'Ndeha hovonointsika dia ho lasantsika ny lovany

 

Alahady tsotra faha 27 Mandavan-taona
Mitohy ihany amin'ity alahady ity ny fanoharana momba ny fihazakazahana ho any amin'ny Fanjakan'ny lanitra. Tamin'ny heriny i Jesoa nanao ilay fanoharana mikasika azy mirahalahy izay samy nirahina hiasa any an-tanimboaloboka, ka ny iray nanaiky nefa tsy nandeha, ny iray kosa nandà nefa nandeha ihany. Nolazainy tamin'izany fa ny poblikana sy ny mpivaro-tena no hialoha lalana ho any amin'ny fanjakan'ny lanitra. Satria izy ireo na dia nandà ny handray ilay fanasàna dia nibebaka anaty ka tonga aloha indray tamin'ny fampakarana. (Mt: 21. 28-32)
Androany indray dia fanoharana hafa no anehoan'i Jesoa izany hazakazaka ho any amin'ny 
Fanjakan'ny lanitra izany. Ireto mpiasa izay namelàna ny tanim-boaloboka ireto dia nanana fikasàna ny handova. Napetraka taminy hokarakarainy ny tany, ka rehefa ela nikarakarana izany tany izany izy ireo dia nihevitra fa rariny raha lasa mpandova. Hizaka feno ny zon'ny mpanajary. Nataony noho izany ny fomba rehetra hitazomana ny tany ka tsy nohajainy intsony ny tena tompony. Na ny zanany izay nirahiny aza dia novonoin'izy ireo. Ny tompony indray no manjary mangataka ny atiny lasan'ireo mpanao ankeriny. Mazava ho azy, hoy i Jesoa, ny hanjò ireto mpiasa ireto rehefa tonga ny tompon-tany. "Haringany tsy hananany antra" ary "Hahofany amin'ny mpiasa hafa ny tany." Lasan'olon-kafa indray ny fitantanana.
Na tamin'ny heriny na tamin'ity Evanjely androany ity, vokatry ny tsy fahaizana mandray araka ny tokony ho izy ilay Fanjakan'Andriamanitra, dia ny olon-kafa indray no nanjary nomena azy. Na dia "niangaram-pitiavana" aza satria zanaka an-trano, sy mpiasa mamy hoditra, dia tsy nahay nitazona ny "ilo mby an-doha" fa nandraraka izany, ka ny hafa indray no nomena ny valisoa.
Manana tombony lehibe tokoa isika nomena ny fahalalàna izany Fanjakana izany. Nomena antsika ny làlana mankany, sy ny fitaterana mandeha any, dia i Jesoa izay mampita antsika any amin'ny Ray. Nomena Reny mpitari-dàlana isika mba tsy hahavery antsika eny an-dalana. Ary nomena mpiara-dàlana maro isika dia ireo olo-masina izay mijoro ho modely ho fianara-mamindra ho antsika. Nomena antsika ny fahafahana tanteraka ho tody eo anilan'Andriamanitra... ny angatahana amintsika fotsiny dia ny manaiky ny hoentina any amin'izany Fanjakana izany. 
Raha sendra lavo aza moa isika dia mbola "manana mpisolo vava" ao amin'ny Ray. Ka asaina malaky hiarina sy  hanohy ny dia indray. Ary raha misy ilaina dia afaka manambara izany amin'Andriamanitra, amin'ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana. (Fi. 4: 6)
Koa fahavoazana lehibe tokoa raha ny hafa izay tsy manana ireo tombony rehetra ireo no ho tonga alohantsika any amin'ny Fanjakan'ny lanitra. 
Fa hoy Jesoa "Sambatra ny maso mahita izay hitanareo; fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo, fa tsy nandre." (Lioka 10, 23-24)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096