Manosika antsika hiasa ny fitiavana an’Andriamanitra!

11 marsa 2012. Alahady Karemy III, Taona B

 

Zava-dehibe ny fiezahana hiova sy hiala amin’ny toetra ratsy amin’izao Karemy izao. Maro amintsika anefa no mbola mitaredretra. Ny Boky Eksaody dia mampahatsiahy ny Didy folo izay sori-dàlana hitondra antsika ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, ka hanaovantsika ny soa sy ny tsara, izay ho zary asa famonjena ny hafa sy ny tena. Antitraterin’ny Lalàna na Didy folo, avy amin’io sori-dàlana io, ny hitiavantsika azy Andriamanitra, sy hanompoantsika ny namana ao aminy (cf Eks 20,1-17).

Ambaran’i Paoly fa mitory an’i Kristy voafantsika izy, izay hadalàna ho antsika olombelona izany, fa kosa fahendren’Andriamanitra (cf 1Kôr 1,22-25). Saika matetika àry ireo olona miaina ny tena fitiavana ao anaty finoana no enjehina sy haratsina, satria tsy mifanaraka ary tsy mifandraika amin’ny filan’izao tontolo izao ny fombany sy ny fanaony, ka heverina ho toy ny adala izy, nefa dia izany no làlana itondran’Andriamanitra antsika kristianina, mba hanahafantsika an’i Jesoa.

Eny, toa misy tokoa ireo olona izay mampiasa ny Fiangonana ho zary fitaovana hilany ny tombotsoany manokana sy hanararaotany hahazoany izay ilainy fotsiny ihany. Dia izany no nataon’ireo mpanora-dalàna sy farisianina ary ireo mpiambina ny Tempoly tao Jerosalema fahiny, izany koa no nataon’ireo mahantra mpivarotra manararaotra ny fety hahazoana ny sitrany ahay kely anio. Lasa trano fivarotana àry mazava ho azy ny Tempoly. Nahatezitra an’i Jesoa izany ka nahatonga azy nandray ny andraikitra, niasa mafy nanadio ny Tempoly. Nohariny tamin’ny vatany anefa ny Tempoly, ka nolazainy hoe: “ravao fa hatsangako ao anaty hateloana” (Jo 2,13-25).

Moa tsy namidin’i Jodasy ka nataony filam-bola ve i Jesoa, ilay Tempoly ambony sy be voninahitra?  Moa tsy fitiavan-karena ve no nanosika ireo mpikarakara ny Tempoly tao Jerosalema fahiny hamela ny olona hivarotra tao, mba hahazoana haban-tsena? Moa tsy fitiavan-karena ve no manosika ny sasany hampiasa ny Fiangonana ho fitaovana hahazoany ny tombotsoany na hahazoany seza, fa ao koa ny fialam-boly izay mety hilainy? Moa tsy fitiavana ny kely anio indraindray no manosika ny sasany handainga ka mamitaka ireo mpitondra fivavahana hahazoan-drala na raha hafa maro? Moa tsy mbola izany koa no manosika ireo kamo sy be kilavaka, tsy mety miasa, ka manatevin-daharana ireo mpilahatra eny amin’ny Karitasy?...

Koa ialao ny fitiavan-tena fa mitiava an’Andriamanitra sy ny namana dia hirotsaka hiasa sy hanompo ianao ary hiady ny ady tsara ho an’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana. Ialao ny hakamoana sy ny lainga fa izory kosa ny lalam-pitiavana sy ny firotsahana ho vavolombelon’i Kristy, fa vavolombelon’ny mpiasa ny bainga, koa dia samia manao izay ho afany dieny mbola misy ny atao heo: anio.

Tompo ô, aza avela hivily amin’ny sori-dàlanao izahay! Herezo hatrany hahay miahy ireo madinika isakararazany, hanomezanay voninahitra hatrany ny Anaranao masina! Amena!


Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101