Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka?

 

Alahady 06 janoary 2013

Fankalazana ny Epifania (Taona D)

 

 

Rehefa avy nankalaza ny Fetin’ny Fianakaviana Masina isika tamin’ny Alahady heriny dia mankalaza ny Epifania kosa androany. Mbola tafiditra tsara ao anatin’ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andrimanaitra ho nofo izao fankalazana izao ka anambarana amintsika ny maha Mpanjaka an’i Jesoa Kristy, ary izany dia efa niseho niharihary hatramin’ny nahaterahany. Ny teny hoe « Epifania » dia midika indrindra ho fisehoan’Andrimanitra miharihary amintsika olombelona ka nahatonga ireo Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema hanotany hoe « aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? » (Mt. 2: 2). Amin’ny ankapobeny dia tsy tena milaza mazava ny toerana niavian’ireo Majy ireo ny Baiboly, ny fantatra fotsiny dia hoe, vahiny izy ireo ary notarikin’ny kintana ka tonga hitsaoka an’i Jesoa Zazakely teraka tao Betlehema.
Ny fahatongavan’ny Majy tao Betlehema araka izany dia fambara mazava ho antsika fa tonga hamonjy ny olona rehetra tsy misy avakavaka i Jesoa. Izany hoe, tsy tonga ho an’ny Jody irery ihany, fa tonga ho an’ny olona rehetra manerana ny tany. Io indrindra no ambaran’i vakiteny faharoa izay aroson’ny Fiangonana amintsika androany ka ilazan’i Md Paoly amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Kristianina tany Efezy fa : « ny jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody ao amin’ny Kristy Jesoa, noho ny ninoany ny Evanjely » (Ef. 3: 6). Eto dia tsara hazavaina ihany ny hevitry ny teny hoe « jentily ». Matetika ny ahazoantsika ny teny hoe « jentily » na « jentilisa » dia hoe tsy mpino na tsy mpivavaka. Tsy dia izany loatra anefa no tena heviny fa ny dikan’ny teny hoe « jentily » dia ireo Mpino nanaraka ny finoana an’i Jesoa Kristy ivelan’ny vahoaka Jody. Izany hoe, raha adika amin’ny teny tsotra dia ireo Kristianina tsy Jody no atao hoe « jentily ». Raha tiantsika ny handalina bebe kokoa mahakasika izany dia ny Boky mitantara ny Asan’ny Apostoly no tena miresaka be dia be mahakasika ny Jody sy ny Jentily izay samy nanaraka ny fampianaran’ny Apostoly ary nino an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.
Azo ambara ary fa misolo-tena antsika rehetra mpanara-dia an’i Kristy ireo Majy telo lahy tonga nitsaoka an’i Jesoa tao Betlehema ireo. Tsy Jody izy ireo fa vahiny ka azo heverina fa efa fanomanana sahady ny fon’ny olona rehetra handray ny famonjena entin’i Jesoa Kristy izay tsy Mpanjakan’ny Jody fotsiny fa Mpanjakan’ny firenen-drehetra. Io maha Mpanjaka an’i Jesoa Kristy io anefa no niteraka savorovoro teo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka tao Jerosalema. Hitantsika amin’ity Evanjely androny ity fa taitra sy sahiran-tsaina mafy i Heroda mpanjaka, mbamin’i Jerosalema rehetra nony nandre izany, « ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: Aiza no hahaterahan’ny Kristy? Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany: Ary hianao, ry Betlehema tanin’i Jodà, tsy hianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka izay hifehy ny oloko » (Mt. 2: 4 – 7). Mazava ho azy fa teraka tao am-pon’i Heroda avy hatrany ny fankahalana an’i Jesoa satria nihevitra izy fa ho avy handrombaka ny fahefany no nahatongavan’ilay Mpanjaka vao teraka ka nahatonga azy hiteny tamin’ny Majy nanao hoe : « andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza; ary rahefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka azy » (Mt. 2: 8). Tsy ny hitsaoka an’i Jesoa anefa no tena tao an-tsainy fa ny hamono azy ary izany indrindra no nahatonga ny Majy tsy niverina tany aminy intsony fa nandeha lalan-kafa rehefa nody. « ary rahefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Heroda, dia làlan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany » (Mt. 2: 12).
Izao fankalazana ny Epifania izao ary no iatsoan’ny Fiangonana antsika ihany koa mba hanantona sy hitsaoka an’i Jesoa izay nietry tena ho tonga olom-belona ho famonjena antsika. Volamena sy emboka manitra ary mira no nentin’ny Majy natolotra ho fanomezana fa ho antsika kosa inona no mba fanomezana hatolotra an’i Jesoa? Fanontaniana mipetraka amintsika tsirairay avy io saingy ny tena marina dia tsy manan-katolotra azy isika fa Izy no efa nanolo-tena ho antsika ka ny azontsika atao dia ny manolo-tena aminy ihany koa amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka sy mandray Sakramenta. Miara-mivavaka ary isika amin’izao fotoan-dehibe ankalaza ny Epifania izao mba tena hanana finoana velona ka hazoto hanatona an’i Jesoa tokoa ary handray azy ho Mpanjaka mifehy ny fiainan-tsika isan’andro ka na inona na inona ataontsika dia ho voninahitry ny anarany sy ho fitoriana ny fanjakany manerana ny tany rehetra sy amin’ny olona rehetra tsy misy avakavaka.
 
 
P. Louis Martin
Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117