Hatao hoe Joany (Fanilo) izy

Ny nahaterahan’i Md Joany Batista, Alahady 24 jiona 2012,

Mandavantaona – 12, Taona B

Ny nahaterahan’i Joany Mpanao batemy dia mitondra antsika mivantana any amin’ny nahaterahan’i Kristy Tompo; ny fiainantsika iray manonotolo mihitsy àry, arak’izany, no natao hiray mandrakariva amin’ny fahazavana sy handray izany tsy tapaka ary hitondra azy tsy miato amin’ny hafa. Ny Evanjelin’ny Lioka no mitantara mazava ny fankalazàna ny nahaterahan’izy roalahy, mifanao aloha sy afara: dia i Joany Batista sy i Jesoa. Toy ny tsy nisarahan’ny fiainan’izy roalahy àry no tsy isarahan’ny fiainantsika amin’ny an’i Jesoa koa. Ny kinendrin’ny Mpahary amin’izany dia ny hironan’ny fò rehetra ho any amin’i Jesoa Mpamonjy sy Mpanavotra antsika mpanota, ka mila ilay masoandro be lohantaona dia i Kristy, nialohan’ilay mazavatsinanana dia i Joany Batsita ankalazaintsika anio.

Araka ny fandaharan’Andriamanitra tsy hay lazaina, dia efa fantatry ny Tompo hatry ny ela, mialohan’ny hiforonana tao an-kibon’ny neny, isika tsirairay avy izao, toa izany koa i Joany. Koa dia omeny iraka isika (cf Jeremia 1,4-10) ary efa natao eo am-bavantsika ny Teniny Tonga nofo, dia i Kristy Mpandresy zary Aina mamelona sy raisintsika ao amin’ny Eokaristia. Izy Tompo no miaro antsika, izy koa no mamonjy antsika, ary izany famonjena izany no nokatsahin’ireo mpaminany fahiny, izany koa no nokarohiny, ka i Joany izay namarana ny faminaniana tao amin’ny Testamenta Taoloha no nisantatra ny Fampisehoana ireo mistery sy zavamiafin’ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny Tesitamenta Vaovao (1 Piera 1,8-12).

Hatsangako ho fahazavan’ireo firenena ianao, hoy ny Tompo tamin’Israely mpanompony, sady nambarany mazava ihany koa fa hataony reharehany izy. Moa tsy izany va no tanteraka tao amin’i Joany Batista? (Izaia 49,1-6). Satria, talohan’ny nahatongavan’i Kristy dia i Joany tokoa no nitory ny batemim-pibebahana sy nanazava ny sain’ny olona, ary nilaza mazava fa tsy ny tenany no ilay nadrasana, fa ilay mahery, “ilay avy aoriako” hoy izy (Asa 13,22-26).

Miharihary arak’izany àry fa ny hevitry ny teny hoe “Joany” dia “Fanilo”, io no anarana nomena ilay zaza naterak’i Elizabeta tamin’i Zakaria, araka ny nampilazain’ny anjely (Lioka 1,5-17), ary ny fanoratana io anarana io tokoa no namaha ny fatoran’ny lelan’i Zakaria, izay nanjary moana teo aloha, ka nanaovany ilay tononkira masina niderany an’Andriamanitra (cf Lioka 1,57-80) kalointsika isa-maraina. Eny, nomba azy ny tanan’i Tompo, ary izy no nambaran’i Jesoa fa: izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra no toa an’i Joany Batista, izay lehibe tokoa amin’ireo natera-behivavy.

Aza hadino anefa fa nanana fisalasalana kely toa anao io koa i Joany Batista nony natao tao antranomaizina. Ny haizin’izao fiainana izao sy ny filàn’ny nofo isankarazany moa dia zary rahona manakona na toa zavatra mangeja sy manditsoka ny masom-panahintsika, ka tsy mety mahita tsara ilay tena Masoandro, Fahazavana mandrakizay, dia i Kristy Mpamonjy. Koa aoka ho tia vavaka toa an’i Joany Batsita isika, ka hamola-tena hanompo sy hahalala ary hahita an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

Ry Masindahy Joany Batista mpialoha lalana ô, mivavaha ho anay, mba ho zary iraka hahay manazava ny hafa toa anao koa izahay vita batisa rehetra, ary hijoro ho vavolombelon’ny Finoana ao anaty Fanantenana sy Fitiavana, ho entinay mitondra ny Tompo eo amin’ny hafa!

 

 

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1085