Inona izato resakareo teny an-dalana?

Alahady faha 25 tsotra mandavan-taona - Taona B

 Toy ny tamin'ny heriny dia mbola teny an-dalana ihany koa Jesoa androany niaraka tamin'ny mpianany. Niray làlana tamin'ny mpianany izy ary nampianatra azy ireo nanambara ny tsy maintsy hanenjehana sy hamantsihana azy amin'ny Hazofijaliana ary ny hitsanganany amin'ny maty. Fa ireto mpianatra kosa tsy nahazo izany resaka izany satria variana niady hevitra amin'izay hoe iza no ho voalohany. Rehefa napetrak'i Jesoa tampoka moa avy eo ny fanontaniana hoe "Inona izato niadianareo hevitra" dia menatra tery ny mpianatra, tsy nitovy tadin-dokanga tamin'i Jesoa indray izy ireo. I Jesoa niresaka momba ny zavatry ny fanahy sy ny fototry ny finoana, izy ireo kosa sahirana niady hevitra momba ny nofo, dia ny fahefana sy ny voninahitra.

 
Fanontaniana mipetraka amin'ny Kristianina koa io fanontanian'i Jesoa io. Inona marina no tena fototry ny adihevitra eo amin'ny fiainan'ny Kristianina? Inona no mameno ny resaka ataony eo anivon'ny fianakaviany, eo anivon'ny fiangonana, eo anivon'ny fiaraha-monina misy azy sy eo anivon'ny fireneny? Ny zavatry ny nofo izay mandalo ihany sa ny zavatry ny fanahy izay manam-paharetana?
 
Ny ady sy ny fifandirana, ny korontana izay misy, hoy Md. Jakoba ao amin'ny vakiteny faharoa dia vokatry ny filan-dratsin'ny nofo. Ny vokatry ny fanahy kosa dia fitiavana. Ny vokatra azo izany no ahitana na ny filan-dratsin'ny nofo na ny fahasoavan'ny fanahy no mameno ny fiainana. Raha milamina ny fianakaviana, ny fiaraha-monina, ny firenena dia satria manjaka ny fifandeferana sy ny fihavanana. Fa ny korontana misy ao anatin'ny fianakaviana sy ny firenena iray kosa dia vokatry ny tsy fiheverana afatsy izay ho an'ny nofo. Fitiavan-tena, samy te ho lohany. Izany no mba resaka ataony eny an-dalam-piainany.
 
Teo anivon'izany fiheveran'ny nofo fotsiny izany dia nandray zaza iray i Jesoa, nataony teo anivon'ny mpianatra, ary hoy izy "Na iza na iza handray anankiray amin'ny zazakely toy itony amin'ny anarako, dia handray ahy." Ny zazakely dia taratr'izay tsy manana na inona na inona. Porofon'ny fahalemena. Endriky ny fiankinan-doha. Nampianarin'i Jesoa tamin'io fihetsiny io fa tsy zavatra misavoana lavitra be ka tsy ho vitan'ny maha olombelona ny miaina ny fanahy. Manomboka eo amin'ny fijerena ny manodidina aloha, mandray andraikitra eo amin'ny madinika indrindra. Mandray izay tsy manan-kianteherana satria mandray an'i Jesoa izany. Mila fanetren-tena sy fahatsorana izany... tsy maintsy miondrika rehefa mandray zazakely.
 
Anisan'ny modely ho antsika kristianina malagasy mivantana indrindra amin'izao ankatoky ny fanandratana azy ho olomasina izao i Jacques Berthieu olontsambatra. Na teo aza ny fanavotan-tena izay natolotry ny vazaha azy nandritra ny ady, dia naleony nijanona niaraka tamin'ireo Kristianina malagasy madinika tsy nisy mpiaro. Nandray ny madinika izy ka nandray an'i Jesoa. Izany rahateo no naha martiry azy.
 
Jesoa Tompo o, ampianaro izahay hifikitra amin'ny fanjakanao alohan'ny zavatra rehetra. Hahafoy izay firaketan'ny nofo manembatsembana ny fanahinay mba hahafahanay mandray anao amin'ireo madinika manodidina anay.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099