Voaantso manokana mba hanjakan’i Kristy be fahandrianana isika!

20 nôvambra 2011, Fetin’i Kristy Mpanjaka
Alahady faha-34, mandavantaona – A

Efa eo ankavanan’Andriamanitra, any amin’ny fiketrahany any an-danitra i Kristy, hany Mpanjaka tokan’izao tontolo izao. Azy ny fahefana sy ny hery, masi-mandidy Izy. Tsy mpanjaka be fialonana sy mpanao didy jadona anefa Izy ka hoe hanagom-pahefana, fa mpanjaka be fitiavana sy be fampindram-pò, mangoraka antsika rehetra. Eny, zarazarainy amintsika tsy tapaka ny fahasoavana amam-pamelan-keloka. Sambatra izay mino sy mandray Azy fa ho velona ao aminy. Vavolombelon’izany isika kristianina, koa tsy maintsy mijoro miaraka aminy, hitandro ny rariny sy ny hitsiny ary handala ny fihavanana ao anaty fitiavana tsy misy famahony.

Ny vakitenny voalohany àry (Ezekiela 34,11-12.15-17) dia milaza mazava fa, hanavaka ny ondry amin’ny ondry hafa izy Tompo, hitsara ara-drariny: «Izaho no hiandry ny ondriko, hoy Izy,… hampandry azy… Ny very ho tadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra, ho tsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo» (Ez 34,16). Teny miantefa amintsika Vahoaka voafidy sy ondry fiandrin’izy Tompo izany, koa anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra, fa ho avy amin’ny fotoana tsy ampoizina ny fandringanana ireo mihambo ho matavy sy matanjaka, ka mizahozaho sy manao didiko fe lehibe amin’ny hafa. Eo amin’ny Firenena sy  Fiarahamonina ary Fiangonana: na mpitondra ianao na fehezina, dia tsarovy fa samy mpandraharaha nanakinan’ny Tompo andriakitra, fa tsy tompom-pahefana velively akory; samy mijanona ho isan’ny andioan’ondrin’ny Tompo isika eo anatrehany. Koa ilaina ny fanetrentena sy ny fahaiza-mihaino, ao an-tokatrano, any am-piasana, manoloana ny fanapahan-kevitra raisintsika tsy tapaka, natao ho fanompoana sy ho fanasoavana ny hafa sy ny taranaka ary ny ankohonana mbamin’ny fianakaviana.

I Kristy no santatra ny amin’izany fanompoana amam-panetren-tena izany: nanaiky ny fahafatesana feno fanalam-baraka Izy, ary efa nisantatra ny fandresena. Atolony an’Andriamanitra Ray ny Fanjakana, mba ho ao amin’Andriamanitra avokoa ny zava-drehetra (cf 1Kor 15,20-26a.28). Tsy nety nanaiky i Adama, hoy ny apôstôly Paoly, fa i Kristy kosa nanaiky; namery ny olon-drehetra ny tsy faneken’i Adama, fa antoky ny fitsanganana ho an’ny olona rehetra kosa ny faneken’i Kristy. Ary fantantsika moa fa, «toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra [koa] ao amin’i Kristy» (1Kor 15,22). Misy ambaratongany anefa izany, araka ny laharany avy: i Kristy no santatra, dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiavaiany. Fa rehefa tonga ny farany, dia ho resen’i Krity tokoa ny hery rehetra, ka hatolony an-dRainy ny Fanjakana (cf 1Kor 15,24). Ny fahafatesana no fahavalo farany ho reseny amin’izany, koa aoka isika hiady amin’ny fahafatesana dieny izao, fa maro amintsika no matim-bola, matim-boninahitra, mati-kenamaso, ka rehefa maty dia maty tokoa: «maty misaraka, maty mafaraka, maty miraraka, maty maimbo» (hoy Itpklh RP. Marc Rakotomavo, sj) ka tsy misy ilana azy intsony, indrindra raha sanatria ka very mandrakizay, satria tsy mba ho afaka hitalaho amin’Andriamanitra ho an’ny havany akory any ankoatra, fa tena tafasaraka mandrakizay amin’ny Tompo sy ireo olona maro namany tety an-tany.

Koa manasa sy manainga antsika àry i Kristy, ao amin’ny Evanjely, mba hahay mivelona, sy hahay mamelona ny tena sy ny hafa isika, dieny mbola eto an-tany: hanome sakafo ny noana, hanolotra rano ny mangetaheta, hampiatrano ny vahiny mandalo, hanafy ny mahantra sy ireo tsy man-kitafiana, hahavatra hitsidika ireo marary sy hamangy ireo migadra any an-tranomaizina. Fa isaky ny nanao izany tamin’ireo madinika indrindra ireo ianareo, noho ny amiko sy ny anarako, dia izaho no nanaovanareo izany, hoy i Kristy Jesoa; ary isaky ny tsy nanao toy izany, dia izaho koa no tsy nanaovanareo izany, hoy ihany Izy (cf (Mt 25,31-46).

Tsara tokoa ilay kalokalo masina ao amin’ny Salamo, manao hoe: «Sambatra anie aho ka sambatra manana ny Tompo ho mpiaro» (Sal 22), saingy tsy mandeha ho azy io fa, mila ny fahasoavan’Andriamanitra, mila ny fanambinany sy ny famindram-pony, mila ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Koa raha mahatsapa re fa mba namindran’ny Tompo fò ianao, dia mba asehoy eo amin’ny fiainanao koa izany: manaova ezaka mba hahay mangoraka sy mamindra fò amin’ny hafa, toy ilay Mpanjaka mandrakizay ankalazaintsika anio. Ho Azy anie ny dera sy laza ary ny voninahitra mandrakizay, mandrakizay! Amen! ho an’ny anio. Aleloia! ho an’ny rahampitso sy mandrakizay!

Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0474