Nosohavina noho ny vehivavy rehetra ianao

 

Alahady 23 desambra 2012
Alahady Fahaefatra amin’ny Fiaviana (Taona D)

 

 

 

Azo heverina fa ao anatin’ny fialan-tsasatra iomanana amin’ny Noely ny maro amintsika amin’ity Alahady Fahaefatra amin’ny Fiaviana ity. Noho izany dia misy ireo fianankaviana no mifanantona sy mifamory amin’izao Noely izao mba hiara-paly sy hiara-mikorana. Fotoana ifamangian’ny mpianankavy tokoa ny fotoan-dehibe tahaka izao ka ifampizarana izay hafalina entin’i Jesoa Mpamonjy izay. Izany indrindra no nataon’i Masina Maria ary ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana amintsika androany. « Niainga Maria tamin’izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta » (Lk. 1: 39 – 40). Fotoana fohy taorian’ny nilazan’ny Anjely tamin’i Maria fa izy no voafidin’Andrimanitra ho renin’ny Zanany no nisehoan’ity famangiany an’i Elizabeta ity. Fantantsika rahateo fa i Elizabeta no reny niteraka an’i Joany Batista izay mpialoha lalana ny Mpamonjy ary efa nifampizarantsika teto ny fampianarana nentiny nandritra izay Alahady roa nifanesy izay. 
 

Vakiteny I : Mik. 5: 1 – 4

Tononkira : Sal. 80: 2 – 3, 15 – 16, 18 – 19

Vakiteny II : Heb. 10: 5 – 10

Evanjely : Lk. 1: 39 – 45

Mety manontany tena isika hoe : Inona moa no ilako an’izay fifamangiana nisy teo amin’i Masina Maria sy Elizabeta ? Moa tsy tahaka ny havana mifamangy rehetra ihany ve izany ? Marina tokoa fa raha jerena amin’ny maha olona dia tahaka ny zavatra mahazatra, indindra ho antsika Malagasy, izany hoe mpirahavavy mifamangy izany. Saingy ny mampiavaka azy dia ilay fahasoavana manokana netin’i Maria tamin’ny fitondrany tao an-kibony an’i Jesoa Mpamonjy ka nahatonga an’i Elizabeta nanandra-peo nidera an’Andriamanitra. « Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tao an-kiboko » (Lk. 1: 41 – 44). Mazava amintsika araka izany fa tsy dia ny fihaonan’i Masina Maria sy Elizabeta loatra no tian’i Evanjely havoitra eto fa ny fihaonana teo amin’i Joany Mpialoha lalana sy i Jesoa Mpamonjy, hany ka na mbola samy tany ambohoka aza izy ireo dia efa nifankahalala sy faly nifankahita.
 
Io fampianarana io indrindra no tian’ny Fiangonana hampitaina amintsika androany ka anamafisana fa saro-bidy ny aina ka na mbola any ambohoka aza dia efa miaina sy velona ka afaka mifaly tahaka antsika rehetra miriaria ety ivelany ihany. Izany no mahatonga ny Fiangonana hiady mafy ho fiarovana izay aina izay indrindra ireo tsy manan-tsiny ka tsy manaiky ireo fomba maro samihafa manohin-tohina ny maha saro-bidy ny aina nomen’Andriamanaitra antsika. Noho izany dia manana adidy isika hitarika ny mpiara-belona amintsika hahalala sy hahatsapa fa Andriamanitra irery no tompon’ny aina ka tokony hohajaina sy harovana manoloana ny fandrosoan’ny fikarohanana ara-siansa na ny fomba amam-panao sasany izay mivily lalana indraindray ka mitarika amin’ny fanitsakitsahana ny aina izay lahitokana hoy isika Malagasy ka tsy ananam-piry. Tsy ny fikarohana ara-siansa akory no ratsy, tena ilaina dia ilaina io saingy natao hiarovana ny aina izany fa tsy natao hanimbana azy tsy akory. 
 
Miomana hankalaza ny Noely isika izao ka ohatra lehibe ho antsika ny nataon’i Masina Maria namangy an’i Elizabeta. Midika izany fa fotoan’ny fifanantonana ihany koa izao, fotoana ifam-pizarana ny hafaliana ka ity Evanjely androany ity no mampahatsiarao antsika ny maha zava-dehibe ny fanantonana an’Andriamanitra voalohany indrindra ka angatahana ny famelan-keloka avy aminy. Amporisihin’ny Fiangonana ary isika mba tena hihazakazaka hanantona azy amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Ny fifamangiana dia mariky ny fihavanana ka tsy vitan’ny mihavana amin’Andrimanitra fotsiny isika fa mihavana amin’ny namana ihany koa, indrindra ireo izay mety manana olana amintsika. Fotoana izao hifanantonana ka aoka tsy hisalasala isika ny handray sy hihavana amin’ny namana indrindra ireo izay ananantsika lonilony. Tsy mora izany fa ilana fanetren-tena ka i Jesoa izay nietry tena ka nanaiky ho tonga olom-belona no angatahantsika hanome hery antsika amin’izany.
 
 
P. Louis Martin
Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1114