Miandry antsika ny Lanitra

"Didy vaovao"

FIAKARAN'NY TOMPO ANY AN-DANITRA : Jereo eto

Tokony ho fety hanampy antsika haniry ny haren'ny lanitra ny fankalazana atontsika anio. Izany lanitra izany no fahasambarana ho antsika Kristianina. Misy ve ny lanitra? Ary raha misy, ahoana no hahatongavana any?

 

 

Nanafatra ny mpianany i Jesoa ny mba hifankatiavan'izy ireo. (Jn 13, 31-33). Fa inona no mahasamihafa ity didy ity amin'izay efa nisy teo aloha?

Mba handalinana io fampianaran'i Jesoa io di mahafaly ahy ny hifampizara aminao zavatra roa : "Didy vaovao", "toy ny nataoko".

1. Didy vaovao :

Tsy hoe mamorona didy hafa ankoatra ireo "teny folo" voalaza ao amin'ny Lalàn'i Mose (Eks 34) akory i Jesoa sanatria. Raha izany anefa, ahoana no hilazany fa vaovao ity didy ity? Heveriko fa tsy hoe vaovao amin'ny tanjona kendrena tsy akory fa vaovao amin'ny dingana hanatanterahana azy. Misy dingana ny firosoana amin'ny fahamasinana, tsy ampy ny fandrarana, mila manao ny tsara ihany koa.

Noho izany, ny didim-pitiavana nomen'i Jesoa dia tsy hoe mandrara antsika tsy hamono olona fotsiny fa mamporisika koa hanasoa sy hampiroborobo ny fari-piainana, tsy ampy ny tsy mangalatra fa ilaina ny manao asa fanasoavana, tsy ampy ny tsy mandainga fa ilaina ny milaza ny marina, tsy ampy ny tsy mijangajanga fa ilaina ihany koa ny faniriana ny hadio fo, tsy ampy ny tsy mitsiriritra ny vadin'olona sy ny fananan'olona fa iezahana ihany koa ny mahay mifaly amin'ny hafalian'ny hafa.

Raha Andriamanitra sy ny manam-pahefana (ray aman-dreny) ihany no nomena lanja hajaina tao amin'ny testamenta tranainy, dia nanao dingana iray lehibe i Jesoa, tsy ny ray aman-dreny ihany no mila hajaina, fa noho ny fiitiavana an'Andriamanitra, dia hasoavina koa ny namana, indrindra ny mahantra sy ny madinika... samia mandini-tena raha toa ka afaka mahita ny endrik'Andriamanitra ao amin'ny mpangataka amoron-dalana !

2. Toy ny ataoko :

Tsy hoe hitia fe hitia fotsiny ny kristianina fa kosa hitia toy ny hitiavan'i Jesoa azy ireo.

Dia hoy aho aminao hoe : efa mba nodinihinao ve hoe nanao ahoana no nitiavan'ny Tompo anao? Mandeha mamonjy lamesa ny Katolika, mankalaza ny Eokaristia (midika hoe Fisaorana tsara indrindra), izany hoe handeha hisaotra an'Andriamanitra. Marina fa ambaran'ny pretra amin'ny Prefasy ny antony hisaorana an'Andriamanitra, antony hitambarana amin'ny ankapobeny... nefa tsindrian'ny Papa amin'ny taratasy nosoratany momba ny eokaristia , ao amin'ny lahar° 52 fa raha tsy misy hifandraisany amin'ny andavanandrom-piainan'ny tsirairay izany mistery ankalazaina izany dia tsy azo heverina ho feno ny fandraisana anjara.

Dia manontany tena aho hoe firy amin'ny kristianina tonga hamonjy lamesa no tonga hisaotra (hanao eokaristia)... Ny ankamaroany manko, asa na diso fijeriko azy, toa tonga mba hangataka na sanatria aza tonga mba hanefa adidy hampilamindamina feon'ny fieritreretana fotsiny. Raha mbola vavaka hataka no vavaky ny kristianina dia tsy afaka hitia toy ny nitiavan'i Jesoa izy ireo : matoa manko mangataka dia manantena ny hahazo... dia satria Jesoa mpamaly vavaka, manome izay ilaina ka izany no hoenti-mivavaka.

Mazava loatra fa "havana raha misy patsa" no hoentina mitia ny hafa. Miankina amin'ny endrika volavolaintsika ho an'Andriamanitra ny hifandraisantsika amin'Andriamanitra sy hifandraisantsika koa amin'ny hafa avy eo. Ny fanomanana tsara indrindra azo atao amin'ny lamesa araka izany dia ny famisavisana ny soa noraisintsika avy amin'Andriamanitra. Mety ho soa mety ho ny tsy soa loatra nefa "mahasoa"....

Ho an'i Jesoa manko, ny voninahitra dia tsy amin'ny fanaparam-pahefana loatra fa amin'ny fahafahana mitia, ny fahatapahan-kevitra hitia, eny fa na dia hatramin'ny hahafoizana ny aina aza.

Ndeha ary samy hanao dingana, hihaina ity "didy vaovao" ity, tsy hihonona fotsiny amin'ny fanompoana ny lehibe fa hisikim-ponitra hanompo ny farahidiny, satria isika mpanota no notiavin'i Kristy, isika mpanota no namoizany ny ainy, ka ho an'iza re no hamoizantsika ny soa ananatsika e? ho an'ny mpanota sa ho an'izay heverina hahazoana tombontsoa sy tombom-pitiavana sa sanatria ho an'ny mahantra sy ny tsy manan-kaly?

Aza misy anie ny tsy toy izany...

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768