Mandehana, hoy Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao

 

Alahady 28 oktobra 2012, Mandavantaona faha 30 (Taona B)
Miaraka misaotra an’Andriamanitra isika fa tontosa soa aman-tsara tamin’ny Alahady herin’ny anio ny fanambaran’ny Fiangonana ampahibemaso ny maha Olomasina an’i Mompera Jacques Berthieu. Nanetriketrika tokoa ny Fankalazana nandritra ny Sorona Masina lehibe izay notarihin’i Papa Benoit XVI. Tsy lasa-danja toa izany koa anefa ny fankalazana samihafa izay nisy teto Madagasikara indrindra ny tao Ambiatibe izay toerana nandatsahan’ity Olomasina ity ny Rany ho vavolombelon’ny finoana. Izay finoana izay indrindra no ambaran’ny Soratra Masina anio ka nilazan’i Jesoa tamin’i Bartime hoe « mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao » (Marka 10: 52). Io finoana velona io no nanentana ireo Olomasina tahaka an’ i Mompera Jacques Berthieu sy ireo maro hafa koa ka nahatonga azy ireo ho voavonjy ary ambaran’ny Fiangonana ampahibemaso fa azo alain-tahaka ny oha-piainana niainan’izy ireo.
 
Isika rehetra ihany koa dia samy miandrandra famonjena, ary izay no antony ivavahana sy angatahana mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny finoana ihany no lalana hidirana amin’izay famonjena izay ho antsika Kristianina. Izany indrindra no nahatonga ny Fiangonana hanokana taona iray manontolo ho « Taonan’ny Finoana ». Raha ny Evanjely androany no dinihina dia manambara amintsika fa tsy mora ny miaina ny finoana. Hitantsika i Bertime izay lehilahy jamba voatery nikiakiaka sy niantsoantso mafy izy rehefa nandre fa i Jesoa no nandalo. Ary teo indrindra no nahatonga azy hisedra olana satria « maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko » (Marka 10: 48)
 
Mety miseho amin’ny fiainantsika ihany koa ny nahazo an’i Bartime, indraindray dia isika ihany no sakana ho an’ny namantsika tsy hanatona an’i Jesoa. Indraindray aza dia ny mpitarika mihitsy no lasa mampiseho toetra tsy zaka na mandrara ny hafa tsy hanatona an’i Jesoa. Tsy iza fa ire olona nanara-dia an’i Jesoa ihany indrindra fa ny mpianatra no nandrahona an’i Bartime : « Ary tamin’izy sy ny mpianany mbamin'ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dàlana kosa Bartime jamba zanak'i Time » (Marka 10: 48). Fampitandremana ho antsika no fampianarana aroson’ny Fiangonana amin’ny alalan’ity Evanjely ity androany. Tsy mizaha tavan’olona i Jesoa na jamba ianao na kilemaina, na mihevi-tena ho mpanota be ka tsy misy toerana ho anao eo anivon’ny Fiangonana. Samy antsoin’i Jesoa hanatona azy ny olona rehetra tsy misy avakavaka ka tsy misy tokony hatahotra na hisalasala hangataka ny famonjena avy aminy.
 
Na teo aza anefa ny fandraran’ny olona an’i Bartime tsy hioantsoanatso mafy dia ireo olona nanara-dia an’i Jesoa ireo ihany no niantso azy sy nanampy azy hanantona an’i Jesoa izay nampiantso azy: « Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: Matokia! mitsangàna, fa antsoiny hianao » (Marka 10: 49). Hitantsika araka izany ary fa manana adidy isika rehetra hanampy sy hiantso ary hankahery ny namana hanatona an’i Jesoa indrindra ireo osa sy malemy tahaka an’i Batime jamba ka ny olona no nitarika azy ho eo amin’i Jesoa. Maro ireo mbola tsy mahita ny lalan-kizorana amin’ny finoana, koa anjarantsika vita Batemy rehetra no mitarika azy ireny hanantona an’i Jesoa. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady izao mba tena hifanohana tokoa ary hifampitarika hanatona an’i Jesoa izay fototry ny finoantsika.
 
P. Louis-Martin a.a.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224