Fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa

Alahady 11 aogositra 2013

Alahady Faha – 19 tsotra Mandavan-taona

 

Mitohy hatrany ny fampianarana omen’i Jesoa antsika mahakasika ny tokony hifinkirana amin’Andriamanitra fa tsy amin’ny harena mandalo eto an-tany. Voalazantsika teto tamin’ny Alahady heriny ny tantran’ilay lehilahy iray izay niangavy an’i Jesoa nanao hoe: « Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko » (Lk. 12: 13), saingy novalian’i Jesoa hoe : « Ralehilahy ô, iza moa no nanendry ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo? » (Lk. 12: 14). Io valin-teny nomen’i Jesoa io no nahatonga azy hiteny tamin’ny olona: manao hoe: « Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana hianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany » (Lk. 12: 15). Tohin’io fampianarana io no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana amintsika androany ka ilazan’i Jesoa amintsika fa zava-poana ny harena eto antany ka tokony hanomana rakitra any an-danitra isika. Hoy indrindra i Jesoa : « Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa » (Lk. 12: 33 – 34).

Raha amin’ny maha olombelona dia tsapa fa mafy ary sarotra ny hanatanterahana ity teny nataon’i Jesoa amin’ny Evanjely androany ity. Fa amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika dia azo tanterahina tsara izany. Mazava ny tenin’i Jesoa eto fa ny vola aman-karena dia ho levona daholo satria zava-boary ihany ireny koa ny anasany antsika dia ny hanomana rakitra any an-danitra izay maharitra mandrakizay ary tsy mety levona. Maro ny fomba azontsika atao anomanana izay rakitra any an-danitra izay, anisan’izany ny fanaovana fiantrana sy asa fitiava-namana. Ny fananana faharetana sy fahazotoana mivavaka anefa no ambonin’ireo rehetra ireo satria tsy ampy ny manao asa fiantrana fotsiny ihany fa ilaina dia ilaina ny fanaovana izany amim-pinoana ao anatin’ny vavaka sy fiderana an’Andriamanitra. Io fampifanarahana ny vavaka sy ny asa fiantrana io no mampiavaka antsika vita batemy satria maro ireo olona manao asa fiantrana saingy tsy noho ny maha Kristianina azy fa noho ny fahatsapany fa mila famonjena tsotra izao ny mpiara-belona aminy.

Io maha zava-dehibe ny vavaka io no tian’i Jesoa hambara amin’ny filazany fa tsimaintsy vonona mandrankariva isika satria tsy fantantsika na ny andro na ny ora hiavian’ny Zanak’olona. Ambaran’ny Evanjely izay aroso antsika ndroany tokoa ny filazan’i Jesoa fa : « Aoka ho voahetra ny valahanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona izay miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy amin’ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratran’ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hihavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna. Koa mivonòna koa hianareo, fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’olona » (Lk. 12: 35 – 40). Araka io tenin’i Jesoa io dia manentana antsika izy mba haharitra mivavaka sy hiandry ny fiaviany ao anatin’ny fahavononana sy fitoniana tanteraka. Ny fahazotoantsika mivavaka sy mandray ny sakramenta, indrindra ny Eokaristia sy ny Fampihavanana no fomba mahomby indrindra hanatanterahana izany fiandrasana amim-pitoniana ny fiavian’ny Zanak’olona izany.

Ambaran’ity Evanjely androny ity ihany koa ny fanontaniana nataon’i Piera tamin’i Jesoa manao hoe : « Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an'ny olona rehetra koa? » (Lk. 12: 41). Tsy namaly mivantana izany fanontaniana izany anefa i Jesoa fa fanoharana no nataony taminy ka nilazany hoe : « Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: Ela vao ho avy ny tompoko, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa » (Lk. 12: 42 – 48).

