Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra hianao

Alahady 04 novambra 2012, Mandavantaona faha 31 (Taona B)

Amin’izao vanin’andro ankehitriny izao dia mety misy ihany koa ny tahaka ity mpanora-dalàna anankiray ity ka manontany hoe: « Inona no voalohany amin’ny didy rehetra? » (Marka 12: 29) Misy aza ny mihevitra fa tsy misy izany didin’Andriamanitra izany fa rehefa miaina manaraka ny fitsipika apetrakin’ny fiarahamonina ianao dia ampy izay. Amintsika Kristianina dia mazava ny tenin’i Jesoa namaly ilay mpanora-dalàna manao hoe: « Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra, sy amin’ny sainao rehetra, ary amin’ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany » (Marka 12: 30 – 31). Ambaran’i Jesoa amintsika ihany koa izany ididy izany ary anasany antsika hametraka ny fitiavana an’Andriamanitra hanana anjara toerana voalohany amin’ny fiainantsika andavan’andro. Amin’ny fomba manao ahoana moa no hampisehoana izay fitiavana an’Andriamanitra izay ? Eo aloha voalohany indrindra ny fanajana ny andro Alahady sy ny fety voadidy hohamasinina tahaka ny tamin’ny voalohan’ny volana novambra lasa teo. Tsy fombafomba fotsiny na fandanian’andro aokory ny fandehanana any am-piangonana fa tena fanehoam-pitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo sy fanahy ary saina tokoa.

 
Tsy mandeha ho azy ny famonjena fiangonana isan’Alahady fa tena mila fandavan-tena lehibe ary raha tsy vokatrin’ny fitiavana dia lasa fandanian’andro fotsiny. Maro ireo manararaotra ny Alahady hialana sasatra na hialana voly ka raha tsy eo ny famaliana ny fitiavana an’Andriamanitra dia mety ho voatarik’izy ireny isika ka tavela ho azy ny mandeha mivavaka. Tafiditra ao anatin’ny didy folo rahateo ny fivavahana any am-piangonana rehefa Alahady fa tsy natao hiasana ka izay no maha fanehoam-pitiavana an’Andriamanitra azy. Anisan’ny fanehoam-pitiavana an’Andriamanitra ihany koa ny fisaorana Azy sy ny fangatahana ny fahasoavany amin’ny fiainana andavan’andro. Fomba mahazatra ny mivavaka aloha sy aorian’ny sakafo, tahaka izany ihany koa rehefa mifoha na hatory. Indrisy fa maro ny fianankaviana no tsy miara-mivaka intsony alohan’ny hatory na rehefa mifoha maraina fa samy mandeha fotsiny amin’izao. Na amin’ny sakafo aza dia indraindray toa lasa mahamenatra ny mivavaka indrindra ny manao famataran’ny Hazofijaliana ka zary hadino ny maneho ny fitiavana an’Andriamanitra izay nanome ny aina sy ny sakafo hohanina. Ohatra ihany ireo fa maro be ny fomba azontsika atao hanehoana ny fitiavana an’Andrimanitra.
 
Tsy ny fitiavana an’Andriamanitra ihany anefa no nampianarin’i Jesoa fa nampiany hoe : « Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo » (Marka 12: 32). Tsy afa-misaraka amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny fitiavana ny namana. Izany indrindra no nambaran’i Md Joany amin’ny taratasy voalohany nosoratany manao hoe : « raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy, satria, raha ny rahalahiny hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany? Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa » (I Joany 4: 20 – 21). Maro ny fomba azo anehoana io fitiavana ny namana io eo amin’ny fiainantsika andavan’andro koa anjaran’ny tsirairay ary no mandini-tena sy mijery eo anatrehan’Andriamanitra ny toetrany raha ao tokoa izay fitiavana ny namana izay na tsia. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady izao mba tena hanana ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana tokoa ka ho mendrika ny hilazan’i Jesoa hoe « Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra hianao. »
 
P. Louis-Martin a.a.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0298