Mpanjakavavin’i Madagasikara. Mivavaha ho anay!

 

Alakamisy, 08 desambra 2011

 

 

Mankalaza an’i Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka isika anio. Izy ilay Reny tsy mandao, Reny mahatoky ary tsy manary amin’ny sarotra ihany koa. Eny, efa hatrany amin’ny 01 Aogositrta 1844 no nanakinan’i Mgr Dalmond ny Tanindrazantsika tamin’i Maria Reny iombonan’ny mpino. Koa arak’izany dia manana adidy ireo eo amin’ny fitondrana mba hanapaka ity andro anio ity ho andro hohajaina manokana manerana ny Nosy. Satria maro ny olona no tsy mahalala izany, ary be koa ireo kristianina no manadinodino ity andro anio ity. Tsarovy anefa fa nahavita betsaka tamintsika ilay Reny, ary izany no naharaikitra ny anaran’ny Nosy Borà (Ibrahim) ho lasa Nosy Sainte Marie ankehitriny.

Ny Boky Jenezy dia manambara sahady ny atao hoe: Tsimoky ny Evanjely, raha vao avy nanota i Adama sy Eva (Jen 3,9-15.20), satria io fampifandrafesana ny taranaky ny vehivavy sy ny bibilava io no mampiharihary sahady, ilay faminaniana, fa tsy avelan’Andriamanitra ho very ny olombelona na dia nanota aza. Koa tao amin’i Kristy, ilay Adama vaovao no nifidianan’Andriamanitra antsika, talohan’ny nahariana izao tontolo izao (Efezy 1,3-6.11-12). Notanterahiny tao amin’i Maria, ilay Reny na Eva vaovao izay ankalazaintsika anio, ny fampanantenany, araka ny voalazan’i Lioka; dia ny amin’ny fiarahaban’ny Anjely azy, ka nanana anaka tokoa ilay Virjiny, ka i Jesoa no hatao anarany (Lk 1,26-38). Eny eto amintsika tokoa Andriamanitra. Ary izany no hankalazaintsika amin’ny fomba miavaka amin’ny andro Noely.

Tompo ô, efa nifidy an’i Maria ho reninao sy ho reninay ianao, koa enga anie mba ho entinao heken’ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina ny vavaka ataony ho anay Vahoaka Malagasy, fa mila vonjy izahay ary mba sitrano ny aretin’ny fiarahamoninay, diovy re ny fon’ireo mpanao pôlitikanay izay toa manosihosy ny hasin’ny Tanindrazanay sy mampahory ny Vahoakanao! Mba afaho amin’ny loza sy ny ratsy rehetra izao tonotolo izao; hahay hifarimbona anie ireo tany mahantra sy manankarena, ho fanamaivanana ny rofin’ireo madinika sy mila vonjy rehetra. Amen!



Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121