Teny fampieritreretana ho an’ny mpianatra no nataon’i Jesoa satria izy ireo no notendreny ho mpitandrina ny fananany. Izany hoe ireo mpianatra ireo no iraka nalefan’i Jesoa tahaka ny mpiandry ondry eo anivon’ny amboa dia ka tsimaintsy nantanteraka izany iraka izany araka izay nanirahana azy ireo. Tahaka izany ihany koa ireo izay nantsoiny manonkana ka manana adidy hitandrina ny vahoakan’Andriamanitra. Ny Eveka, ny Pretra ary ny mpanao raharaha masina rehetra sy ireo tompon’andraikitra samihafa ao amin’ny Fiangonana no tiana hambara eto. Manana adidy lehibe isika amin’ny fanantanterahana izay iraka ampanaovin’i Jesoa antsika izay, satria isika no voalazan’i Jesoa fa mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendreny hifehy ny mpanompony ka tsimaintsy manatanteraka izany adidy izany aka izay nanendreny antsika. Mitaky fahavononana lehibe izany satria tena miatefa amintsika ny filazan’i Jesoa manao hoe: « Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa » (Lk. 12: 47 – 48). Miara-miavavaka ary isika androany mba samy ho vonona tokoa amin’ny fiandrasana ny fiavian’ny Zanak’olona. Tsy ny mpitarika ihany fa isika vita batemy rehetra satria isika no samy mahazo ny antson’i Jesoa manao hoe: « Koa mivonòna koa hianareo, fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’olona » (Lk. 12: 40).

 

Vakiteny I : Fah. 18:6-9,
Vakiteny II : Heb. 11:1-2,8-19,
Evanjely : Lk. 12:32-48,

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hevitra mandeha

zemjos ( 11/08/2013 05:52)
Misaotra betsaka Mompera ny amin'ny fanazavana ,
Saingy eto amin'ny internet eto mantsy ianareo dia sahy manambara bebe kokoa ny marina tsara, fa rehefa any am-piangonana kosa dia toa zara raha safosafo ihany ny famoaboasana ny Evanjely, toa tsy sahy manintsy marina ianareo fa toa miahotra. tsy haiko izay antony?
Satria raha io Evanjely androany io no tena hiainana sy voasana tsara ny hevi-dehibeny dia tsotra tokoa raha amiko satria :
Ny mpanankarena dia matahotra mafy ny hareny sao ho very.
Ny mpanankarena dia tsy mahafoy be hoan'ny mahantra noho ireo sahirana kokoa
Ny mpanankarena dia manao asa fiatsaram-belatsihy fotsiny ho anareo Mpisorona mba hanam-penam-bava anareo Pretra sy Relijiozy... amin'izay ratsy hataony sy nataony.

Ka noho ireo asa fihatsaram-belatsihy ataony ireo dia manaiky sy tsy mba miteny azy ireo akory ianareo Pretra izay Mpitandrim-pananan'i Jesoa;
Satria iray tsikombakomba aminy ianareo ka matahotra ny hiteny azy ary sao mifototra aminareo koa izany teninareo izany.
Misaotra indrindra, amin' ny fandraisana ity hevitra kely izay arosoko ity, koa enga anie ho samy tahian'ilay Ray Zanaka Fanahy Masina avokoa isika rehetra ka hanavao isan'andro toe-po amam-pitiavana asehontsika amin'ny Kristianina sy ny mpiara-belona rehetra manodidina antsika.
admin ( 11/08/2013 06:57)
Sao dia mba fitsaràna ambony ihany izany? :-)

Satria iray tsikombakomba aminy ianareo ka matahotra ny hiteny azy ary sao mifototra aminareo koa izany teninareo izany.


Fantatrao daholo ve ny pretra sy relijiozy? sa firy isanjato no fantatrao? dia firy isanjatony amin'ireo fantatrao ireo no hoe miray tsikombakomba? sns

Toa bambaray be mantsy ilay hoe "iray tsikombakomba aminy ianareo"
zemjos ( 02/09/2013 19:20)
Non kah tsy hoe ny Pretra rehetra anie fa ny ankabeazany fantatro aloha é.
fa tsy hanenjika Pretra sanatria no hitenenako fa mba mampatsiahy anareo Pretra izay Mpiandry ny Ondrin'i Jesoa Kristy fa sao dia Ianareo indray amin'izao no hambenan'ny Ondry ka mifanohitra ami'ny service sy ny contrat izay efa nifanekenareo taminy koa! Merci , dia manantena anao hifampizara hatrany ny soa sy ny tsara ary mirary fiadanana feno hoanao mpikarakara ny zavatra tsara toy izao.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183