Alahady faha-III Karemy Taona D

Mibebaha, miova toetra, fa ny tarehy ratsy no tsy azo hovana

08_luce-regno_di_dio.jpg

Alahady II Karemy

Eo am-panohizana ny fivahinianana, ho amin’ny Tany nampanantenaina, amin’ny fizorana ho amin’ny Pakan’ny fandresena, handresena ny fakam-panahy miaraka amin’i Kristy, amin’ny alalan’ireo fiadiana dia ny vavaka, ny fifadian-kanina sy ny asa fiantrana , dia voaantso haka tahaka an’i Kristy isika, fa indrindra amin’ny fihainoana Azy (Alahady II) ilay Zanaka Malalan’ny Ray.

 

Izany fihainoana azy izany dia tokony hitarika antsika handalina ny momba Azy, hamantatra ny Anaran’ilay andriamanitry ny Razantsika, ilay Andriamanitry ny katesizy sy ny toriteny, mba ho tonga Andriamanitra tsy tantaraina fa hitantarana… hiresahana. Izay no tena vavaka. Vavaka zary iraka, satria ilay Andriamanitra Mpamaly vavaka dia niantso ny Mpanompony ho iraka, hanafaka ny vahoakany (Eks 3, 1-15).

 

Miankina amin’izay fisainantsika ny momba an’Andriamanitra manko ny fiainantsika sy izay mety ho fitondrantenantsika miresaka aminy. Raha izy tokoa no YHWH, Ilay misy, ho antsika, ka ekentsika fa na ny fisiantsika aza, dia miankina amin’ny fisiany…

 

Ny fananaran’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa anefa dia tokony hampitandrina antsika marina tokoa. Tsy izay rehetra niampita ny Ranomasina mena, na izay niala hetaheta tamin’ny rano tam-batolampy tsy akory no niditra ny tany nampanantenaina… izany hoe, tsy izany vita batemy na nandray komonio tsy akory no ho tonga any an-danitra… tsy ho tonga any ireo naka fanahy an’Andriamanitra (I Kor 10, 1-12). Raha tiantsika ny hizotra ho amin’ny tany nampanantenaina dia tsy maintsy hiezaka isika ho sitrak’Andriamanitra, amin’ny fanahafana ny Zanany.

 

I Kristy dia nanome fotoana antsika mba hamoazana… nohevoiny ny tany, amin’ny sakramenta atolony hahalonaka ny fiainantsika, nomeny ho zezika ny tenany, mba hivelomantsika ao aminy. Saingy isika mivelona aminy, mihinana ny sakafom-panahy arosony, dia mila miara-misalahy aminy. Tsy haninkanim-poana manko ny Eokaristia, hoy Itolpokolahy Kardinaly izay, fa hanin’ny mpanao zavatra.

 

Zavatra inona no hataontsika? Hiverina any Ejipta mba hanafaka ny vahoakany! Avy any i Moizy no nitsoaka, natahotra ny ho faty, nanavotra aina… saingy voairaka mba hanao sorona ny ainy mba hanavotra ny vahoakan’Andriamanitra. Izay fahavononana izay, dia miankina amin’izay Andriamanitra hinoantsika. Andriamanitra miangavy antsika mba hanesotra ny kapa mba hahatsapantsika mivantana fa mandia tany isika, ka mila mitandrin-tena mba tsy ho lavo (Vak II).

 

Mila fibebahana sy fiovana toe-tsaina iznay, mha hahatsapana mandrakariva ny fitiavana amam-pamindram-po arotsak’Andriamanitra ho antsika isanandro vaky (sal 102). Izany no manomana antsika ho amin’ny tena fibebahana marina, tahaka ilay zanaka mpandany, maniry hverina an-tranon-drainy (Alahady IV)

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193