Ny Andron'ny Tompo

Inona no ataoko mba hahazoana ny Fiainana Mandrakizay?

 

HAFATRY NY EVEKA

 

 

Fivoasana ny evanjelin'ny alahady

 

trinit.jpg

 

Eo ampamakivakiana ny fiainana dia mitamberina ao antsaina ilay rano miboiboika avy amin'ny lafiny havanan'ny Tempoly, izay marivo eo am-pirobohana fa zary rano mania mila hilomanosana aoriana (Ezekiela 47, 1-12).

Manoloana ny adim-piainana anefa dia takona ny maso satria tsy afa-mitraka hitsinjo lavitra intsony ny lohan-draolombelona, hany ka izay mahavaha ny olana haingana no heverina. Tsy manan-kery hitsinjo ny hiafarana intsony fa aleo maty rahampitso toy izay maty anio. Mazava loatra fa dia adino ny lanitra, ka ny vola maha-rangahy no himatimatesana.

Tsy mahagaga ary raha toa ka ny raim-pianakaviana tsy mitandro hasasarana, miasa mitady vola hiveloman'ny fiainakaviana, manokana ny androny sy ny fotoanany manontolo ho an'ny ankohonany, tsy afaka mahafoy fotoana kely akory, hitafàna na holaniana miaraka amin'ny sombin'ny ainy, satria ny fotoana volamena.

Dia tahaka izany koa ny fiainana ara-panahy. Indraindray mihevitra isika fa manao ny zavatra rehetra noho izy Andriamanitra, kinanjo adinontsika fa tsy mila na inona na inona avy amintsika Andriamanitra afa-tsy ny fahatsapana ny fitiavany ka hahatonga antsika ho bokan'ny trosam-pitia. Tsy ho Azy anefa fa ho famonjena antsika ihany...

Tsy ny maty hitsangana tsy akory no hampiova ny fo, fa ny fampisiana heviny ny fiainana. I Moizy sy ny Mpaminany dia mpanoro lalana ihany, fa ny tsirairay kosa no mandinika ny lalan-kizorany ka mandray lesona avy amin'ny fampianaran'izy ireo.

Alaivo sary an-tsaina ange ary ampiharo amin'ny seha-piainana andavanandro e. Rehefa misy ady sy fifandirana, raha mandini-tena marina tokoa ny tsirairay amin'izay tanjona tian-ko tratrarina, zary harena ny tsy fitovian-kevitra. Tsy ny hevitra tsy mitovy manko mazàna no mampisy lonilony sy lolom-po fa ny tanjona tsy hifampizaràna.

Anjaran'ny tsirairay ny manadio ny fo amin'izay mety ho fitiavan-tena hanakana ny fo hitia marina tokoa araka ny sitrapon'Andriamanitra.

 

sacro_cuore.jpg
. Zoma 1 oktobra : Zomà voalohan'ny volana

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01