Zava-miafina ambony sy lalina ny amin’ny fijaliana

05 Febroary 2012. Alahady tsotra faha-5, Taona B.

 

Maty ho antsika i Kristy, fony isika mbola mpanota, marika milaza izany fa tena tia antsika tokoa Andriamanitra (Rm 5,8-9). Dia toy izany koa ireo ray aman-dreny, mifofotra sy miasa mamelona ny zanany. Fa mafy koa ny mahazo ilay tena tia namana, manao vy very ny aina manompo ao amin’ny Tompo ny olo-malalany, izay mampitondra jioga mavesatra ho azy indraindray. Tsy lavitr’izany ireo mpanokan-tena, manompo ny Fiangonana sy ny hafa ao amy Tompo, kanefa toa fanenjehana no azony. Koa zava-dehibe, sady misy antony ambony, ny fijalian-tsika eto an-tany. Ny tena olon’afaka anefa no mifaly amin’izany, ka miombona feno tanteraka amin’ny Tompo, satria ny fijaliana dia toa tandra vadik’oditry ny fitiavana.

Nifikitra sy nitia an’Andriamanitra i Jôba, nefa koa nijaly na dia olo-marina aza. Feno tebiteby izy, ary mandry an-driran’antsy mandritry ny alaina, araka ny fitarainany ao amin’ny vakiteny voalohany; nitodika ny Tompo izy, ilay hany mpanafaka sy mpamonjy, satria tsapany fa fofona kely foana ny ainy, koa ao amin’ny Tompo ihany no hahitany fiadanana (cf Jôb 7,1-4.6-7). Manasitra ny torotoro fò anefa ny Tompo; izy no aoka hiankinantsika, manasitrana ny fò maratra izy, ary manandratra ny ory (cf Sal 146), koa matokia Azy isika.

Ny Evanjely anio kosa dia mitantara ny aretina mafy nahazo ny rafozambavin’i Simôna (Piera) izay nandry teo am-pandriana; nambara an’i Jesoa izany, ka nanatona nandray ny tanany izy, ary sitrana ramatoa ka nitsangana nikarakara nanao ny fanompoana ity vahiny nitondra famonjena ho azy. Nony hariva ny andro dia maro ireo narary nentiana teo amin’i Jesoa ka nositraniny. Nony ampitso, nandeha nakany amin’ny tanàna maro hafa koa i Jesoa, nanasitrana aretina maro sy nandroaka ny demony (cf Mk 1,29-39). Nahalala sy natahotra an’i Jesoa ireo demony, ka tsy tokony misy hatahorantsika ny ratsy sy ny demony fa momba antsika i Kristy ilay efa nandresy ny ratsy rehetra; ny fijaliana indrindra no mampiharihary ao amintsika ny herin’Andriamanitra sy ny voninahiny, koa ao amin’i Kristy Jesoa no handresentsika ny ratsy sy ny fijaliana rehetra.

Lazain’i Paoly moa fa adidy tsy maintsy efainy ny fitoriana ny Evanjely, raka ny vakiteny faharoa anio. Andriamanitra irery no omeny voninahitra amin’izany, koa ny fitoriana mimai-poana ny Evanjely no lazainy fa hany valisoany. Niezaka hitory ny Evanjely tamin’ny fampiaharana ny voliaina i Paoly mba hamonjeny izay rehetra nifanena taminy (1Kôr 916-19.22-23). Koa ny fitoriana vaovao ny Evanjely, mifanaraka amin’ny teotr’andro, kolontsaina sy haifomba, hairaha sy haitao ary haiserasera rehetra misy ankehitriny no isan’ny vaholana tsotra sy mahomby, ho fanampiana ny olon-drehetra hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fijaliana sy ny fahoriana mianjady amin’izao fiainana izao, izay tsy sazy avy amin’Andriamanitra akory, sanatria, fa vokatry ny tsy fahalavorarian’ny tontolo sy ny natiora izany, fa eo koa ny hetraketraky ny zanak’olombelona diso  lalana sy safidy ka mampanjaka ny fitiavan-tena sy mandrodana ny fitiava-namana.

Ny asa fanao andavanandro no entintsika maneho an’i Kristy sy ny Fitiavany, hampajakana ny tena fiadanana marina. Koa alao hery àry fa be fitiavana ny Tompo, mangoraka sy antra Izy, ary manainga anao hiombona aminy sy ny Fiangonana Fianakaviany, mba hifampizara ny manta sy ny massa, hifanampy hiara-mitsako ny ny mangidy sy ny mamy, tsy hiroa fò hisetra ny mafy sy ny sarotra eo amin’ny fiainana, tsy hitandro hasasarana amin’ny asa rehetra izay atao, tsy hitsitsy aina, kanefa tsy manantena valiny hafa afa-tsy ny mahalala fa manatanteraka ny sitrapon’izy Andriamanitra, ho fanasoavana ny be sy ny maro.

Andriamanitra, omeo ny fahasoavanao, ny havako, ny mpano soa ahy, ny sakaizako sy ny fahavaloko; vonjeo ny mahatra, ny marary sy ny miala aina; tariho ao amin’ny Eglizinao ny olona mivavaka aminao amin’ny fò mahitsy; ampivalozy ny mpanota ary tsilovy ny tsy mino. Andriamanitra, afaho ny fanahin’ny olo-marina izay mbola ao amin’ny afofandiovana, ka omeo ny fiadanana mandrakizay izy (Vavaka Andavanandro n. 53, p. 37).


Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104