Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro


Alahady 21 oktobra 2012, Mandavantaona faha 29 (Taona B)
 
Tonga ao antsain-tsika avy hatrany raha vao mamaky ity Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa tena mifanaraka amin’ny fotoan-dehibe ankalazaina androany ny filazan’i Jesoa « Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro » (Marka 10: 45). Tsy inona izany fa ny fanambaran’ny Fiangonana ampahibemaso ny maha Olomasina an’i Mompera Jacques Berthieu ilay Misionera nafana fo nahafoy ny ainy ho an’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ho an’ny Tanindrazan-tsika. Raha jerena tokoa mantsy ny tantaran’ity Olomasina ity dia io Tenin’i Jesoa io no nanentana azy ka niainany tanteraka ka na teo aza ny fanenjehana sy ny fampatahorana azy dia naleony nahafoy ny ainy toy izay hivadika tamin’ny Finoana.
 
Fakan-tahaka lehibe ho antsika izany satria amin’izao vanin’andro iainantsika izao dia ny fitadiavam-boninahitra sy ny fitiava-tena no toa manjaka eo anivon’ny fiarahamonina. Tsy zava-baovao izany fa na ny Mpianatra nanara-dia an’i Jesoa aza dia nalaim-panahy hanao toa izany ihany koa. Jereo ny nataon’i Joany sy Jakôba rahalahiny, nanantona an’i Jesoa izy ireo ary niangavy mangingina an’i Jesoa mba hanome azy ireo ny toeram-boninahitra eo ankavia sy ankavanany (Marka 10: 37). Tsotra anefa ny valin-tenin’i Jesoa tamin’izy ireo « Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va hianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy ahy? » (Marka 10: 38). Tsy vitan’izany ihany fa nony nandre io fangatahan’izy miahalahy io ny Mpianatra hafa dia tezitra (Marka 10: 41), « fa nantsoin’i Jeso izy ireo ka nilazany hoe: Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra » (Marka 10: 42 – 44).
 
Mazava dia mazava ny tian’ i Jesoa hampitaina eto ary tsy ho an’ny Mpianatra ihany no nilazany izany fa ho antsika rehetra ihany koa. Ilaina dia ilaina ny fanana fanetren-tena amin’ny maha Kristianina saingy tsy natao hialana andraikitra izany fa natao hanompoana ny hafa, indrindra indrindra natao handraisana adidy sy andraikitra amin’ny Fiangonana arakaraka ny anjara tandrify ny tsirairay. Mety hisy mantsy ny halaim-panahy tsy handray andraikitra na hiraviravy tanana ka mihevitra fa aleo tsy misehoseho mba tsy hataon’ny hafa hoe mila voninahitra na mila dera. Ny tian’i Jesoa hampianarina antsika dia tsotra, iray ny Batemy noraisintsika ary mitovy zo daholo isika eo anatrehany fa tsy misy ambony ary tsy misy ambany ka na inona na inona toerana misy anao eo anatrehan’ny Fiangonana dia mitovy daholo eo antrehan’Andriamanitra fa ny andraikitra no samy manana ny anjara tandrify azy araka ny antso sy ny fanomezam-pahasoavana niantsoana ny tsirairay.
 
Misy ny nantsoiny ho amin’ny Filaharana maha Mpisorona dia manao ny adidiny araka izay manandrify azy mizara ny Sakramenta ho an’ny vahoaka Kristianina rehetra. Misy ny nantsoiny ho vavolombelony amin’ny Fiainan-drelijiozy dia miaina izany antso izany ho jiro manazava izao tontolo izao. Ary misy ny nantsoina manokana ho Kristianina Lahika izay natao ho fanasin’ny tany eo anivon’ny fiarahamonina ka ny fiainana ny Finoana maha Kristianina amin’ny fiainana andavan’andro eo anivon’ny fiarahamonina no asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ankinina amin’ny Lahika voalohany indrindra araka ny averimberin’i Papa Benoit XVI matetika amin’izao fidirantsika amin’ny taonan’ny Finoana izao.
 
Miara-mivavaka ary isika indrindra amin’ity Alahady izay anandratana ho Olomasina an’i Mompera Jacques Berthieu ity mba tena hahafoy ny antsika tokoa ho fanompoana ny namana. Ity Alahady faha 21 oktobra 2012 ity ihany koa no anaingan’ny Fiangonana antsika hivavaka manokana ho an’ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ka andeha isika hitalaho amin’izy Tompo araka ny vavaka fanaontsika matetika ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra mba ho maro ny Pretra sy ny Relijiozy ary ny Lahika vonona haompo ny namana mba hahatonga ny Vaovao Mahafaly ho aiana mamelona an’izao tontolo izao.
P. Louis-Martin a.a. 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099