Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko

Alahady 26 mey 2013
Fankalazana ny Trinite Masina

Rehefa avy nankalaza ny Pantekôty isika tamin’ny Alahady heriny dia miombona amin’ny Fiangonana manerana ny tany androany mankalaza ny Trinite Masina. Azo heverina fa nazava tamintsika ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny Fanahy Masina izay nambarantsika teto tamin’ny heriny. Hotohizantsika androny ny fanomezana izany fampianaran’ny Fiangonana izany ka hanazavantsika indrindra ny misterin’ny Trinite Masina. Raha ny Evanjely androany aloha dia mazava ny voalazan’i Jesoa fa « Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko » (Jo. 16: 15). Midika izany fa tsy afa-misaraka i Jesoa sy ny Ray satria izay rehetra ananan’ny Ray dia azy avokoa. Tahaka izany ihany koa ny maha iray azy ao amin’ny Fanahy Masina satria tsy afaka misaraka ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Izany no nilazan’i Jesoa tamin’ny Mpianatra araka ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany fa : « Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; fa rahefa tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia izy no hitaridàlana anareo amin’ny marina rehetra » (Jo. 16: 12 - 13).

Voalazantsika tamin’ny Alahady heriny fankalazana ny Pantekôty moa fa « anankiray amin’ny Olon’

Vakiteny I : Oh. 8:22-31,
Tononkira : Sal. 8:4-5,6-7,8-9,
Vakiteny II : Rom. 5:1-5,
Evanjely : Jo. 16:12-15,

ny Trinite Masina ny Fanahy Masina, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka, « tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ». Izany no antony nahatonga ny resaka momba ny mistery maha- Andriamanitra ny Fanahy Masina ho ao amin’ny “teôlôjia” momba ny Trinite. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 681). Hitantsika avy hatrany fa ny Trinite Masina izany dia ny fiombonana tsy azo sarahina misy ao amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Sarotra ny mahazo izany, ary raha ny saina sy ny fahaizan-tsika olombelona dia tsy hahatakatra izany velively. Izany indrindra no mahatonga ny Fiangonana hampianatra antsika fa ny Trinite Masina dia misterin’ny finoana. Hitantsika ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika izay fampianarana izany : « Ny Trinite dia misterin’ny finoana amin’ny dikany ara-bakiteny, iray amin’ ireo “mistery miafina ao amin’Andriamanitra, izay tsy mety ho fantatra raha tsy nambara avy any ambony”. Marina fa namela mariky ny fisiana maha- Trinite Azy Andriamanitra tamin’ny tsanganasam-pahariany sy tamin’ny Fanambaràny nandritra ny Testamenta Taloha. Kanefa ny halalin’ny Fisian’ny Tenany maha-Trinite Masina Azy dia anisan’ny mistery tsy takatra amin’ny fahalalan’ny saina fotsiny izao, ary na dia tamin’ny finoan’i Israely talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy ny fanirahana ny Fanahy Masina aza » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 237).

Amin’ny maha mistery azy izay indrindra no mahatonga antsika hanadihady sy hanontany hoe : Iza marina moa ny Trinite Masina ? Araka ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ary dia i Jesoa mihitsy no manazava amintsika ny tena hevitry ny Trinite Masina. Izao no voalaza ao amin’io fampianarana io : « ny Tenan’i Jesoa dia manamafy fa Andriamanitra no “hany Tompo tokana” ary tokony hotiavin’ny olona “amin’ny fony manontolo, amin’ny fanahiny manontolo, amin’ny sainy manontolo ary amin’ny heriny manontolo” Izy. Notarihiny koa ny sain’ny olona, hahatakatra fa Izy Tenany dia “Tompo”. Ny miaiky fa “i Jesoa no Tompo”, dia toetra mampiavaka ny finoana kristianina. Tsy mifanohitra amin’ny finoana an’Andriamanitra Tokana izany. Ny mino ny Fanahy Masina “ho Tompo sy manome ny Aina” dia tsy manisika fisaraham-bazana na dia kely akory aza ao amin’ilay Andriamanitra tokana : Mino mafy isika ary manamafy amim-pahatsorana, fa tsy misy afa-tsy tokana Andriamanitra marina, tsy misy fetra sy tsy miova, tsy takatry ny saina, Mahefa ny zavatra rehetra sy tsy hay ambara, Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina : Olona Telo, fa Foto-pisiana iray, Fisia-maha-izy iray na Fomba aman-Toetra iray tsotra tanteraka » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 202).

Araka ny voalaza eto dia mino mafy isika ary manamafy amim-pahatsorana, fa tsy misy afa-tsy tokana Andriamanitra marina, tsy misy fetra sy tsy miova, tsy takatry ny saina, izany hoe mistery. Ka araka ny fampianaran’ny Fiangonana dia io misterin’ny Trinite Masina io no mistery ambony indrindra ary loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana. Araka ny voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 234 dia : « Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany. Io izany no loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana, fahazavana izay mitsilo azy ireo. Io no fampianarana fototra indrindra sy tsy azo avela indrindra amin’ny “ambaratongam-pahamarinan’ny finoana”. “Ny tantaram-pamonjena manontolo dia tsy hafa, fa tantaran’ny fanabeazan’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fomba maro sy amin’ny alalan’ny sain’ny olombelona, momba ny Tenany marina sy tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, manambara tena sy mamerim-pihavanana ary miray amin’ny olombelona izay nibirioka noho ny fahotana. »

Raha ambara amin’ny teny tsotra dia mazava ny fampianaran’ny Fiangonana fa ny fiombonana misy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no antsoina hoe Trinite Masina. Noho izany dia tena zava-dehibe tokoa izao fankalazana ataontsika androany izao satria manamafy ny Finoana izay ananantsika ka itodihantsika mandrakariva amin’izay Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina izay. Andriamanitra tokana olona telo, izay tsy afa-misaraka fa mitambatra ho iray ka mandrotsaka ho antsika ny fahasoavana izay ilaintsika amin’ny fiainana maha Kristianina antsika. Io Trinite Masina io no antsointsika isan’andro rehefa mivavaka isika ka manao ny Famantaran’ny Hazofijaliana sy miteny manao hoe : « Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. » Rehefa atao Batemy ihany koa isika dia mandray izany sakramenta izany ka ilazan’i Pretra hoe, izaho manao Batemy anao « Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. » Tsy ny Batemy ihany fa ny sakramenta rehetra mihitsy no raisintsika amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Amin’izao Alahady fankalazana ny Trinite Masina izao ary dia miara-mivavaka isika mba hihamafy hatrany ny finoantsika an’izay Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina izay. Indraindray toa zary fahazarana fotsiny ihany ny fanononana io anaramasin’Andriamanitra tokana olona telo io, koa amin’izao fankalazana izao no ampahatsiahivana antsika fa ny misterin’ny Trinite Masina indrindra no mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany araka ny voalazan’ny fampianarana aroson’ny Fiangonana amintsika. Noho izany dia tsimaintsy hanao ezaka isika isaky ny manao ny famantaran’ny Hazofijaliana ka manonona ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina mba hanao izany amim-pahamendrehana sy amim-pinoana tokoa satria ny fanaovantsika io famataran’ny Hazofijaliana io no manambara mazava amintsika fa izay rehetra ataontsika dia ataontsika amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Amen.

 

P. Louis Martin
Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099