Matoky sy mifankatia ary tsy matahotra ny tena apostoly!

Alahady 06 may 2012, Taona B, Paka V

 

Apôstôlikelin’ny Tompo avokoa isika rehetra izao fa samy vita batemy sy manara-dia Azy, koa tokony hifampatoky, tsy hatahotra, ary hiezaka hifankatia bebe kokoa hatrany. Izany no antony ilana hananana mpiantoka amin’ny Batemy, mba ho mpirahalahy sy mpirahavavy ary mpianadahy mianala ny samy kristianina eo am-pamakivakiana izao fiainana izao, ka hiara-midola, hifampitosy ary hifampitantana ho any an-dalina, hamonjy ilay paradisa soa.

Ny antoka nataon’i Baranabé ho an’i Paoly (Saoly fahiny) no nampahazo toky ireo mpianatra tao Jerosalema izay nenjehin’i Saoly sy ny namany fahiny, koa notantarainy tamin’izy ireo ny nisehoan’ny Tompo teny an-dalana ho any Damasy. Feno fahasahiana nitory an’i Kristy i Saoly, ary niadana sy nilamina ny Fiangonana eran’i Jodea sy Galilea ary Samaria tamin’izany (cf Asa 9,26-31). Zava-dehibe àry ny fifankatiavan’ny samy kristianina sady hamafisin’ny finoana tokana mampiombona lahateo izany, saingy mila vavaka sy ny fanampian’ny Fanahy Masina.

Ampahatsiahivin’i Joany ny didin’ny Tompo eto, dia ny hinoantsika Azy sy mba hifankatiavantsika. Koa raha tsy manameloka antsika ny fontsika dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika. Ary izay angatahintsika dia ho azontsika, satria manaraka sy mitandrina ny didiny isika. Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny fifankatiavantsika no didiny nomeny antsika arak’izany, ary dia ny Fanahiny Masina no mampiray antsika rehetra ao aminy (cf 1Joany 3,18-24). Koa didy lehibe ny fiombonantsika ary tsy tokony hatao atsirambina izany.

I Jesoa tokoa mantsy no foto-boaloboka, ary ny Ray no Mpamboly, isika kosa no sampana. Ny sampana izay tsy mamoa sy tsy mety mamokatra dia rantsanina ary tapahina mba hampamoa azy bebe kokoa; izay no tapahina kosa anefa dia zary maina ka hatsipy any anaty afo ho may. Koa asain’i Kristy hitoetra ao aminy lalandava isika, mba hitoerany ao amintsika. “Raha mitoetra ato amiko ianareo (hoy Izy), ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany”. Ny fahavokarantsina asa soa betsaka tokoa mantsy no voninahitra ho an’ny Ray sady porofo fa tonga mpianatr’i Kristy Jesoa tokoa isika (cf Joany 15-8).

Hoa anao ry sampam-boaloboka tsara firindra, mpino sy vita Batemy: mahaiza mamindra.

Ianao ry mpianatra natao h’ vavolombelona; mijoroa, mamirata toy ny vato velona..

Isika izao anie no Vatan’i Kristy Mpamonjy; mahay miombona ka sady faly no tony.

Misaora ny Tompo, misehoa mba ho tarany; fa ny fiainana sy ny tantara dia misy farany.

Mifankatiava ry mpino rehetra, aza misalasala; ary miarova ny rariny koa ianao ry hava-malala.

Isaory hatrany ny Tompo nanavotra antsika; dia i Kristy, làlana marina, Mofo-Aina ho antsika!

 

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01