Ataovy izay rehetra holazainy aminareo

Rehefa avy nankalaza ny nanaovana batemy an’i Jesoa isika tamin’ny Alahady heriny, izay namaranana ny fankalazana ny Noely dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny vaninandro tsotra mandavantaona. Androany tokoa no Alahady Faharoa tsotra Mandavantaona izay anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely mitantara ny fahagagana voalohany nataon’i Jesoa dia ny fanovana ny rano ho divay tany Kanà any Galilea. « Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny renin’i Jesoa. Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady » (Jo. 2 : 1 – 2). Hitantsika amin’izao fa tsy ela taorian’ny nanaovana batemy azy dia niroso avy hatrany tamin’ny fanantanterahana ny iraka nampanaovina azy Jesoa dia ny fitoriana ny Fanjakan’Andrimanitra eo anivon’ny olona. Voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa Jesoa sy ny mpianany no nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Midika izany fa andro vitsivitsy taorian’ny niantsoan’i Jesoa ireo mpianatra voalohany no nisehoan’ity tantara ity.

Tsy angano noforonina izy ity fa tena zava-nisy marina satria ilay nanatri-maso no mitantara sy milaza amintsika ny zava-niseho tamin’izany fampakaram-bady tany Kanà izany dia tsy iza fa i Joany izay anisan’ny mpianatra voalohany nantsoin’i Jesoa hanara-dia azy. Raha mamaky ny Evanjely efatra tokoa mantsy isika dia mahita fa ny Evanjelin’i Md Joany irery no mitantara ny fahaganana voalohany nataon’i Jesoa tany Kanà fa tsy mba hita ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Matio, Marka ary Lioka izany zava-dehibe nataon’i Jesoa izany. Tsy ny faneken’i Jesoa hasaina amin’ny fampakaram-bady anefa no zava-dehibe eto fa ny fisehoan’ny voninahiny amin’ny maha Andriamanitra azy, izay mahefa ny zavatra rehetra. Anisan’ny zava-dehibe ihany koa amin’ity Evanjely androany ity ny filazana fa tao amin’io fanasana io ny renin’i Jesoa. Tian’i Md Joany hasongadina amin’ny Evanjely izay nosoratany fa hatramin’ny voalohany dia tsy nisaraka tamin-janany i Masina Maria fa niaraka taminy foana ary nandray anjara feno tamin’ny asam-pamonjena izay notanterahin’i Jesoa.

Eto dia hita miharihary fa noho ny fanelanelanana nataon’i Masina Maria no nahatonga an’i Jesoa hanao fahaganana. « Nony inona, lany ny divay ka hoy renin’i Jesoa taminy: Tsy manan-divay izy ireo. Ary hoy Jesoa taminy: Izaho sy hianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako » (Jo. 2 : 3 – 4). Hita fa somary henjana ny valin-teny nataon’i Jesoa ary azo lazaina fa mety nisy fifamaliana mihintsy angamba teo amin’izy mianaka saingy noho ny finoana nanan’i Maria dia natoky izy fa tsy handa ny fiangaviana nataony i Jesoa ary izany indrindra no nahatonga azy hiteny tamin’ny mpanompo manao hoe : « Ataovy izay rehetra holazainy aminareo » (Jo. 2 : 5). Iarahan-tsika mahalala moa ny tohin’ny tantara fa nanao araka izay niangavian-dreniny azy i Jesoa ary dia nanova ny rano ho divay ka ambaran’i Md Joany amin’ity Evanjely aroso amintsika androany ity fa « izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no voaloham-pahagagana nataony; naneho ny voninahiny izy ka nino azy ny mpianany » (Jo. 2 : 11).

Maro ny fampianarana azontsika raisina amin’ity fahagagana voalohany nataon’i Jesoa ity. Eo aloha ny fahatsapantsika fa tsy mizaha tavan’olona na manavakavaka Izy fa mian-trano sy mandray ary manao soa amin’ny olona rehetra. Noho izany dia tsy tokony hisalasala ihany koa isika handray azy na eo aza ny fahatsapan-tsika fa mpanota tsy mendrika. Io fahatongavany namonjy ny fakampakaram-bady tany Kanà io dia fanambarana lehibe fa tsy isika no manantona azy fa Izy no tonga manantona antsika sy miara-monina amintsika ary mampiseho amintsika ny voninahiny. Fahasoavana lehibe izany saingy matetika isika dia tsy mahatsapa fa izy no tonga manantona antsika ka mahatonga anatsika halaim-panahy hieritreritra fa lavitra antsika izy ary tsy mahaita ny fahasahiranana iainantsika. Tsapany dia tsapany tokoa ny manjo antsika tahaka ny nahatsapany fa lany ny divay tamin’ny fampakaram-bady tany Kanà saingy hoy Izy tamin-dreniny hoe « Izaho sy hianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako » (Jo. 2 : 4). Midika izany fa mila ny ezaka avy amintsika ihany koa Izy, izany hoe mila antsika hilaza aminy ny zavatra manahirana antsika. Eto no ahatsapantsika ny maha zava-dehibe ny toerana misy an’i Masina Maria amin’ny fiainantsika. Miara-mivavaka amintsika tokoa i Masina Maria, ary mivavaka ho antsika ihany koa. Mahita ny manahirana antsika izy ka tsy misalasala ny mitey amin’i Jesoa zananany hanome antsika ny fahasoavana ilaintsika. Ny nataony tany Kanà niteny tamin’i Jesoa hoe « tsy manan-divay izy ireo » no porofo hita maso fa mivavaka sy mitalaho ho antsika izy noho izany tsy tokony hisalasala isika hanantona azy sy hangataka ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny vavaka ataony ho antsika.

Tiana ihany koa ny mampahatsiahy fa ao anatin’ny herinandro iaraha-mivavaka ho an’ny firaisan’ny mpino isika izao. Izany moa dia nanomboka tamin’ny Zoma 18 janoary lasa teto ary tsy hifarana raha tsy amin’ny Zoma 25 janoary ho avy izao, koa manainga antsika rehetra hiombom-bavaka amin’ny Kristianina rehetra maneran-tany mba hisy tokoa ny fiombonana eo amin’ny samy zanak’Andriamanitra izay misara-bazana noho ny hevitra tsy mitovy misy amintsika olom-belona. Sitrak’Izy Tompo ny haha iray antsika rehetra ka izany no anaovana ezaka isan-taona ifanantonana sy iaraha-mivavaka mba hizorana tsikelikely amin’izay firaisan’ny mpino izay na dia mbola lavitra aza ny lalana haleha ary mbola maro ihany koa ny ezaka tsimaintsy hatao hahatongavana amin’ny fiombonana tanteraka. Ny fahasoavana avy amin’i Jesoa Tompo izay tsy manavakavaka fa tonga hamonjy ny olona rehetra anie no hirotsaka amintsika tsirairay avy.

 

P. Louis Martin
Assomptionniste

Hevitra mandeha

HLanto ( 21/01/2013 03:03)
Salama o! mety ve ra mba asina toriteny ihany koa isan'andro. Misaotra indrindra
hery ( 22/01/2013 22:37)
Angamba tsy ho araka raha isanandro. Asa anefa.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0601