I Jesoa natao batemy: tandindon’ny Batemintsika!

Alahady 08 Janoary (na Alatsinainy 09 Janoary) 2012, Taona B,

Batemin’ny Tompo

 

Tsy fireneny akory isika teo aloha, nefa kosa izao tonga isan’ny Vahoaka mamin’Andriamanitra, fa efa nangoniny ho isan’ny zanany noho ny Batemy nanaganany antsika tao amin’i Kristy. Maimaipoana ny fanomezan’Andriamanitra, ary vokisany soa izay mino Azy. Mampionona ny Vahoakany Izy.

Ny nanaovana batemy an’i Jesoa dia manampy antsika mba hibebaka sy hitodika amin’izy Tompo. Batemin’i Joany moa no noraisiny, dia ny batemim-pibebahana. Kanefa tamin’io fomba fanaovana batemy io no niharihary ny asan’Andriamanitra, fa nisokatra ny lanitra, raha vao vita ny batemy nomen’i Joany an’i Jesoa. Araka ny Soratra Masina dia nisy feo nilaza hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahako» (Mk 1,6b-11). Ny Fanahin’Andriamanitra kosa moa nidina tahaka ny voromahilala nankeo amboniny (Mt 3,13-17).

Ny fiahinoana an’i Jesoa no hanampy antsika hiaina bebe kokoa ny Batemy noraisintsika (Batemy Sakramenta moa, mazava ho azy, io noraisintsika io). Koa raha batemim-pibebahana no noraisin’i Jesoa, Izy ilay manao Batemy amin’ny [afo sy ny] Fanahy Masina, dia nahariharin’ny Tompo fa Izy no hanangana sy hanorina ilay Batemy Sakramenta natao ho famonejana antsika mpanota sy itaomana antsika mba hibebaka.

Zava-dehibe ny fibebahana mialohan’ny handraisana ny Batemy, ho an’ireo efa vorisaina sy matotra ary efa olobe. Fa tena zavatra goavana koa ny hanampiana ireo natao Batemy fony mbola kely, mba hahafahany miaina izany tsara, hizorany amin’ny làlam-pibebahana, ka tsy ho zary fombafomba fotsiny ny maha kristianina, fa ho zary fiainana sy aina mamelona tokoa.

Ilay nampanantenaina an’i Davida, taranany araka ny nofo tokoa mantsy no efa natsangan’ny Tompo ho vavolombelona eo amin’ny firenena, ka ho mpifehy sy ho mpandidy azy; satria ny fihevitry ny Tompo tsy mba araka ny fihevi-tsika. Toy ny erika mifafy: tsy miverina miakatra any an-danitra raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany; dia toy izany koa ilay Teny Tonga Nofo, fototry ny fahasoavana rehetra, tsy iza io fa  i Kristy (Iz 55,1-11). Izy ilay avy amin’ny rano sy ny ra, ary Izy no efa naharesy an’izao tontolo izao. Mino isika fa Izy tokoa no tena Zanak’Andriamanitra, ary efa natsangany ho Tompo sy Kristy koa Izy, taorian’ny nijaliany sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany ho velona. Koa ireto zavatra telo ireto no hany sisa mitoetra, anambaran’Andriamanitra ny firaisantsika aminy ao amin’ny Zanany: ny Fanahy Masina, ny rano sy ny ra. Ao amin’ny Batemy sy ny Eokaristia indrindra no isiana sy ihariharian’ireo Famantarana lehibe ireo (1 Joany 5,1-9). Noho izany, aoka isika hazoto mandray ny Sakramenta Masina, mba hiombonantsika tanteraka hatrany aminy. Izany moa no hanamafy ny fiainana ny Batemy izay efa noraisintsika tao amin’ny rano sy ny Fanahy ka iraisantsika tena amin’i Kristy, noho ny ra ao amin’ny kalisim-pamonjena izay isaorantsika tsy tapaka an’Andriamanitra.

Iezaho iainana ny Batemy noraisinao, tsy ho harafesina. Mahavara mikônfesy mba hahazoanao mivelona bebe kokoa ny Eokaristia sy ny finoana efa noraisinao! Miezaha ho olona be fiantrana sy fanetrentena, dia hanenika ny fiainanao ny halehibeazan’Andriamanitra sy ny heriny ary ny voninahiny!



Benirina

 

 

Hevitra mandeha

joharizou ( 25/05/2013 12:31)
Inona tompoko azafady ilay hoe OC sy SC @ menaka fanosotra @ Sakramenten'ny Batemy? ary inona no dikany?
Inona no ilazàna fa Mpisorona, Mpaminany, Mpanjaka ny olona iray nahazo ny Sakramentan'ny Batemy?
Misaotra Tompoko.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113