Fandalovana ity tany ity, fa any ankoatra no honenana mandrakizay!

 

06 novamabra 2011, Alahady faha-32, mandavantaona – A

 

432e1 Rome, Trinità dei Monti, vierges sages et folles

Fandalovana ity tany ity, fa any ankoatra no honenana mandrakizay!


Izany no azo amintinana ny voataton’ny fampianarana avy amin’ireo vakiteny telo sy ny Salamo, aroson’ny Fiangonana ho dinihintsika anio. Fahendren-dRazana koa izany ka hoy ny fiteniny: “Velona iray trano, maty iray fasana”, fa hatsaraintsika hoe: “Velona iray fonenana sy fiangonana, modimandry iray anjara-lova sy lanitra”.


Tsy ho matroka mandrakizay ny fahendrena, no sady hamirapiratra mandrakariva. “Mitsena an’izay mitady azy izy”, hoy ny Boky Fahendrena (cf Fah 6,12-16). Eny, zava-dehibe tokoa ny fahendrena, ambony lavitra noho ny harena rehetra sy ny voninahitr’izao tontolo izao izy, fa izy no fototry ny fiadanana amam-pahavelomana, indrindra ho antsika Kristianina izay manana Ilay Fahendrena efa Tonga Nofo eo anivontsika, dia i Kristy ilay efa Nitsangan-ko Velona. Izy tokoa no tena fahendrena lavorary, fototra iorenantsika, mampangetaheta sy irin’ny fanahin’ny mpino izay toy ny tany karakaina mila rano, no sady mampientana azy, hoy ny mpanao Salamo (Sal 62). Ao aminy no hivondronan’ny zava-drehetra, fa izy no fototra sy mbola aharetan’ny zava-drehetra, koa sambatra izay manana azy ho Tompo sy Mpanavotra ary mandray azy ho Mpamonjy. Nahita ny tena Fahendrena izay tafaray aminy ka manara-dia Azy sy miombo-piaina aminy ary manaraka ny didim-pitiavany. Izy ilay hany Mpampakatra, fa “Toy ny ampakarina ny Fiangonana, miandry an’i Kristy ilay Mpampakatra”. Koa sikino ny lamba ry zanaka lahy sy zanakavavin’ny Fiangonana, hamonjy ilay fampakarana any Jerosalema Vaovao, any an-danitra. Satria ho entin’Andriamanitra miaraka aminy, amin’ny alalan’i Jesoa, ilay nijaly sy maty ary efa nitsangan-ko velona, ireo efa nodimandry, fa “hidina avy any an-danitra ny Tenan’izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha” (cf 1Tes 4,13-18).


Ary izany tokoa, satria tandindon’io volaza io ilay fanoharana aroson’i Jesoa ao amin’ny Evanjely nosoratan’ny apôstôly Matio (cf Matio 25,1-13), dia ny amin’ireo virijiny adala sy hendry. Ny dimy dia adala satria, nitondra jiro fa tsy nitondra solika natao tahiry. Ny dimy kosa dia hendry fa sady nitondra jiro no nivatsy solika hatao fiandry. Tsy hijanona amin’ny jiro na ny solika fotsiny isika eto, fa andeha hojerentsika ny amin’ireo fanoharana, izay isan’ny mampiavaka ny fahendren-dRazantsika Malagasy, amin’ny fahakingana mampiasa hainteny sy ohabolana ary angano amam-panoharana.

Ny Mpampakatra dia i Kristy Mpamonjy, ny Fiangonana Renintsika kosa no ampakariny. Ireo virijiny na adala na hendry moa dia tsy iza fa isika mpino kristiania vita batemy, efa nandray ireo famantarana samihafa natolotra tamin’ny andro nanaovana batemy antsika. Ny jiro dia tsy inona fa ny finoana noraisintsika sy ezahintsika tanana ary ifikirana mafy, fa ao no misy ny fototry ny tena fahazavana, hahatonga antsika hizotra amin’ny làlana mihazo ny tena Aina mamelona mandrakizay. Ny solika na menaka kosa dia ny asa fitiava-namana amam-piantrana tontosiantsika isan’andro, eo amin’ny asa izay atao, araka ny anjara raharaha sy fanomezan’ny Tompo manokana ary ny toerana misy antsika avy.


