihany koa nanao hoe : « Fiadanana no avelako aminareo, fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. » (Jo. 14 : 27). Teny fankaherezana no omen’i Jesoa eto satria ambarany fa « aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo ». Teny fankaherezana omena antsika ihany koa io tenin’i Jesoa tamin’ny mpiantra io. Matetika isika no mitebiteby, matahotra, malahelo ary milofika mihitsy rehefa misedra fisarahana sy mieritreritra ny fahafatesana. Mazava anefa ny tenin’i Jesoa fa tsy tokony hampatahotra na hampitebiteby ny fiatrehana ny fisarahana satria izy no efa niteny hoe : « Fiadanana no avelako aminareo, fiadanako no omeko anareo ».

Tokony hodinihintsika lalina anefa ny tena hevitry ny fiadanana ambaran’i Jesoa eto. Voalazany mantsy fa fiadanana tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeny fa ny tena fiadanana marina. Ho antsika mantsy ny atao hoe fiadanana dia rehefa tsy misy zavatra manahirana, rehefa tsy misy ady sy fifandirana ary rehefa tsy misy manelingelina na manana ny ampy sy izay ilaina rehetra. Marina fa miadana tokoa isika rehefa manana ireo rehetra ireo saingy tsy ampy izay satria inona tokoa moa no fiadanana ho azontsika raha toa ka manana ny ampy isika ary tsy misy mpanelingelina nefa ny fontsika feno fankahalana sy fialonana, feno lainga sy fitaka ary fitiavan-tena ? Ny tena fiadananana marina dia ny fitandremana ny didim-pitiavana dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely aroso antsika androany ity fa « raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka hotian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy ahy, fa an’ny Ray izay naniraka ahy » (Jo. 14 : 23 - 24). Ny tena fiadanana izany dia ny fitandremana ny tenin’Andriamanitra ka ilazan’i Jesoa fa izay mitandrina ny teniny no honenany. Mazava fa ny tena fiadanana izany dia fitiavana, fiadanam-po, fandriampahalemana ary fihavanana marina amin’Andriamanitra sy ny mpiara-belona.

Tiako hamafisina ihany koa fa amin’ny fiteny Malagasy ny teny hoe « Paix » dia mahafehy zavatra maro. Amin’ity Evanjely ity izy dia adika hoe « Fiadanana », fa ao amin’ny  Katesizin’ny Fiangonana Katolika kosa izy dia adika hoe « Fandriampahalemana ». Voalaza ao amin’io fampianaran’ny Fiangonana io ary fa « mila fandriampahalemana ny fanajana sy ny fandrosoan’ny fiainan’ny olombelona. Ny fandriampahalemana dia tsy midika hoe tsy fisian’ny ady fotsiny, ary tsy voafetra amin’ny hoe fiorenan’ny fifandanjan-kerin’ny mpifanohitra. Tsy hanjaka ny fandriampahalemana eto ambonin’ny tany raha tsy misy ny fiarovana ny fananan’olona, ny fifandraisana malalaka eo amin’ny samy olombelona, ny fanajana ny fahamendrehan’ny olona sy ny firenena, ny fiainana mitandro hatrany ny fihavanana. “Fahatonian’ny filaminana” izy ; tsanganasan’ny fahamarinana (Iz 32,17) ary vokatry ny fitiavana. (Jereo ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha 2304). Mazava dia mazava io fampianarana aroson’ny Fiangonana amintsika io, ka amin’izao fotoana itadiavana ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny Fampihavanana tarihin’ny FFKM eto Madagasikara izao dia miara-mivavaka isika mba tena hisy fandriampahalemana sy fiadanana marina eto amin’ny firenentsika. Fantantsika tsara ny savorovoro ateraky ny resaka Politika ka manana adidy isika hangataka amin’i Jesoa mba hanomezany ny fiadananana ho an’ny firenentsika, izy no efa niteny hoe « Fiadanana no avelako aminareo, fiadanako no omeko anareo » koa enga anie hirotsaka amintsika tsirairay avy tokoa izay fiadanana avy amin’i Jesoa izay.


 

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0687