ALAHADY IV FANKALAZANA NY PAKA

Ny Ondriko mihaino ny fehoko....

Mankalaza ny andro natokana manokana hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra ho pretra sy ho relijiozy isika anio. Ny hafatry ny Papa (amin'ny teny frantsay) dia manisy tsindim-peo manokana ny maha-zava-dehibe ny hafaliana asehon'ireo nanolo-tena manokana hanara-dia ny Tompo, hanohintsohina ny olon-dehetra koa amin'ny famaliana ny antso milolohalanitra ho amin'ny fahamasinana.

Amin'ny vakiteny aroson'ny Fiangonana ho sakafom-panahintsika main'ny fankalazana ny Andron'ny Tompo anio dia manisy tsindrim-peo ny maha-katolika ny fiangonana, izany hoe amin'ny maha-famantaram-pamonjena ho an'izao tontolo izao. Amin'ny Asan'ny Apostoly (Asa 13, 43-52) dia manambara i Paoly sy Barnabe fa natsangan'ny Tompo ho fahazavan'ny Jentily, mba hitondra ny famonjena hatramin'ny fara vazan-tany. Dia amafisin'ny Salamo setriny ny fiantsoana ny tany rehetra hihoby ny Tompo, izay nahary antsika, ary tsy mivadika amin'ny fanekena porofom-pitiavany (Salamo 99). Dia moa va tsy ny faminanian'i Joany amin'ireo vahoaka marobe tsy tambo isaina, mankalaza ny Tompo amin'ny taona tsy misy fetra! (Apok 7, 9-17).

Mba ho mpandova ny fiainana mandrakizay anefa dia mila mihaino ny feon'ny Mpiandry ondry tsara... izay manome antsika ny fiainana mandrakizay. Tsy fihainoana fe fihainoana fotsiny anefa fa fanarahan-dia an'i Kristy, ka mazava loatra, tsy maintsy mandalo amin'ny Lakroà... raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan'andro (Lk 9, 23), fa izay tsy mitondra ny hazofijaliany dia tsy mendrika ny ho mpianatro (Lk 14, 27)...

Izany rehetra izany dia mifototra indrindra amin'ny famaliana ny fanontaniana nataon'i Kristy tamin'i Piera saingy ataony amintsika tsirairay avy : manakory ny fitiavantsika azy? mifaninana hitia azy bebe kokoa ve isika rehetra? izany no hahafahantsika manolo-tena hamahana ny ondriny sy hanara-dia azy.

Hiezahantsika ary ny hihaino ny feony, na dia tsy mora aza, manoloana ny tabataba maro mankarenina ny sofina sy ny fihetsiketsehana ivelany manjemby sy mahavariana ny maso... Asa raha tsaroanareo ilay vavaka hatory  mampahasiahy ny fahasarotan'ny fihainoana ny feon'io Mpiandry ondry tsara io...

Tso ho adinontsika koa fa ny Mpiandry ondry tsara dia mitana tehana sy rotsan-kazo eny an-tanany (vakio eto)...

Hivavaka ary isika ho an'ny Mpiandry ondry, ho an'ny Papa, ny eveka sy ny pretra, ho an'ny relijiozy lahy sy vavy, mba ho fambara mahatoky sy mahatarika izy ireo, hitsirian'ny fiantsoan'Andriamanitra ao am-pon'ny tanora, fa indrindra hanampy ny tsirairay ho amin'ny lalam-pahamasinana.....

Azonareo jerena eto ny hafatra ho an'ny Mpiandy ondry sy ny hafatra ho an'ny ondry.....

.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104