TARATASY ANSIKLIKA PAPA BENOIT XVI

CARITAS in VERITATE 

 Benoà 16

 Alahady faha-14 mandavantaona

Texte orginale en Français : Caritas in Veritate

Raha namporisika antsika i Md Paoly hanaraka ny marina amin’ny fitiavana (veritas in caritate : Ef 4, 15) dia amafisin’ny Papa kosa fa mifameno amin’izany ny fiainana ny fitiavana hazavain’ny marina . Ny fitiavana no tokony ho vimiaina manosika hitady ny marina, fa ny marina kosa no tokony ho fanilo ho hoenti-mihevitra, manamarina sy miaina ny fitiavana, ka hahatonga ny marina hatokisana rehefa haintsika ny hampiseho ny mangarahara ka haharesy lahatra ny olona ny amin’izany amin’ny andavanandrom-piaraha-monina. Ny marina, dia i Kristy ihany, no maha-olon'afaka antsika (Jn 8, 22), ka ny fanarahana ny lahatr'Andriamanitra nosoritany ho antsika no lalana hahitantsika izany. I Kristy no naneho antsika amin'ny hafenoany izany fiantsoan'Andriamanitra ho amin'ny hafenoan'ny fiainana izany : ny lalam-pitiavana noporofoiny tamin'ny fahafatesany sy ny nitsanganany ho velona.

Caritas in veritate, izay nolohatenin’ny taratasy ansiklika fahatelo nosoratan’ny Papa, mitondra ny datinandron’ny 29 jona 2009, fankalazana an’i Md Piera sy Paoly, Apostoly. Misy andininy 79 ary mizara toko 6.  Amin’ny teny fampidirana ny Papa dia miezaka mamintina ny mombany fitiavana, izay nampahatsiahiviny fa fampianarana novoasany tamin’ny Taratasy Ansiklika voalohany nosoratany : Deus caritas est. Na dia fototra iorenan’ny fifandraisan’ny olmeblona aza ny fitiavana, dia ao anatin’ny marina ihany no hahafahana miaina azy tsy misy famahoany.Ny Marina manko no mampisy heviny sy mampitombo hasina ny fitiavana… izany no hifotoran’ny fampianara ara-tsosialin’ny Fiangonana amin’ny fitiavana iainana ao anatin’ny marina : ny rariny sy ny hitsiny ary ny soa iombonana ho amin’ny fampandrosoana… (*** tohiny)

Ny Toko voalohany dia fampahatsiahivana ny hafatra navelan’ny Papa Paoly VI ao amin’ny Populorum Progressio [izay lazain’ny Papa Benoà XVI ho toy ny ansiklika Rerum novarum ho an’ny vaninandro moderina] : fampivoarana ny olona manontolo sy ny olona rehetra : mazava loatra fa mifototra amin’ny fiheverana ny olona amin’ny lafiny rehetra mahakasika ny fiainany izany, indrindra ny mikasika ny ara-panahy izay manokatra ny olona amin’izay maharitra mandrakizay…

Ny toko faharoa dia mivaofy ny mety ho fieverana ny fivoaran’ny olombelona amin’izao fotoana izao: manoloana ity Krizy faobe ara-toekarena ity dia mila dinihana manokana ny tena andraikitra sahanin’ny Mpitondra vahoaka, izay tompon’andraikitra amin’ny zavatra maro, fa indrindra amin’ny fanapahan-kevitra hikatsahana marina ny fivoaran’ny daholobe, indrindra amin’ny fifanampiana iraisam-pirenena ao anatin’ny fanatontoloana izay kion-dalana tsy azo hiodivirana, amin’ny fanajana ny aina ho ivon’ny tena fivoarana marina.

Amin’ireo sehatra hisehoan’ny fahalovana vokatry ny fahotana dia efa hatry ny ela no misoratra ao ny toekarena (ekonomia). Anisan’ny zava-doza nafitsony ny fiheverana fa afaka mamongotra ny ratsy ka hanome fahasambarana ny olona ny vola aman-karena. Ny toko fahatelo dia hanazavan’ny Papa ka ny firahalahiana no ifotoran’ny fiaraha-monina vanona afaka hampandroso ny olombelona araka ny fandaharan’Andriamanitra, am-pahamarinana sy am-piadanana.

Maro no mihevitra fa tsy manan-trosa (adidy) na amin’iza na iza… kanefa ny marina dia miandry ny olona rehetra hanasoa azy satria zòny hono izany! Ny toko fahaefatra dia mandinika manokana ny fifandraisan’ny zo sy ny andraikitra. Tsy amin’ny fiarovana ny zon’ny olombelona ihany fa amin’ny famporisihana ny tsirairay koa handray ny andraikitra sahaza azy. Amafisin’ny Papa fa raha samy tompon’andraikitra amin’ny fifanasoavana isika, hampandroso kokoa noho ny fitakian-jo fotsiny! Tsy adidy amin’ny olona ihany anefa fa na amin’ny fikajàna ny tontolo iainana ihany koa, izay lalana hahafahana midera ny fitiavana sy ny fahamarinan’ilay Mpahary.

