Velona marina i Jesoa Kristy Tompo!

Alahady 22 avrily 2012, Taona B, Paka III

 

Nanambara sy nitory ampahi-bemaso i Piera sy ireo apôstôly mbamin’ireo mpianatra namany fa, velona tokoa ny Tompo ilay novonoina, sady efa andresy ny fahafatesana sy ny ratsy rehetra. Novonoina tokoa ny Tompon’ny aina, saingy nantsangan’Andriamanitra ho velona, koa mila fivalozana sy fibebahana ny fiaina mba ho afan-keloka izay diso noho ny tsy fahalalana, toy ny namonoan’ireo Jiosy fahiny an’i Jesoa rehefa avy nampijaliny (cf Asa 3,13-15ss).

Mananatra i Masindahy Joany sady milaza mazava fa: sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika i Jesoa Kristy, ary tsy ny antsika ihany fa ny an’izao tontolo izao koa. Ny fitandremantsika ny didiny no milaza fa mahalala ny Ray isika. Nefa kosa raha misy olona nanota dia manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay marina, efa natao sorom-pifonana ho antsika (cf 1Jo 2,1-5)

Eny, efa nitsangana tokoa ny Tompo, saingy noho isika tsy mitandrina ny didiny sy tsy manaraka ny sitrapony dia matetika no diso làlana sy fihevitra isika. Takon’ny fiahiana diso tafahoatra ny fiainana sy ny asa aman-draharaha ny fò amam-panahintsika, ka tsy mahatsapa akory fa eo amin’ny fiainana an-davanandro no isehoan’ny Tompo amintsika: ao amin’ny namantsika sy ny manodidina antsika ary miara-miasa tsy tapaka amintsika Izy. Hany ka zary tonga toa ireo mpianatra roalahy tany Emaosy sy ireo mpianatra nivory tao Jerosalema, izay samy tsy nahalala Ilay Nitsangan-ko velona raha tsy nisy famantarana nomena hahalalany azy (cf Lk 24,35-48). Ny tahotra, ny ahiahy sy ny fiahiana diso tafahoatra ny fiainana dia mamono ny finoantsika ary maharendremana antsika. Koa samia miezaka manao jery todika ny fiainana mba hahatsapana sy hahalalana ny tena sitraky ny Tompo sy ny fitiavany eo amin’izay rehetra atao.

Mihanta aminao izahay ry Tompo,enga anie izahay mirana sy tomady fa nahazo ny aim-baovao sy nomenao hafaliana vokatry ny Paka mba hijoro ho vavolombelonao lalandava!

 

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099