Tamin’izay noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nitsodrano azy

Alahady 02 Jiona 2013

Fankalazana ny Vatana Masin’i Kristy

 

Mankalaza ny Vatana Masin’i Kristy isika androany. Ity Alahady manaraka ny Trinite Masina ity tokoa no antsoina hoe Alahady fankalazana ny Fetin’ny Sakramenta Masina. Ireo Vakiteny aroson’ny Fiangonana amintsika dia manambara ny maha zava-dehibe ny Sakramenta Masina izay ankalazaintsika androany. Fiteny mahazatra moa ny hoe Sakramenta Masina fa ny tena ankalazaina androany dia ny Vatana Masin’i Kristy izay natolony ho antsika ho sakafo mahavelona. Mazava amintsika amin’izany fa ny fetin’ny Eokaristia Masina no ankalazaintsika androany. Marina fa nankalaza manokana ny namoronan’i Jesoa ny Eokaristia isika tamin’ny Alakamisy Masina saingy ity androany ity dia nentina hampahatsiarovana antsika fa iny Jesoa nanolotra ny tenany tamin’ny Alakamisy Masina iny no nanaiky hampijaliana sy novonoina saingy nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Azo lazaina ary fa ity fetin’ny Sakramenta Masina ankalazaina androany ity no mamarana tanteraka ny fankalazana ny Paka satria i Jesoa nanolotra ny tenany ho sakafo mahavelona antsika no toy ny zanak’ondry atolotra atao sorona tahaka ny Paka fanaon’i Jody.

Azo ambara ihany koa anefa fa ny fankalazana ny Vatana Masin’i Kristy dia fanohizana ny Paka satria isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mamerina ny nataon’i Jesoa tamin’ny Alakamisy Masina, izany indrindra no ambaran’i Md Paoly amin’ny Vakiteny Faharoa izay aroso antsika ndroany: « fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana azy iny Jesoa, dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra izy, dia namaky azy sy nanao hoe: Raiso ary hano, ity no vatako ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana ahy. Toy izany koa, nony efa nihinana, dia hoy izy: Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny rako; manaova izao ho fahatsiarovana ahy, isaky ny misotro hianareo » (1kor. 11: 23 – 25). Fantantsika fa i Md Paoly dia tsy anisan’ny roambinifolo lahy nanatrika io fotoana namoronan’i Jesoa ny Eokaristia io fa ny fampianarana noraisiny tamin’ny Apostoly no nahasahiany nilaza ankarihary fa nanafatra antsika i Jesoa hahatsiaro ny nataony rehefa mankalaza ny Eokaristia.

 

Tsara mazava amintsika anefa fa ny hevitry ny hoe « manaova izao ho fahatsiarovana ahy » dia tsy hoe mahatsiaro fotsiny ny nataon’i Jesoa isika fa tena mamerina tanteraka ny nataony ary mitovy lanja amin’ny Eokaristia nataon’i Jesoa tamin’ny Alakamisy Masina ny Eokaristia ankalazaintsika satria tena izy Jesoa velona mihitsy no miaraka amintsika mandritra ny fankalazana ataontsika ary ny Komonio izay raisintsika dia tena i Jesoa velona tokoa ka ny Vatana aman-dRa Masina izay sakafo mahavelona antsika dia tsy sarisary na endrika ivelany fotsiny ihany fa tena i Jesoa velona miara-monina amintsika. Izany no ampianarin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika amintsika izay manazava amintsika fa: « ny Tompontsika, tamin’ny Sakafo farany, ny alina izay nanolorana Azy, no nanorina ny soron’ny Eokaristia tamin’ny Vatana aman-dRany, mba hampaharitra ny sorona teo amin’ny Hazofijaliana mandritra ny taona rehetra mifandimby, mandra-piveriny, ary mba hanankinana amin’ny Fiangonana Vady malalany, ny tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona : sakramentam-pitiavana, famantaram- piraisana, fatoram-pifankatiavana, fanasam-ben’ny Paka izay ao amin’izany i Kristy no raisina ho sakafo, ny fanahy no heni-pahasoavana ary ny antoky ny voninahitra hoavy no omena antsika. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1323). Voalaza ao amin’io fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io ihany koa fa « Loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo ny Eokaristia. Ireo sakramenta hafa ary koa ireo andraiki-panompoana rehetra ao amin’ ny Fiangonana sy ny lahasa maha-apôstôly dia voafehy avokoa ao amin’ny Eokaristia sy voahasina aminy. Satria ny Eokaristia masina no misy ny rakitra rehetra ara-panahin’ny Fiangonana, izany hoe ny Tenan’Izy Kristy mihitsy, ilay Pakantsika. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1324). Noho izany dia manainga antsika ny Fiangonana mba handinika lalina androany ka hahatsapa ny maha saro-bidy ny Eokaristia. 

Marina fa ny Evanjely izay aroso antsika androany dia tsy mitantara ny namoronan’i Jesoa ny Eokaristia fa ny Evanjely mitantatra ny fampitomboana ny mofo no omena antsika. Ity Evanjely ity anefa dia manambara mazava amintsika fa te-hanome sakafo mahavelona antsika olombelona i Jesoa, izany no nahatonga azy niteny tamin’ny mpianatra nanao hoe « Omeonareo hanina izy » (Lk. 9: 13) rehefa nanatona azy ireo mpinatra ireo sy niangavy azy mba handefa ny vahoaka mody. Volaza amin’ity Evanjely ity mazava tsara tokoa fa « efa ho hariva ny andro ka nanatona ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa atý an’efitra isika izao » (Lk. 9: 12). Fantatry Jesoa anefa ny hataony rehefa nilaza taminy ny mpinanatra nanao hoe : « tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay mba hisy ho hanin’ireo vahoaka ireo » (Lk. 9: 13). Tsy nalefan’i Jesoa handeha hividy mofo akory ny mpianatra fa nasainy nampipetraka ny vahoaka. « Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimam-polo avy ny olona. Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin'izay noraisin'i Jeso ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nitsodrano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin'ny mpianany, mba harosony eny anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo. (Lk. 9: 14 – 17). Tena mamelona antsika olombelona tokoa i Jesoa ary ny Vatany Masina izay ankalazaintsika androany dia tena sakafo mamelona ny Fanahintsika, koa misaotra azy isika nanaiky hatao sorona hanome aina vaovao ho antsika. Miara-mivavaka isika ho an’ireo rehetra izy mandray ny Komonio voalohany androny izay maro be izy ireo any amin’ny toerana sami-hafa any.

P. Louis Martin
Assomptionniste

 

Fankalazana ny Vatana Masin'i Kristy

Vakiteny I : Jen. 14: 18-20
Tononkira : Sal. 109:1-4
Vakiteny II : I Kor. 11:23-26
Evanjely : Lk. 9:11b-17,



 

P. Louis Martin
Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747