TRINITE MASINA

 Hafatry ny Eveka : Jereo eto

trinit.jpg

Ho amin'ny fivoasana ny Tenin'Andriamanitra
azo jerena eto

SAPILEN'NY TRINITE MASINA

TRISAGIUM


Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

V- Andriamanitra ô, avia ampio aho

R- Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Miaraka -
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.




Mino Anao izahay,
manantena Anao izahay,
tia Anao sy mitsaoka Anao izahay,
ry Trinite Masina.


Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray,
arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka,
arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina,
Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.
FIZARANA VOALOHANY

Amin’ity fizaràna voalohany ity isika dia hiantso sy hisaotra ny Ray izay nahary an’izao rehetra izao noho ny fahendreny sy ny hatsaram-pony ary nanome antsika ny Zanany sy ny Fanahy Masina noho ny fitiavany.

‘Ndeha àry isika hiara-miantso Azy, dia Izy ilay Loharanon’ny famindram-po manao hoe :

V- Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

R- Mamindrà fo aminay.

VAVAKA AMIN’NY RAY

Isaorana Ianao ry Tompo, Ray mendrika hotiavina, fa noho ny fahendrenao sy ny hatsaram-ponao tsy misy fetra dia nahary an’izao tontolo izao Ianao ; fatratra koa anefa ny fitiavanao ny olombelona ka notsinjovinao izy ary nasondrotrao hiombona anjara amin’ny fiainanao Andriamanitra. Misaotra ry Ray be fitiavana tamin’ny nanomezanao anay ny Fanahy Masina Mpanafaka alahelo ; misaotra tamin’ny nanomezanao anay an’i Jesoa Zanakao niray petsapetsa taminay efa nataony ho rahalahy sy sakaiza. Mba ataovy tsapanay ny hafaliana vokatry ny fizorana mankany aminao Rainay, vokatry ny fahatsapàna fa eto anivonay Ianao ary tsy mitsaha-maneho ny famindram-ponao aminay, dia ho zary antsam-pideràna, ho antsam-pitiavana sy fisaorana eo anatrehanao ny fiainanay manontolo.

Rainay any an-danitra …

« Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. (…)

Rehefa izany dia hoy Andriamanitra : andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, (…)

Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy : mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy ary nataony lahy sy vavy izy ireo. » ( Jen 1, 1.26.27 )

V- Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

R- Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

( Averina in-tsivy io Antso-fiderana io )

V- Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

R- Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.


FIZARANA FAHAROA

Amin’izao fizaràna faharoa izao kosa isika dia hitodika amin’Andriamanitra Zanaka izay nietry tena sy nandray ny toetrantsika olombelona mba hanatanateraka ny sitrapon’ny Ray sy hamonjy ny taranak’olombelona. Antsointsika sy deraintsika Izy, Loharanom-piainam-baovao manao hoe :


V- Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

R- Mamindrà fo aminay.


VAVAKA AMIN’NY ZANAKA

Ry Jesoa Tompo, Tenin’ny Ray Mandrakizay, omeo fo madio izahay ahafahanay mibanjina ny Misterin’ny fahatongavanao ho nofo sy ny fanomezam-pitiavanao ho nofo sy ny fanomezam-pitiavanao ao amin’ny Eokaristia Masina. Ampio izahay mba ho mendrika ny anarana noraisinay tamin’ny Batemy ka hahatàna tsy misy tomìka sy amim-paharetana ny finoanay ; ampireheto ao aminay ilay fitiavana mampiray anay tanteraka aminao sy amin’ny rahalahinay ; ho ampoky ny fahazavàn’ny Fahasoavanao anie izahay ary mba tondrahy ny harem-piainanao, dia ilay fiainana natolotrao ho sorona noho ny fitiavanao anay.

Ho Anao ry Mpanavotra anay, ho Anao ry Ray feno fitiavana sy be famindam-po, ho Anao ry Fanahy Masina, Fitiavana tsy misy fetra, ny dera, ny laza ary ny voninahitra mandritra ny taona rehetra

Rainay any an-danitra …

« Ary ny Teny tonga nofo, ka nonina taty amintsika. » ( Jn 1,14 )

« Tamin’ilay natao Baatemy iny ny vahoaka rehetra dia natao Batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka izy dia nisokatra ny lanitra ; ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny an’ny voromailala, dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe : Hianao no Zanako malalako, Hianao no ankasitrahako indrindra. » ( Lk 3, 21-22 ).

« Mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato Amiko, aary Izaho ao Aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy » ( Jn 17, 21 ).

V- Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

R- Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

( Averina in-tsivy io Antso-fiderana io )

V- Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

R- Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.


FIZARANA FAHATELO

Amin’izao fizarana fahatelo izao dia hibanjina ny Fanahy Masina, Aina Mpamelona sy Mpanavao, Loharano iavian’ny firaisam-po sy firaisan-tsaina ary fiadanana izay atobany hanenika ny Fiangonana sy hameno ny fon’ny olombelona rehetra.

Izy ilay Fitombokasen’ny fitiavana tsy manam-petra no ‘ndeha ho deraintsika sy ho antsointsika manao hoe :


V- Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

R- Mamindrà fo aminay.


VAVAKA HO AN’NY FANAHY MASINA

Ry Fanahy Fitiavana, Fanomezan’ny Ray sy ny Zanaka, avia, tongava hiantrano ato aminay ary havaozy ny fiainanay. Ataovy mankatoa ny bitsikao izahay, ho vonona hankatoa ireo torohevitrao mifanaraka amin’ny Evanjely. Ry Mpivahiny malemy fanahy miantrano ato am-ponay,, tafio ny harevaky ny fahazavànao izahay : ny angatahanay indrindra koa dia ny mba hanamafisanao ny Finoana sy ny Fanantenanay ; ary ampio izahay hampifanaraka miadalana ny fiainanay amin’ny fiainan’i Jesoa ka hivelona ao Aminy sy miaraka aminy dia haharitra hanambara ny Trinite Masina amin’ny fiainany izahay na aiza na aiza misy anay.

Rainay any an-danitra …

« Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay » ( Jn 14,16 )

« Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anaraeo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo » ( Jn 14,26).

« Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray, na ny Fanahin’ny Fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy » ( Jn 15,26)

V- Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

R- Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

( Averina in-tsivy io Antso-fiderana io )

V- Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

R- Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Sasinkira:

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina anie Izy ankehitriny sy mandrakizay

V- Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

R- Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Famaranana :

Mino Anao izahay,
manantena Anao izahay,
tia Anao sy mitsaoka Anao izahay,
ry Trinite Masina.


 

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray,
arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka,
arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina,
Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107