Tsy mifidy olon-kotiavina Andrimanitra!

Alahady 13 may 2012, Taona B, Paka VI

Nanafaka ny vahoakany ny Tompo (Iz 48,20). Tsy mifidy tavan’olona Andriamanitra. Mandrotsaka ny fahasoavany amin’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka izy. Manambara amintsika ny tena fitiavany izany.

Nidina tamin’ny Jentily ny fanomezan’ny Fanahy Masina (Asa 10,25-26.34-35.44-48). Izany no zava-nitranga tao Sezarea sy tao amin’ny ankohonan’i Kôrnely, kapiteny rômanina. Koa rariny raha hihira hira vao isika, fa mahagaga tokoa ny zava-bitan’ny Tompo, ary manerana ny tany ny hatsaram-pony.

Eny, Fitiavana Andriamanitra, ka aoka hifankatia koa isika, satria izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, fa izay tia kosa no mahalala azy. Ny nanirahany ny Zanany Lahitokana hamonjy sy hanavotra antsika no nampisehoany amintsika ny tena fitiavany. Izy lahateo moa no efa nitia antsika mialoha, ary naniraka io Zanany io ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika (1Joany 4,7-10).

Izy Kristy Jesoa mihitsy àry no milaza fa: tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Koa tahaka ny nitiavan’ny Ray ahy, hoy izy, no nitiavako anareo koa. Raha mitandrina ny didiko ianareo, hoy ihany izy, no mitoetra ao amin’ny fitiavako. Ny fitandremany ny didin’ny Ray no itoerany ao amin’ny fitiavany. Mba hahalavorary ny fifalianareo, hoy izy, no ilazako izany aminareo. Koa ny didiko, hoy ihany izy, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy ataony hoe mpanompo intsony isika fa efa nataony hoe sakaiza, satria efa nanambarany antsika sy manontolo izay rehetra reny tamin’ny Rainy. Eny tsy isika no nifidy azy Tompo, fa izy no nifidy antsika, sy nanendry antsika mba haharetan’ny vokatra isasarantsika, sy hanomezan’ny Ray izay angatahintsika aminy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo (Joany 15,9-17). Izany no mahatonga ny vavaka rehetra fanaontsika hifarana amin’io antso io (Amin’ny alalan’ny Kristy Tomponay...). Lehibe izao didin’i Jesoa Tompo izao: “Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo”; tena tsara harahina sy hiainana tanteraka, fa tsy horesahina na ho tenenina fotsiny izany. Koa angataho àry ny fahy Masina mba hanampy sy hanohana antsika hanao ny sitrapony ho fanatanterahana ny didiny.

Aza avela hivily amin’ny làlanao izahay ry Tompo. Ampianaro anay sy ampahatishivo anay hatrany re ny sitrapoanao masina, izay efa voarakitra sy voafehin’ny didim-pitiavana. Amen!

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0498