Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao

Alarobia 25 desambra 2013
Fankalazana ny Noely, Fahaterahan’ny Tompo

« Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana etý an-tany ho amin’ny olona tsara sitra-po », izany no fiderana an’Andriamanitra nataon’ireo Anjely antokon’ny tafika any an-danitra tamin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy tao Betlehema. Izany ihany koa no fiderana ataontsika amin’izao fankalazana ny Noely, Fahaterahan’ny Tompo izao. Andro lehibe ho antsika tokoa ity anio ity satria ilay Zanak’Andriamanitra efa nisy talohan’ny taona rehetra no nietry tena ka nanaiky ho tonga nofo ary niara-nonina tamintsika olombelona mpanota mba ho fanavotana antsika. Io zanak’Andriamanitra tonga olombelona io no ilay Teny tonga nofo ka nonina taty amintsika araka ny voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Sorona antoandro fankalazana manetriketrika ny nahaterahan’ny Mpamonjy izao. Tsara homarihina aloha fa ny Tenin’Andriamanitra voatondro ho an’ny fankalazana ny Sorona antoandro no ifampizaran-tsika eto satria ny fankalazana ny Noely dia manomboka amin’ny andro mialoha (hariva) araka ny fandaharana litorjika. Mitohy amin’ny Sorona misasaka alina sy maraina ary antoandro izany fankalazana izany ka Tenin’Andriamanitra maromaro no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika amin’ireo fankalazana samihafa ireo mba hanampy antsika hahalala mazava tsara ny Misterin’ny Fahatongana ho nofo izay nanoloran’i Jesoa ny tenany ho tonga olombelona tahaka antsika na dia iray fomba amin’Andriamanitra Ray aza izy.

Tsara homarihina ihany koa fa mitovy daholo ny Tenin’Andriamanitra vakiana amintsika isan-taona amin’ny fankalazana ny Noely fa tsy voazarazara ho an’ny Taona A sy B ary D toy ny mahazatra antsika. Noho izany dia ny Evanjely efa naroso teto tamin’ny taona lasa ihany no hifampizaran-tsika androany ary mbola hifampizarana hatrany mandritra ny taona maro mifandimby. Midika izany fa tsy lany hamamiana ny Tenin’Andriamanitra ary manome hery vaovao ho antsika hatrany isaky ny mihaino azy isika. Ny Evanjely nosoratan’i Md Joany moa no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika amin’izao Sorona antoandro fankalazana ny Noely izao ka araka ny efa voalaza ombieny ombeny dia miavaka kokoa ity Evanjely ity raha miohatra amin’ireo Evanjely hafa satria i Md Joany dia tsy miresaka amintsika mikasika ny zava-niseho marina tamin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy izay ambaran’ireo Evanjely hafa toy ny hita ao amin’ny Md Matio, indrindra ny ao amin’ny Md Lioka izay mitantara mazava tsara ny zava-niseho tamin’iny alina nahaterahan’i Jesoa iny.

Araka izany, ary efa nambarantsika tamin’ny taona lasa fa ity Evanjely nosoratan’i Md Joany izay aroson’ny Fiangonana androany ity dia tsy mitantara amintsika ny zava-niseho tany Betlehema tamin’ny nahaterahan’i Jesoa fa manome antsika kosa fampianarana sy fandalinam-pinoana mahakasika an’i Jesoa Zanak’Andrimanaitra izay Teny tonga nofo, ka nonina taty amintsika ary Fahazavana tonga hanilo antsika olombelona izay miaina ao anatin’ny aizina. « Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany izy. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona. Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina » (Jo. 1: 1 – 5). Ambaran’ity Evanjely ity fa i Jesoa tokoa no ilay Teny tonga nofo, Izy no ilay Fahazavana tonga mba hanafaka ny olona hiala tao anatin’ny haizin’ny fahotana saingy araka ny voalazan’i Md Joany dia tsy nandray izany fahazavana izany ny olona. « Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao. Teo amin’izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. Tonga tao amin’ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy » (Jo. 1: 9 – 11).

Fampieritreretana ho antsika ity Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Evanjely androany ity. Iza tokoa moa no olona tsy hanaiky handray ny fahazavana raha sendra miaina ao anatin’ny haizina? Eto anefa dia i Jesoa tonga nofo mihitsy no Fahazavana manilo ny fiainan’ny zanak’olombelona mitoetra ao anatin’ny haizin’ny fahotana ka izay mandray io Fahazavana io dia ho lasa zanak’Andriamanitra ihany koa araka ny voalazan’ity Evanjely ity hantrany. « Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon’ny nofo, na ny sitra-pon’ny olona ireo, fa naterak’Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika ; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy » (Jo. 1: 12 – 14). Araka izany dia azo lazaina fa isika izay mino ny anarany no voalaza eto fa nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra satria efa natsangan’Andrimanitra ho zanaka mpandova ary mpiray lova amin’i Kristy tamin’ny Batemy noraisintsika.

Tsy azo lavina fa mbola maro no miaina ao anatin’ny haizina ka tsy mandray an’i Jesoa Fahazavana. Eny fa na isika vita Batemy aza dia mbola anjakan’ny haizin’ny fahotana koa miara-mivavaka isika amin’izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan’ny Mpamonjy izao mba hanazavany mandrankariva ny fiainantsika zanak’olombelona. Mbola manjaka ny haizin’ny fitiavan-tena sy ny fifankahalana, mbola tsy afaka ny haizin’ny risoriso sy ny fifanambakana, mbola eo ny haizin’ny fitiavan-karena sy fitiavam-boninahitra ka anaovana tsinontsinona ny mahantra sy ny fadiranovana. Indrindra indrindra, mbola eo ihany koa ny haizin’ny tsy fahampian’ny finoana na finoanoam-poana ka mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy hivavaka fa lasa variana amin’ny zavatra hafa. Mbola manjaka ny haizin’ny tahotra sy ny fisalasalana mbamin’ny haizina maro tsy ho voatanisa eto daholo.

Ho antsika eto Madagasikara manonkana dia tena hita mibaribary ankehitriny ny haizin’ny ady seza sy ny fitiavam-pahaefana ka mahatonga ny firenena ho latsaka ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka. Fotoana fandinihan-tena izao fankalazana ny Noely izao koa mangataka ilay tena Fahazavana marina isika, dia i Jesoa tonga nofo mba hitari-dalana antsika ho afaka tao anatin’ireo haizina samihafa ireo. Mila ny ezaka avy amintsika ihany koa anefa izany, mitalaho ny fanilovan’ny Fanahy Masina ary isika mba ho tonga fahazavana ihany koa amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika. Eto ampamaranana ary dia amin-kafaliana lehibe no ifanolorantsika ny firarian-tsoa amin’izao Noely izao. Enga anie i Jesoa ilay Fahazavana tonga hanilo ny fiainantsika hanome hery antsika hatrany mba hahafahantsika mijoro ho vavolom-belon’ny fahazavana eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy.

Fankalazana ny Noely, Fahaterahan'ny Tompo
Vakiteny I : Iz. 52:7-10,
Vakiteny II : Heb. 1:1-6,
Evanjely : Jo. 1:1-18,
 

P. Louis Martin
Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0889