Fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka

Alahady 15 septambra 2013
Alahady Faha – 24 tsotra Mandavan-taona

Nandritra ny Alahady maromaro izay dia ireo hatsaram-panahy tokony hanana amin’ny maha Kristianina no nampianarin’i Jesoa antsika. Nampianariny fa zava-dehibe tokoa ny mahay manetry tena sy manana fandava-tena ka mahafoy izay rehetra ananana mba ho fanasoavana ny mpiara-belona. Ny ambaran’i Jesoa amin’izao Alahady Faha – 24 tsotra Mandavan-taona izao kosa dia ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona sy ny maha zava-dehibe ny fibebahana. Tsara ho marihina aloha fa ny tampany farany amin’ity Evanjely androany ity, izany hoe ny voalaza ao amin’ny Lk. 15: 11 – 32, dia aroson’ny Fiangonana amintsika isa-taona amin’ny Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy ka efa nanazavantsika teto tamin’ny Alahady 10 martsa 2013 fa lalina sy mahagaga tokoa ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona. Tsy azo visavisaina ny famindram-pony ary mampandinika lalina ny hamoram-pony satria na mpanota aza isika dia tsy avelany ho very fa arovany sy vonjeny mandrakariva. Ny hitondra izany famonjena izany no nahatongavan’i Jesoa hiara-monina amintsika ombelona ka ilay toetra maha Andriamanitra be fitavana azy no nentiny niaina niaraka tamin’ireo niara-nonina taminy. Tsy nanavakavaka izy ary nandray ny olona rehetra, indrindra ny madinika sy ireo heverin’ny fiarahamonina ho mpanota.

Io fandraisan’i Jesoa ny mpanota io no nahatonga ny Farisiana sy ny Mpanora-dalàna nimonjomonjo taminy araka ny voalazan’ny Evanjely izay novakiana tamintsika tamin’ny Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy sy aroson’ny Fiangonana amintsika amin’izao Alahady Faha – 24 tsotra Mandavan-taona izao: « ary nanatona hihaino azy ny poblikàna rehetra sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy » (Lk. 15 : 1 – 2). Raha fanoharana iray ihany no naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy, dia fanoharana telo be izao no aroso antsika androany hanambarana amintsika ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Ireo fanoharana ireo no netin’i Jesoa nilaza tamin’ny Farisiana sy Mpanora-dalàna fa tsy tokony himonjomonjo aminy izy ireo satria tsy voatonkana ho an’ny olom-bitsy ny famonjena fa -natao ho an’ny olona rehetra indrindra ireo izay mahatsiaro tena fa mpanota ka mibebaka sy manantona an’Andriamanitra na dia tsy mendrika aza.

Ny antony tena nampimonjomonjo ireo Farisiana sy Mpanora-dalàna ireo moa dia ny fiheverana fa izy ireo ihany no olo-marina sy mendrika ho voavonjy fa tsy ny poblikàna sy ny mpanota izay tonga nanatona an’i Jesoa mba hihaino azy. Midika izany fa tsy tian’ireo Farisiana sy Mpanora-dalàna ireo ho voavonjy ny poblikàna sy ny mpanota noho izany dia tsy tokony hanatona hihaino an’i Jesoa izy ireo, ary tokony ho roahina mihitsy aza. Tsy nanaiky izany anefa i Jesoa ka nanao ireto fanoharana telo ireto hilazany fa tsy manary ny mpanota Andriamanitra fa mandray amim-pitiavana izay rehetra mibebaka. Ny fanoharana voalohany nataony ary dia mahakasika ny ondry zato ka very ny anankiray. Nambarany tamin’ireo nihaino azy fa : « Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana » (Lk. 15 : 4 – 7). Ny fanoharana faharoa narosony moa dia mitantara ilay vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray. Hoy indrindra Jesoa tamin’izy ireo : « Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very. Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka » (Lk. 15 : 8 – 10).

Ny fanoharana fahatelo aroson’i Jesoa amintsika androany kosa dia ny efa voalaza tamintsika tamin’ny Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy ihany dia ny fanoharana mahakasika ny lehilahy anankiray izay nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: « Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy » (Lk. 15 : 12 – 13). Nony nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy anefa ilay zanaka mpandany dia nody ny sainy ka hoy izy: « Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana atý! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho » (Lk. 15 : 17 – 19). Voalazan’ity fanoharana ity anefa fa tsy nihaino izany rainy fa hoy izy tamin’ny mpanompony: « Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tànany, kiraroy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray. Dia nifaly izy rehetra » (Lk. 15 : 22 – 24).

Hitantsika mazava tsara amin’ireto fanoharana telo naroson’i Jesoa ireto fa hisy hafaliana lehibe tokoa any an-danitra, eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra, raha misy mpanota iray mibebaka satria tahaka ilay zaza mpandany isika olombelona mpanota, maty ka velona indray, ary very ka hita indray. Araka izany dia mampianatra antsika amin’ny alalan’ireto fanoharana ireto i Jesoa fa tena mpamindra fo sy mpamela heloka izy ary tia ny olona rehetra ka tsy tokony hisalasala isika hanantona azy hangataka izay famelan-keloka izay amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Tsy misy afaka hilaza ny tenanany ho mendrika fa samy mpanota daholo isika rehetra, noho izany dia tsy tokony haka tahaka ny Farisiana sy ny Mpanora-dalàna isika izay nimonjomonjo rehefa nahita ny mpanota nanatona nihaino an’i Jesoa. Izany hoe tokony hifanampy isika ary hifampitaona hivavaka sy hibebaka fa tsy sanatria hifanavakavaka na hisakana ny hafa tsy ho afaka handray an’i Jesoa. Miara-mitodika amin’Andriamanitra ary isika androany ka mangataka ny fahasoavany mba ho raisiny tokoa ny fibebahantsika ka na mpanota matevin-koditra toy inona aza isika dia tsy manary antsika izy fa mandray antsika rehefa miverina aminy isika tahaka ilay zaza mpandany nahasahy nibaboka tamin-drainy nanao hoe : « Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony » (Lk. 15 : 21). Raha ny fahotana vitantsika dia tsy mendrika ny hatsoina hoe zanak’Andriamanitra tokoa isika saingy noho ny fitiavany sy ny famindram-pony dia mamela antsika mandrakariva izy ka tsy tokony hisalasala isika hanatona azy amim-panetren-tena sy fitiavana ao anatin’ny fitokisana sy finoana tanteraka satria be fitiavana Izy.

 

Vakiteny I : Eks. 32:7-11,13-14,
Vakiteny II : 1. Tim 1:12-17,
Evanjely : Lk. 15:1-32,

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.079