Marihina fa amin’ny Batemy dia maro ireo famantarana mety tsy ho azontsika: Raisin’ny Eglizy (Fiangonana) eny am-baravarana ireo voafidiny handray ny Sakramenta ary dia marihiny ny fitomboky ny Hazofijalian’Ilay Mpampakatra, izay ho tsenain’izy ireo mandritry ny fiainany manontolo, ny handrin’izy ireo (ny pretra sy ireo mpiantoka ary ray aman-dreny no misolo tena ny Fiangoanana amin’izany). Rehefa vita ny Vakiteny sy ny fampianarana (toriteny) ary ny Ranombavaky ny mpino, arahin’ny Litanian’ny Olomasina, dia misy ny fandroahana Demony, izay atao amin’ny anaran’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, ilay efa naniraka ny Zanany handrava ny fahefan’ny Satana. Rehefa izany, hosorana ny menaky ny mpiomana amin’ny Batemy (O.C.= Oleum Catechumenorum) ny tratran’izy ireo; mariky ny hasin’i Kristy Mpampakatra izany sady menaka mahavonjy amin’ny tampoka sy ny sarotra rehetra fa manome hery sy tanjaka no natao handrehetana tsy tapaka ilay finoana izay ankatoavina amin’ny fomba manetriketrika aorian’ny fanamasinana ny rano… Koa rehefa avy nodiovina tao amin’i Kristy Loharanon’Aina àry ireo atao Batemy dia mbola hosorana indray ilay menaka mahavonjy iray hafa na ny menaka masina indrindra (S.C.= Sacrum Chrisma), io no anokanana azy ireo ho isan’ny Vahoka mpisorona sy mpaminany ary mpanjaka ka hahavelomany mandrakizay. Vita izany vao omena ny akanjo fotsy sy tolorana ny jiro izy ireo, ary araka ny fomba taloha dia omena sira mba ho zary fanasin’ny tany; avy eo dia atao ny Efeta (fanokafana ny fandrenesana dimy amin’ny alalan’ny fanamarihana ny Hazofijaliana eo amin’ny sofina sy ny vava), fa nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana tokoa i Kristy Mpampakatra, tsenainy sy ikambanany ho ratsambatana ao amin’ny Fiangonana.


Koa rak’izany àry, dia efa noraisinao tokoa ny finoana, dia ny jiro izany eto, araka ny fanoharana. Tsy ampy hitsenana ny Tompo anefa izany hoy ny fanoharana, fa mila mivatsy solika koa ianao, dia tsy inona fa ny asa fiantrana amam-pitiavanamana, ao anaty fanetren-tena sy fahaiza-mangoraka ny hafa mba hanomezanao voninahitra an’Andrimanitra sy i Kristy Mpampakatra, Tompo mandidy ny zava-drehetra. Aoka àry ny anio no tena hoheverintsika ho toy ny ora sy fotoana farany hiavian’ny Tompo tampoka, fa tsy ho ny farandro irery ihany; satria isika dia efa rendremana lava, toy ireo virijiny folo, na ny adala na ny hendry, noho ny olana sy ny raharaha maro atrehina isan’andro. Ireny asa sy adidy ireny kosa anefa raha atao am-pitiavana sy an-kafaliana, ao anaty fandalàna ny rariny sy ny hitsiny ary am-panetrentena, dia ho zary asa fiantrana, solika ho vatsy handrehitra tsy tapaka ny finoantsika.

Hoy ny Ntaolo: “Ny soa atao levenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona”. Manamafy kosa i Jakoba apôstôly fa: “Ny finoana tsy arahin’asa dia maty” (toy ny jiro tsy ampy menaka na tsy misy solika). Ento mandrakariva àry ny jirom-pinoanao hitsenana an’i Krity Mpampakatra, nefa ataovy betsaka koa ny asa fiantrana, menaka handambolambo ny fiainanao sy handrehitra tsy tapaka ny finoana noraisinao, mba tsy ho maty tampoka ny jiro ka hanjary tara ny ora hihavian’i Kristy Mpampakatra ianao. Enga anie isika tsy hanao “haingo diso an’Iarivo, [ka] eny Ambatolampy vao mametaka kiraro”. Mahandrasa ny Tompo, ary mahandrasa Azy am-paharetana! Fa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy!



P. Benirina, sj

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099