Ary feno ny Fanahy Masina Jesoa, ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro

 

Alahady 17 febroary 2013

Alahady Voalohany amin’ny Karemy

 

Vakiteny I : Det. 26:4-10,
Vakiteny II : Rom. 10:8-13,
Evanjely : Lk. 4:1-13,
Mankalaza ny Alahady voalohany amin’ny Karemy isika androany. Zava-dehibe ho antsika izany satria fotona ahafahantsika indrindra miara-dalana amin’i Jesoa izay nihataka tany an’efitra nandritra ny efapolo andro mba hivavaka sy hibanjina ny Ray izay naniraka azy. Ambaran’ny Evanjely aroso antsika androany ary fa « feno ny Fanahy Masina Jesoa, dia niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny demony fanahy izy no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany » (Lk. 4: 1 – 2). Ny fotoanan’ny Karemy toa izao tokoa no ibanjinantsika an’i Jesoa nalain’ny demony fanahy rehefa nipetraka efapolo andro tany an’efitra. Isika ihany koa dia manana efapolo andro hiomanana amin’ny Paka izay fandresen’i Kristy ny fahafatesana ka ahatsapana mazava tsara fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa izy.
 
Raha ny ambaran’ny Evanjely no dinihina dia hita fa tena niady mafy tokoa i Jesoa manoloana ireo fakam-panahy naroson’ny demony taminy. Teo aloha ny nakan’ny demony fanahy azy tamin’ny sakafo ka nilazany fa « raha Zanak’ndriamanitra hianao, asaovy tonga mofo io vato io » (Lk. 4: 3). Tamin’ny fomba tsotra sy mazava anefa no namalian’i Jesoa izany ka nilazany tamin’ny demony hoe : « Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny Teny rehetra avy amin’Andriamanitra » (Lk. 4: 4). Ny tena tiana hisarihana ny sain-tsika eto dia ny hevitra ambaran’izao fankalazana ny Karemy izao. Ampahafantarina antsika ombieny ombieny fa ny Karemy dia natao hifadian-kanina sy natao hamolahan-tena, hany ka raha vao miresaka hoe Karemy dia izay famolaha-tena amin’ny sakafo izay no tonga ao an-tsaina avy hatrany ary indraindray aza dia hadino ny tena hevitry ny Karemy fa lasa mijanona fotsiny amin’ny hoe fifadian-kanina.
 
Mazava ny Tenin’i Jesoa fa ny Teny rehetra avy amin’Andriamanitra no tena mahavelona, io no toy ny sakafo mamelona ka nandritra izany fotona nipetrahany tany an’efitra izany dia io fihainoana ny Tenin’Andriamanitra io no nameno ny fiainany ka na teo aza ny tsy fihinanan-kanina dia tsy nampaninona azy izany fa vao maika aza nanampy azy ho afaka tena handray ny Tenin’Andriamanitra izay sakafo mahavelona tokoa. Marina fa voalazan’ny Evanjely mazava tsara androany ny hoe nandre noana izy nony tapitra izany efapolo andro izany saingy tsy voasariky ny fandrika napetraky ny demony izy, izay nialaza taminy hanova ny vato ho tonga mofo. Tena azon’i Jesoa natao tsara ny nanao izany amin’ny maha Andriamanitra azy saingy tsy nanao izany izy mba hampisehoana amintsika fa rehefa miankina amin’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy misy atahorana satria io Teny avy amin’Andriamanitra io no aina mamelona izay mihaino sy mandray azy.
 
Izany indrindra no hevitry ny Karemy izay ankalazain-tsika. Fotoana saro-bidy indrindra izao fotoanan’ny Karemy izao mba hanantonana an’Andriamanitra bebe koa amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fihainoana ny Teniny. Marina fa asain’ny Fiangonana isika hamola-tena sy hifady hanina mandritra izao Karemy izao saingy mandeha ila izany raha tsy eo ny fihaonana amin’Andriamanitra izay manasa antsika ho tia ny namana. Ny tena hevitry ny fifadian-kanina mantsy dia tsy hoe fampijalian-tena fotsiny ihany na hoe fanaovana tahiry bebe kokoa hitsinjovana ny hoavy fa natao indrindra hanaovana asa fanasoavana ny hafa ka izay fitiavana ny namana izay dia noho ny finoana no anaovana azy ary vokatry ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra ka iainana izany amin’ny fiainana andavan’andro; raha tsy izany dia tsy misy maha samihafa antsika amin’ireo vondron’olona mpanao asa soa izay maro dia maro izy ireny ankehitriny.
 
Io fihaonana amin’Andriamanitra io ary no tena zava-dehibe amin’izao Karemy izao, hamafisin’i Jesoa rahateo izany tamin’ny filazany fa « ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao » (Lk. 4: 8). Ko amin’izao fiomanana amin’ny Paka izao ary dia ankinin-tsika amin’Izy Tompo hatrany ny fiainantsika manontolo. Izy no hotompoina satria izy no efa nampianatra antsika ny tokony hatao rehefa mivavaka sy mifady hanina ary manao soa ny namana. Miara-mivavaka ihany koa isika amin’izao fanombohana ny vanin’andron’ny Karemy izao ho an’ny Fiangonana manontolo. Fatantsika tsara ny fitsaharan’ny Papa Benoît XVI amin’ny asa maha Papa azy. Misaotra an’Andriamanitra isika tamin’ny asa soa betsaka nataon’ny Papa tamin’ny fitondrana ny Fiangonana tao anatin’izay taona maro izay, ary angatahantsika ny fahasoavan’Andrimanitra mba hahafahan’ny Fiangonana mahazo Mpiandry Ondry vaovao izay hahafoy tena sy vonona hanompo hatramin’ny farany tahaka ny nataon’i Papa Benoît XVI. Mety maro ny zavatra lazain’ny fampahalalam-baovao samy hafa ary misy ihany koa ny manenjika sy ny manaratsy na milaza zavatra diso noho ny tsy fahalalana ny zava-misy marina. Tsy atao mahagaga izany fa ny herin’ny demony dia eny foana. Jereo ny nahazo an’i Jesoa fa na nivavaka tany an’efitra aza izy, nihaona sy nibanjina an’Andriamanitra dia io fa tonga tany demony naka fanahy azy. Isika ihany koa dia mila mitandrina amin’ireny demony maro samihafa miseho ankehitriny ireny. Aoka isika hibanjina mandrakariva an’i Jesoa izay nandresy ny fankam-panahy rehetra naroson’ny demony teo anoloany ka handresy miaraka aminy ihany koa ary hahazo aina vaovao miaraka aminy amin’ny fankalazana ny Paka fandresena izay iomanantsika amin’izao Karemy izao.
 
P. Louis Martin 
Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099