Ary nankalaza azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany

 

Alahady 03 febroary 2013

Alahady Faha-4 tsotra Mandavantaona (Taona D)

Vakiteny I : Jer. 1:4-5,17-19,
Vakiteny II : 1 Kor. 12:31,13:1-13,
Evanjely : Lk. 4:21-30,

 

Mitohy amin’ity Alahady ity ny fihainoantsika ny Evanjely mitantara ny nidiran’i Jesoa tao amin’ny sinagoga tao Nazareta izay tanàna nahabe azy. Henontsika tamin’ny heriny fa niditra tao amin’ny sinagoga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata izy, ary nitsangana ka nanao ny famakian-teny ary dia natolotra azy ny bokin’Izaia mpaminany. Henontsika tamin’izany fa « nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagoga » (Lk. 4 : 20). Voalazantsika tamin’ny heriny ihany koa fa samy niandry izay hambaran’i Jesoa ny olona rehetra, dia niteny tamin’ireo olona niara-nivavaka taminy tao amin’ny sinagoga i Jesoa ka nilaza hoe: « androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany » (Lk. 4 : 20). Hitantsika amin’izao fa io tenin’i Jesoa io no namarana ny Evanjely henontsika tamin’ny Alahady heriny fa mbola io teny io ihany ko anefa no manokatra izao Evanjely aroson’ny Fiangonana amintsika androany izao. Manambara amintsika izany fa tena zava-dehibe tokoa ny nilazan’i Jesoa fa izy no ilay voalaza ao amin’Izaia Mpaminany araka ilay vakiteny naroso azy manao hoe : « Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana » (Lk. 4 : 17 – 19).

Nony nandre izany teny nataon’i Jesoa izany ireo olona nihaino azy, araka ny voalazan’ny Evanjely izay vakiana amintsika androany dia nankalaza azy « sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany » (Lk. 4 : 22). Gaga sy talanjona tokoa ny rehetra rehefa nandre an’i Jesoa nilaza fa ao aminy ny Fanahin’ny Tompo ary izy no voalazan’Izaia Mpaminany fa voahosotra hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo, izy no voairaka hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo. Izay fahagagana izay no nahatonga azy ireo hifanontany hoe « tsy ny zanak’i Josefa va ity? » Marina tokoa fa tsy olom-baovao na vahiny teo imason’ny olona i Jesoa fa fantatr’izy ireo tsara satria mpiara-monina tamin’izy ireo. Fantatr’izy ireo ny trano fonenany, ny Ray aman-dReniny, ny havany sy ny asa aman-draharaha fanaony ka talanjona izy ireo mandre fa io Jesoa avy ao Nazareta io no irak’Andriamanitra hamonjy an’izao tontolo izao.

Azo heverina ary fa nisy tamin’ireo nihaino an’i Jesoa no tsy nino ny teny voalazany, mety nisy ihany koa ny naneso azy sy nihevitra azy ho miteniteny foana ka izany no nilazany hoe : « Marina raha tsy ataonareo amiko ilay oha-bolana hoe: Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaoma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe anao koa. Dia notohiziny hoe: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy » (Lk. 4 : 23 – 24). Dia nambaran’i Jesoa tamin’izy ireo ny zava-niseho tamin’ny andron’i Elia sy Elisea Mpaminany izay samy nirahin’Andriamanitra hitondra fahasoavana ho an’ny vahiny fa tsy ho an’ny mpiara-monina tamin’izy ireo. Mety niteraka fifamaliana teo amin’i Jesoa sy ireo nihaino azy izany teny izany ka nitarika fahatezerana teo amin’ny olona mihitsy ary izay indrindra no ilazan’ny Evanjely amintsika manao hoe : « dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagoga raha nandre izany, ka tafantsangana nandroaka azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana » (Lk. 4 : 28 – 29).

Hitantsika amin’izao ary fa tsy mora ny mitory ny Tenin’Andriamanitra, mazava amintsika ny nahazo an’i Jesoa rehefa nitory teny izy ka nanazava ny Bokin’Izaia Mpaminany. Vao nanomboka ny asa nanirahana azy i Jesoa dia tojo fanoherena sy fanenjehana satria nahasahy nijoro sy nanambara ny marina. Tsy mora tokoa ny mijoro amin’ny fahamarinana tahaka ny nahazo an’i Jesoa, ka ny famakiantsika ity Evanjely ity no mampahatsiaro antsika fa tsimaintsy vonona hiaritra fanenjehana ihany koa isika rehefa mijoro amin’ny fahamarinana sy mitory ny tenin’Andriamanitra. Matetika anefa tsy olon-kafa fa ny mpiray tanana amintsika sy ny mpiara-monina amintsika eny ny havan-tsika mihitsy no sakana tsy ahafahantsika mijoro amin’ny fahamarinana sy mitory ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainan-tsika andavan’andro.

Vao avy nankalaza ny andro natokana hivavahana ho an’ireo mamaly ny antsoan’Andriamanitra ho relijiozy isika omaly 02 Febroary ka dia mivavaka manokana ho an’ireo manolo-tena amin’izany lalana maha relijiozy izany. Firifiry tokoa moa ireo Masera, Frera ary Pretra tsy mahazo tso-drano avy amin’ny fianankaviany ary ambara fa olona very sy lany taranaka rehefa mba miroso amin’izany lalan’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Maro amin’izy ireo no miaritra eso sy latsa ary fanankiviana mihitsy. Tahaka izany ihany koa ireo Krisitianina Lahika mafana fo manolo-tena amin’ny asam-piangonana. Maro no mahazo fanankiviana avy amin’ny mpiara-monina ary enjehina mihitsy ka ambara fa manao asa tsy hihinanan-kanina. Mankahery antsika ny Evanjely androany satria i Jesoa mihitsy no efa niaritra izany fanenjehana izany ka tsy tokony ho kivy isika fa hijoro hatrany amin’ny finoana na dia eo aza ireo mpankahala sy tsy mankasitraka ny fanolorantsika tena hana-dia an’i Jesoa ka hanao ny asan’Andriamanitra dia ny fitoriana ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo, fankaherezana ny torotoro fo ary ny filazana fahafahana amin’ny mpifatotra. Miara-mivavaka ary iska mba tena hanana heri-po tokoa eo ampamaliana ny antson’Andriamanitra miatefa amintsika tsirairay avy.

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095