Sorom-pihavanana sy Sakafo mampiray ny Eokaristia


Ny Vatana aman-dràn’i Kristy, Alahady 10 jiona 2012, Mandavantaona – 10, Taona B

.

 

Ny Ran’ny Fanekena Vaovao no nanavotana antsika, ary ny Mofoaina no amelomananta antsika. Sorona mahavonjy izany; zavamahagaga nataon’ny Tompo! Koa ampahatsiahivina etoana ny Katesizy momba ny Vatsy Masina sy ny Famonjena antsika rehefa ho faty, araka ny hafatry ny Tompo sy ny fampianaran’ny Fiangonana.

Sarotra ny androntsika izao ary mafy ny ady atrehintsika, satria mihanaka ny fampainaran-diso ary miparitaka toy ny anana sy ny ahi-dratsy ny fiangonana tsy mari-pototra ka samy mandeha amin’ny làlany, ary be no mater tokoa. Vitsy ny kristianina tena voataiza amin’ny finoana sy fitiavam-bavaka ankehitriny, ary mihena lahateo ny isan’ny pretra any amin’ny tany maro. Nefa ny Eokaristia no mampatanjaka ny aim-panahintsika sy mamelona sy ny Fiangonana iray manontolo.

Koa aza hadino àry, fa raha afaka manome ny Batemy an-kamehana ny rehetra, dia isika vita Batemy rehetra ihany koa no asaina hanatona ny Komonio masina, ary indrindra hangataka izany ho Vatsy Masina amin’ny andro hisentoantsika farany. Inona àry no hatao raha tsy misy Pretra? Raiso i Kristy! Fomba telo mantsy no azo andraisantsika ny Tompo, ilay hany Mofoaina mamelona sy mamonjy antsika.

Ny fomba voalohany sy tsara indrindra dia ny fanaon’ny pretra: manome ny Sakaramentan’ny Fampihavanana arahin’ny Fanosorana ny Marary sy ny Eokaristia ho Vatsy Masina. Asain’ny Fiangonana hanome ny sakramenta ilain’izay ambavahaona kosa, ny pretra rehetra no-voahosotra tamy fomba mandaitra sy ara-dalàna, arakaraka ny lalàna mifehy antsika sy manoloana ny zava-misy tsy azo anoharana (cann. 976-977; 1003; 1005; 1379; 392§2; 739), koa tsy tokony hisalasala handray ny Famonjena isika, na dia sanatria aza pretra efa niala, no voatery hanome izany, ary amin’ny zavatra mety mampisalasala rehetra dia aoka hino sy hanaiky tanteraka ny Fiangonana isika, fa izy no misolo vaika ny akalana amin’izany (can. 144) ary izy koa no manao ny fandaminan-draharaha rehetra (can. 145) ho Famonjena ny olombelona arak’izay nankinin’i Kristy taminy.

Ny fomba faharoa kosa, raha tsy eo ny pretra fa ny mpizara Komonio tsotra, dia ny fanaovana Komonio, ialohan’ny fanenenana tsara indrindra, satria tamin’ny andron’ny Aban’ny Fiangonana dia ireo Diakra no nanatitra ny Komonio ho an’ireo izay nasintaka sy nahataka, noho ny fivadihan’izy ireo tamin’ny Finoana marina, ka dia ny Komonio Sakafo mampiray sy mampihavana no mamerina azy moramora indray ao amin’ny Tompo sy ny Fiangonana, alohan’ny hahafatesany; ary ny fibebehaba marina avy ao anaty, noho izy mangataka ny Famonjena, no manafaka azy amin’ny fatorana sy ny gadra-mpahotana rehetra, ka ahazoany mandray ny Komonio ho Vatsy Masina antoky ny Famonjena.

Ny fomba fahatelo kosa dia ny fanaovana ny fanenenana tsara indrindra, arahin’ny fanirina na ny Komonio am-panahy, izay antoky ny Famonjena ihany koa, satria “sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinan’Andriamanitra fa homen’i Kristy azy izany”.

Tsy mahazo mitana heloka ny Fiangonana, ka ny olona rehetra mibebaka amin’ny ora iainany farany, na dia ny heverina ho mpanota sy ratsy indrindra aza, raha mangataka ny Batemy sy ireo Sakramenta mahavonjy, alohan’ny hahafatesany, dia tsy maintsy omena azy izany. Koa ireo vakiteny anio dia manamafy izany avokoa, satria tandindon’ny Ran’ny Fanekena Vaovao (tao i Kalvary) no nataon’i Moizy tamin’ny Vahoakan’Andriamanitra (Eks 24,3-8), ary ny Ran’i Kristy no manadio antsika, hoy ny Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb 9,11-15); sady tsy mahazo mandainga i Jesoa raha nilaza, tao amin’ny sakafo farany, fa: «“Vatako ity… Rako ity…”, “Hatolotra… sy Halatsaka, ho anareo sy ho an’ny be sy ny maro, ho famelana ny fahotana”. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy!», (Mk 14,12-16.22-26). Izy koa no nanambara fa izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no hanana ny fianana mandrakizay (cf Joany 6). Koa aoka àry ho fatra-panaja sy mazoto mandray izany mistery lehibe izany isika, ry hava-malala rehetra.

Ry Jesoa Kristy izay raisinay matetika ao amin’ny Sakaramenta Masina ô! Oneno sy anjakao izahay! Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po. Ataovy mahahaka ny Fonao ny fonay! Amen!

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179