Ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ialana!

22 Janoary 2012. Alahady tsotra faha-3, Taona B.

Fotoana ivavahana manokana ho an’ny Fiombonan’ny Mpino

 

Sarotra ny mahita mazava ny làlan’Andriamanitra raha tsy vonona hanaraka ny didiny isika, koa ny lalàn’ny Tompo no toy ny arofanina manondro mazava amintsika izay tena làlany. Fantatry ny mpanao Salamo izany ka ampahatsiahviny fa tsara sy mahitsy ny Tompo ary manoro làlana ny mpanota Izy, hoy ny setrin’ny vakiteny voalohany teo (Sal 24,4-9).

Araka ny Bokin’i Jônasy Mpaminany vakina anio dia fantatra fa nibebaka ny mponina tao Niniva rehefa nahare ny tenin’ny Tompo nampitondrainy an’i Jônasy. Ny atao hoe mibebaka dia tsy vitan’ny hoe miova fomba fanao fotsiny, fa miova ao anaty, mizotra amin’ny làla-mahitsy, miala amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fahotana amam-pahalotona rehetra. Niala tamin’ny làlan-dratsiny tokoa àry ny mponina tao Niniva, nino an’Andriamanitra izy ireo, niantso fifadian-kanina; dia notsenainy famindram-po’ sy famelan-keloka ary tsy nampihariny tamin’izy ireo ny loza izay saika ho nafitsony (Jônasy 3,1-5.10). Tsy isan’ny Vahoakan’Andriamanitra ny Ninivita, fa any amy faritany hafa mihitsy, hafa firenena satria tsy Jiosy. Midika izany fa miantefa amin’ny Firenen-drehatra ny fitiavana amam-pamindram-pon’ny Tompo.

Voalazan’ny Evanjely anio fa miantso antsika hibebaka i Jesoa, ary tany Galilea no nanombohany nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Galilean’ny vahoaka no filaza azy, satria izy io dia faritany ifamoivoizan’ireo olona samihafa fiaviana, heverina ho tanin’ireo maizina ara-pitondran-tena, nefa kosa nahita ny tena fahazavana mibaliaka. Izao no tenin’i Jesoa tamin’ireo nihaino azy voalohany: «Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely» (Mk 1,14-20). Miantefa aminao sy amiko izany antso izany anio, toy ny niantsoany ireo mpianatra efatra mirahalahy, taorianakelin’ny fampianarany, dia antsoiny koa isika; antsoiny hanaraka Azy, hivondrona sy hiray hina ao aminy. Samy manana ny ekipany ary mpifaninana malaza ireto mpanarato ireto: I Simôna sy Andrea etsy andaniny, ry Joany sy Jakoba ary ny rainy kosa etsy ankilany, nefa samy nantsoiny tsirairay mihitsy aloha ny samy mpirahalahy avy, izay tena samy manana ny maha izy azy avokoa; avy eo indray dia ny ekipa roa no indray natambany, ary dia samy nanaraka Azy, samy niombona tao aminy, samy nanana ny nampiavaka azy, saingy rava ny fifaninanana sy hambompò diso toerana, fa namondrona ny heriny ao amin’i Jesoa ilay niantso azy ireo ho lasa mpianany izy efa-dahy, ary mbola nitarina namana maro hafa koa, dia samy tonga isan’ny Fivondronam-ben’ny apôstôly 12 lahy, samy manana hafanam-pò nijoroany ho vavolombelona.

“Izay mitambatra vato, fa izay misaraka fasika”. Koa antsoina hivondrona isika rehetra izao mba hijoro ho vavolombelon’ny fitiavana, ao anaty fitiavam-bavaka sy fitiava-namana, miezaka mandala ny rariny sy ny hitsiny ary miaro ireo madinika sy mahantra. Isika izao no iantefan’ny antson’ny Tompo, toa an’i Samoela kely tamin’ny herin’ny androany, ary tahaka azy efa-dahy dinihintsika anio. Mandalo mantsy ny endrik’izao tontolo izao ary fohy ny andro (1Kor 7,29-31), koa tsy misy dikany ny rehak’izao fiainana izao. Nisy tokoa ireo nangoron-karena miavosa, fa nankaiza anefa izy ireny, ny fasana sy ny fahaverezana no anjara lovany raha tsy nanaraka ny làlan’ny Tompo izy ireo. Maro koa no milaza ankehitriny fa azo ovana ho manja be na ny tarehy ratsy aza; eny, tsy hiady amy mpanao siansa mahay manatsara tarehy sy vatana isika, saingy mazava kosa fa misy fetrany ireny, satria rehefa antitra dia mbola miroraka ihany. Vao maika aza loza ny vokany, satria tsy voa-Janahary intsony. Fa ny fanahy aman-toetra ratsy voaova sy nialana kosa dia sady soa tokoa no maharitra mandrakizay ary hianoka amin’ny famirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra.

Sarotra ny miala amin’ny mahazatra, fa kosa soa ny miady amin’ny faharatsiana sy ny fahazaran-dratsy, koa alao hery àry, nefa aza miady irery fandrao resy. Antsony ny Tompo handefa ny Fanahy Masina hanova ny fonao; angataho ny vavak’ilay Reny mamy hanampy anao, antsoy ny fitalahoan’ireo olomasina mba hankahery sy hitondra ny fitahian’Andriamanitra aminao, aza hadino ireo Anjely fa mpiaro anao. Koa herezo ny dia, ary henoy ny Tenin’ny Tompo izay miantso anao mba ho olon’ny fitiavana sy firaisana-kina ary fiombonana, hahay hihavana sy hifamela amin’ny olon-drehetra. Fototry ny tsy fivoaran’ny fianantsika zanak’olombelona ny tsy fitiavana sy fankahalana ny hafa, koa ataovy toy ny fasambao izany ary ataovy impito mandifitr’olona, fa mifanohitra amin’ny antson’Andriamanitra amintsika.

«Ry Jesoa Tompo ô, ampianaro izahay mba hahay miantra sy malala-tànana, mba tena hanompo Anao araka ny mendrika Anao, mba hifampizara ny manta sy ny masaka amim-pahafoizana tanteraka, mba tsy hiroa fò hisetra ny mafy sy ny sarotra na inon-kidona na inon-kihatra, mba tsy hitandro hasasarana amin’ny asa rehetra atao, mba tsy hitsitsy aina, kanefa tsy manantena valiny hafa afa-tsy ny mahalala fa manatanteraka ny sitraponao masina izahay. Amena!» (Md. Ignace de Lyola, Andian’ireo nivoaka tamin’ny faha-100 taona, Kolejy Masina Misely, Antanànarivo, 09.07.1988).

Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101