Mitaky finoana lalina sy matotra ny Eokaristia!

Ny ohatra navelan’i Elia mpaminany, miaraka amin’ny toa fahasorenany sy ny fiafenany tany Karmely no manampy antsika hahatsapa sy hahazo mazava tsara sy lalina kokoa ny dikan’ny hanoanana sy ny hetaheta mpahazo antsika, ary ny toa fahamainana tanteraka manoloana ny olana vokatry ny tsy rariny mety mahazo antsika. Namoy fò tokoa i Elia noho ny fanenjehana nataon’i Jezabela azy, ary nangataka ny ho faty tany an’Efitra, nefa tsy sitraky ny Tompo ny hahafaty izay mino azy, koa nirahiny ny anjeliny mba hanome sakafo an’ity mpanompony, dia niarina izy ka nihinana sy nisotro, ary ny hery azony tamin’izany sakafo izany no nanosika azy handroso hatrany antampon’ny tendrombohitr’Andriamanitra na Horeba (cf 1Mpanj 19,4-8).

Koa ankafizo sy anarano fò fa mamy ny Tompo. Isaory izy fa tsara sy be indra fò (cf Sal 33). Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, ary aza manao zavatra mampalahelo ny Fanahy Masina izay nanasiana tombokasé anareo, hoy i Paoly. Esory aminareo rehefa mety ho lolom-pò, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy ary hasomparana, fa kosa aoka mba harem fanahy sy handeha amin’ny fitiavana (cf Efez 4,30 – 5,2).

I Kristy ilay Mofo velona nidina avy any an-danitra àry no manasa antsika hihinana izany ao amin’ny fanasany dieny ety an-tany, izany hoe ao amin’ny fankalazana ny Eokaristia. Mofo mamelona mandrakizay izany ary ny Nofony sy ny Rany no atolony antsika ho sakafo mahavelona mandrakizay (Joany 6,41-52). Izay misy ny faty moa no itangoronan’ny voromahery, koa i Kristy Maty sy Nitsangan-ko velona no mamory antsika isaky ny mankalaza ny Sorona Masina isika, ary mitondra hery ho antsika izany ka mahatonga ho mahery sy misidina ambony, toy ny voromahery, ka tsara ho sakafoanintsika matetika tokoa. Aza tao atsirambina àry ny alahady raha mbola misy zavatra irîna ihany eto an-tany ary raha te ho lasa lavitra isika ao anaty ny fiainana ny rariny sy ny hitsiny eo am-pizorana ho any amin’ilay mandrakizay.

Ry Jesoa Mofo-aina mamelona anay ô, raiso re fa manolo-tena ao aminao izahay, ho fehezinao. Ianao tokoa ilay Mofon’Aina Mahavelona mandrakizay koa aza avelanao handao anao re izahay ary aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana! Amen!



Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099