Ray aman-dreny mpamelona Andriamanitra!

18-T.O.B-2009.jpg

Manainga antsika hanokatra ny fò mba handinika lalina ny tenin’ny Tompo ny voalazan’ny Paoly apôstôly raha miteny antsika izy mba tsy hanao fitondran-tenan-Jentily. Koa aoka àry hitafy ny olom-baovao isika ary hiala amin’ny fitondran-tena taloha, ka hizotra araka ny fahamarinana sy ny hitsiny (cf Efez 4,17-20.24) hidirantsika amin’ny tena fiainana ao amin’i Jesoa Tompo!

Tsy izany mantsy fa maro amintsika no mimenomenona toy ny Zanak’Israely fahiny tany an’efitra, nefa na izany aza dia mbola nandrotsahan’ny Tompo ny mana avy any an-danitra ihany ireto vahoakany ireto (cf Eks 16,2-4.12-15). Dia toy izany koa isika ankehitriny, na dia tsy mety afa-pò amin’izay tolo-Janahary miavosa aza isika, noho ny fitiavan-tena diso tafahoatra na ny tsy fahampian’ny finiavana, ka mitoreotoreo sy be taraina lava, saingy omeny ilay Zanany, hany tena Mofon’aina sady Mofo-Aina nidina avy any an-danitra hamelona antsika mpanota very làlana sy efa isan’ny maty. Koa sambatra izay mihinana izany Mofo izany fa tsy ho noana intsony izy ary tsy hangetaheta mandrakizay (Jaony 6,24-35).

Voaantso handà sy hanohitra ireo eritreritra tsy manjary maro miserana ao anatintsika isika mba hahalala bebe kokoa an’i Kristy Jesoa, ilay manolotra antsika ny Mofo antoky ny fiainana sy ny Kalisy antoky ny famonjena. Koa mba tsapanao tokoa ve ny mahazava-dehibe ny Eokaristia izay tsy misaraka amin’ny Fivalozana na ny Sakramentan’ny Fampihavanana?

Ô ry Mofo novakina natao hampiombona ô! Omeo hery sy tanjaka hatrany izahay ary tariho hivelona ny Fihavanana sy Firaisankina ao anaty Fitiavana sy fandeferana ary Fanatenana entanim-Pinoana! Amen!

 

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1638