Miomana isika… Ampionony ny fon’ny Vahoakako!

 

04 desambra 2011, Alahady Fiaviana II - B

 

Mitsangana, mitraka ry Vahoaka voafidy! Mivonona handray ny Tompo. Aoka hionona ny fonareo, fa ho avy tsy ho ela Izy, hanafaka anareo amin’ny gejan’ny fanabotrian’ny fahefan’izao tontolo izao. Koa amboary àry ny Làlan’ny Tompo! Ahitsio ny halehany, fa ho avy izy hamonjy anareo. Miantso ilay feo any an’efitra sady milaza manao hoe: «Misavà làlana any an’efitra, ho an’ny Tompo, manorena arabe any an-tany lava volo, ho an’ny Andriamanitsika». Ny melomeloka ahitsio, ny lohasaha totofy, ny havoana aravony. Miakara amin’ny toerana ambony dia ambony ianao izay mitondra teny soa mahafaly (cf Iz 40,1-5.9-11)

Efitra tokoa raha ny fianantsika, efitra manafin-javatra maro, ao ny soa, ao ny ratsy. Efitra sarotra onenan’ny Fanahy Masina, saingy tiany lalandava. Efitra saotra idiran’ny hafa; fa feno ny tsilon’ny fitiavan-tena; feno lobolobon’ny fiavonavonana; feno ala mikitroky ny fahamaizanam-pò, tsy te hiova ary tsy misy faniriana mafy ny mba hoe hibebaka. Efitra toy ny tany lava volo fararano, fa voahaingon’ny fitiavam-boninahitra diso tafahoatra. Efitra feno vovotany mitolokoko, fa safotry ny fahotana isakarazany.

Miandry ny Tompo ho avy tokoa ve ianao? Hatsarao àry ilay tany efitra ao anatinao! Sorohy ho zary arabe filamatra ny fiavonavonana mandobolobo anao, ahetreo koa izay avo, totofy izay lesoka, hamarino ny mikitoatoana, ahitsio izay miolakolaka sy melomeloka eo amin’ny fiainanao. Miezaha mba hahenika ny halehibeazan’Andriamanitra efa nandray anao ho zanany, ampitomboy amin’ny fiainanao ny finoana ny fahasoavany izay toy ny voa nafafiny ao anatinao. Antsoy izy hoe: «Asehoy anay ry Tompo ny  famindram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao!» (cf Sal. 84).

Manana faharetana, fa amin’ny Tompo dia toy ny indray andro ny arivo taonantsika olombelona. Koa ataovy izay tratry ny aina, hoy ny apôstôly Piera, mba ho hitany tsy manan-tsiny ianareo amin’ny fiandrasana Azy, fa ho avy tokoa Izy, araka ny fampanantenany. Eny, manantena lanitra vaovao sy tany vaovao tokoa isika, saingy tsarovy fa miandry anao am-paharetana Andriamanitra (cf 2Piera 3,8-14). Izy ilay milaza mazava fa: «Na tsy andrin’ny hafa aza ny ora hiverenanao ry oloko, izaho kosa miandry anao, matoky anao mbola tia anao… satria Andriamanitra aho!» (Ank., 300; Sal 112/113).

Efa naniraka ny Anjeliny hialoha làlana ny Mesia tokoa ny Tompo Mpahary, ary namerina ny antson’i Izaia Mpaminany ilay io, izy ilay nanambara fa tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aza raha ny tenany, i Joany Mpanao Batemy no anarany; izay manao batemy  amin’ny rano, fa ilay Mesia kosa dia nampahafantariny fa hanao batemy amin’ny Fanahy Masina (cf Mk 1,1-8). Vavolombelon’izany isika kristianina, koa aoka hitory ny asany mahery eo amin’ny asantsika, amin’ny fandresena ny kilema amam-pahotana rehetra.

Ry Tompo Rainay ô! Ampio izahay, mba hanahaka Anao: tsy hivilivily làlana, handrodana ny tsy rariny, hampanjaka ny fahamarinana, hiezaka ho masina sy tsy hanan-tsiny, ho feno fandeferana sy fanetre-tena, ary dia ho mendrika hankalaza ny Noely, izay azo lazaina fa Pakan’ny Fahaterahana sy Fihavaozana ara-panahy, ka handraisanay amin’ny fo amam-panahy voadio, ilay nanafatra sy nilaza taminay hoe: «Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy». Amen!


Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1109