Ny toko fahadimy dia mijery manokana ny momba fiaraha-mientana misy sy azo aorina eo anivon’ny fianakaviam-ben’ny olombelona. Arakaraka ny hiainan’ny  olona araka ny tokony ho izy ny fifandraisany amin’ny olombelona namany no hahamatoran’ny maha-izy azy! Anisan’izany fifandraisana izany koa ny lafiny ara-pinoana izay fisokafana amin’ny momba an’Andriamanitra izay tsy tokony hionona fotsiny amin’ny finoanoam-poana fa amin’ny tena finoana matotra eken’ny fisainana. Ny fifanajana amin’ny lafin’ny finoana sy ny fahafahana mivelatra amin’ny ara-tsaina dia manampy handrafitra fiara-miasa matotra amin’ny fampandrosoana maharitra. Tsy azo hodian-tsy hita anefa ny fahasarotan’izany, manoloana ny zava-mitranga sasany momba ny fifindra-monina, ny tsy fananan’asa, ….

Ny toko fahaenina farany dia hanazavan’ny Papa kosa ny Teknika sy ny fandrosoan’ny Vahoaka. Tsy azo sarahina amin’ny fandrosoan’ny isam-batan’olona ny fandrosoan’ny daholobe. Tsy fahafahana tsy misy fetra manko no ananan’ny olona ka hihevitra ho mahavita tena. Na eo aza ny fandrosoan’ny fikarohana ara-teknolojia, dia mila ny lalàna moraly hibaiko ny olombelona mba tsy ho fanapotehana ny maha-olona no hovokarin’ny fikarohana mihambo ho mahefa ny zava-drehetra, ka tsy manaiky hofehezin’ny lalàna moraly, mitady ny valin’ny hoe “atao ahoana” fanaovana azy ka manadino ny hevitr’izay atao “atao inona?” Na izany aza anefa dia tsy odian-tsy hita ny harena azo tovozina amin’ny fikarohana siantifika, indrindra amin’ny fivoaran’ny fitaovam-pifandraisana, saingy mila manovo amin’ny ethos (fitsipika?) ara-piaraha-monina mba ho fitaovana hampiombona fa tsy sanatria hampisara-bazana… mbola adihevitra misokatra hatramin’izao kosa indray ny bioethique  manoloana ny fikarohana hanaporofo ny tsy hilan’ny olombelona an’Andriamanitra amin’ny sehatry ny aina… Araka izany, na eo aza ny fivoaran’ny teknolojia dia tsy azo adinoina fa tsy feno ny fivoaran’ny olona raha mihanona amin’ny ara-materialy fotsiny ihany… Izany no mahatonga ny Papa hamerimberina fa ny fitiavana ao anatin’ny marina ihany no vimiaina hampandroso marina tokoa.

Mila antsika Kristianina manandra-tanana (mivavaka) amin’Andriamanitra ny fandrosoana marina… hoy ny Papa mamarana ny taratasiny, satria mahatsapa isika fa fanomezana avy Aminy izany Fitiavana manankarena fahamarinana izany. Ny tena fandrosoana manko dia manisy lanja ny ara-panahy ary mitaky fitokisana amin’Andriamanitra, amin’ny fitsimbinany sy ny famindram-pony, mba hahatonga ny fo vato ho tonga fo nofo, ka hahatonga ny fiainana an-tany ho henika an’Andriamanitra ka ho mendrika kokoa ny maha-olona…

Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana: mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin'ny tsara. Mifankatiava toy ny ifankatiavan'ny mpirahalahy; mifaninàna hifanaja….(Rm 12, 9-10)

...

(*** tohiny)

Raha tsy ampifanatrehan’ny marina ny fitiavana dia mety hihanona amin’ny sento sento sy ny fitompoana teny ho fantatra ihany ka tsy azo hifanakalozana hanamafisana ny fifandraisana. Ireo fototra roa hijoroan'ny fampivoarana dia ny fitandrovana ny rariny sy ny hitsiny  ary ny fikatsahana ny soa iombonana. Mifameno ireo na dia ambaratonga tsy azo dinganina aza ny fanatanterahana azy. Ny rariny manko, hoy ny Papa, dia fanomezana izay sahaza ny tsirairay, ny azy ihany no hanajana azy, fa ny fitiavana kosa dia ny an’ny tena no hafoy ho an’ny hafa. Izany fahafoizana izany no hany afaka mandavorary ny fiaraha-monin’ny olombelona miaraka amin’ny famindram-po sy ny fiombonana… Ny fitiavana manko mikatsaka izay hahasoa ny tiavina… Ankoatra ny fanajana ny rariny sy ny hitsiny araka izany, dia laharam-pahamehana ny soa iombonana ho an’ny olombelona rehetra, amin’izao fotoanan’ny fanatontoloana izao, ho fandraisana anjara amin’ny fanorenana ilay Tanànan’Andriamanitra, tanjona hifaharan’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Izany no mahatonga ny Papa Paoly Vi nilaza fa ny fitoriana an’i Kristy no voalohany ary laharam-pahamehana amin’ny sehatry ny fampivoarana. Tsy voavahan’ny fandrosoana ara-teknolojia manko ny olana ara-toekarena sy ny tsy fitovian’ny hari-karena mampahazo vahana ny fanararaotana sy ny elanelana misy amin’ny mahantra sy ny mpanan-karena : ny herin’ny fitiavana ihany no afaka mandresy ny ratsy amin’ny tsara (Rm12, 21). Tsy misy vahaolana ara-teknika azon'ny Fiangonana atolotra saingy raisiny an-tanana kosa ny mitandro ny marina mba ho soa ho an'ny fiaraha-monina mendrika ny maha-olona sy ny fiantsoana azy. 

...

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0246