Tena fihinana ny nofoko ary tena fisotro ny rako

Alahady 19 aogositra 2012, Mandavantaona – 20, Taona B

Lalina ny hevitra fonosin’ny Evanjely amin’ity andro ity. Satria izay voalazan’i Jesoa dia fanafintohinana ho an’ny sasany fa kosa hery lehibe ho an’izay mino. Hano ny mofoko ary sotroy ny divay nampifangaroiko, aoka hiditra izay kely saina, ary aoka handao ny tsy fahalala izy; izany raha fintinina no tian’ny Boky Ohabolana hampitaina (cf Ohb 9,1-6). Aoka hankafy sy hanarana fo amin’ny Tompo isika, tsy handao Azy, hatahotra Azy am-pitiavana sy fanetren-tena (cf Sal 33).

Aoka tsy himamo divay isika fa loharanom-pahotana izany. “Mifoenoa ny Fanahy Masina ianareo”, hoy ny apôstôly Paoly, mananatra antsika. Koa aza manaonao foana àry, fa fantaro aloha ny sitrapon’ny Tompo, ary hararaoty hanaovana ny herinao dieny mbola misy ny anaio fa ratsy izao androntsika izao (cf Efez 5,15-20). Ny Tompo no manana ny Teny Fahamarinana ka aoka hanatona Azy am-pinoana isika mba hohamasininy sy hofenoiny ny fahasoavany.

Olana, saika hatrany am-piandohana ny amin’nyy Vatana aman-dRa masina’ny Tompo, raha nanambara mazava izy fa tena fihinana ny “nofoko na ny tenako” ary ten fisotro ny “lioko na ny rako”. Nampifanditra ny Jody izany ary nampisara-bazana azy ireo. Ankehitriny dia mbola mifanditra noho izany ireo samy Kristianina, nefa anei dia efa mazava dia mazava ny tenin’ny Tompo e: «[...] Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro [...]» (Joany 6,51-59). Teny fampianarana ambony sy avo lenta izany, ka tsy azo lavina, ary tsy mandainga Izy Tompo raha nilaza izany. Koa ny Eokaristia no fomba napetrany hahafahantsika manatanteraka izany, fa tena ao amin’io Sakramenta io tokoa Izy ilay nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona, Izy no manao sy mampanao izany, ary Izy no ao na dia tsy hitan’ny masontsika mivantana aza fa kosa mameno ny ati-fanahintsika sy manome ny fahasoavany manokana dia manokana amin’izany sakramenta izany.

O ry Jesoa Mofo Velona sy Mofon-pitiavana ô, velomy lalandava ao aminao izahay ary aza avelanao handao anao na oviana na oviana! Arovy amin’ny hevi-diso sy fampianarana mivaona isakarazany izahay ka hifantoka lalandava amin’ny marina natoronao anay! Inao tokoa no raisinay ao amin’ny Eokaristia na ny Komonio Masina, koa omeo hery sy tanjaka izahay hanohitra ny fahafatesana sy handray ao aminao ny tena Aina mamelona mandrakizay! Amen!



Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106