Nofidin'Andriamanitra isika mba hirahiny!

  Alahady 15 jolay 2012, Mandavantaona – 15, Taona B

 

Nirahin’ny Tompo haminany any amin’ny Vahoakany i Amosy mpaminany fahiny. Mpiandry omby sy mpamboly aviavy no raharahany (cf Amôs 7,12-15). Koa saika matetika dia ireo olon-tsotra sy heverina ho tsinotsinona no irahin’ny Tompo ho vavolombelon’ny fitiavany antsika.

Hamafisin’ny Paoly apôstôly izany ao amin’ny taratasiny ho an’ny Mpino tao Efezy, raha miventy ilay tonon-kira feno fisaorana ny Tompo izy. Eny ny Tompo tokoa no nitso-drano antsika tao amin’i Kristy amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, ary no tinendriny koa isika, araka ny sitraky ny fony sy ny fitiavany, mba hatsangany ho zanany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ny rany tokoa no nahazoantsika ny tena fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika. Tao aminy no nandraisantsika ny lovantsika araka ny fanendreny mahagaga, ary efa lova santatra ho antsika ny Fanahy Masina izay nanisiana tombokasé antsika mandra-pahatanteraky ny fanavotana an’izay rehetra nofidin’Andrimanitra ho fankalazana ny voninahiny (Efez. 1,3-14). Koa aoka hihaino ny lazain’ny Tompo isika fa efa tafahaona izao ny fitiavana sy ny fahamarinana ary mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana (cf Sal 84).

Ho fisantarana sy ho fampanjakana ny fiadanana, dia i Kristy mihitsy no nifidy sy naniraka ireo mpianatra, indrindra ireo roambin’ny folo lahy, sy nanome fahefana azy ireo handroaka ny fanahy maloto. Norarany tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo. Nanafatrafatra azy ireo ny Tompo mba hihinana izay omen’ny olona sy hitory fibebahana ho an’ny mpanota (Mk 6,7-13). Isika izao koa dia voairaka, na dia samy manana ny fetrany sy ny kilemany aza, nefa tsy sakana velively tsy handrosoan’ny fanjakan’Andriamanitra izany, na maro mpanota aza ny mpiangona dia natao mandavorary ny Fiangonana izy ireo izay mirafitra ho Vatan’i Kristy rehefa miaky ny helony sy noho ny fibebahan’ny mpanota maro, izay samy voaantso hijoro ho vavolombelon’ny Tompo.

Ry Jesoa Tomponay ô, ampio aho ary tantano am-pitivana, fa osa sy malemy, fa raha ny heriko irery ihany dia ho kivy an-dàlana aho. Eny ny hahatontosa ny irakao no tokoa no tena mamiko, fa omaly sy anio ary mandrakizay, dia tsy mba miova mihitsy ianao ry Jesoa ô!

 

 

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105